Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Betoela

Betoela

(Betoèla).

1. Zana-drahalahin’i Abrahama, zanak’i Nahora tamin’i Milka. (Ge 22:20, 22) I Betoela no rain’i Rebeka sy Labana. (Ge 22:23; 24:15, 24, 29) Tsapany fa Andriamanitra no nitarika ny mpanompon’i Abrahama hankao an-tranony, rehefa nitady vady ho an’i Isaka io mpanompo io. Niaiky àry i Betoela sy Labana hoe: “Avy tamin’i Jehovah izao zavatra izao.” (Ge 24:50) Voalaza fa Syrianina na Aramianina nonina tao amin’ny tany lemak’i Arama izy.​—Ge 25:20; 28:2, 5.

2. Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’i Joda fa nomena ny fokon’i Simeona. Nantsoina koa hoe Betola sy hoe Kesila izy io, rehefa ampitahaina ny anaran’ireo tanàna ao amin’ny Josoa 15:30; 19:4 ary 1 Tantara 4:30. Toa izy io ihany ilay “Betela” resahin’ny 1 Samoela 30:27 hoe nandefasan’i Davida fanomezana avy tamin’ireo zavatra azo babo. Misy mihevitra azy io ho i Kirbet el-Karyatein (Tel Keriyyot), tokony ho 19 km any atsimon’i Hebrona. Ny hafa kosa milaza azy io ho i Kirbet er-Ras (Horvat Rosy), tokotokony ho 24 km any andrefan’i Kirbet el-Karyatein.​—Jereo KESILA.