Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Betsaida

Betsaida

(Betsaìda) [avy amin’ny teny aram., ary midika hoe “Tranon’ny Mpihaza (na Mpanjono)”].

Tanàna niavian’i Filipo sy Andrea ary Petera (Jn 1:44), fa toa tamin’ny fotoana nanompoan’i Jesosy teto an-tany i Simona Petera sy Andrea vao nipetraka tany Kapernaomy. (Mt 8:5, 14; Mr 1:21, 29) Tanàna ‘tany Galilia’ i Betsaida. (Jn 12:21) Nentin’i Jesosy nitokana tany ny mpianany, teo amin’ny toerana nitokana sy be ahitra tsy lavitra teo, taorian’ny nahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa. Nanao fahagagana i Jesosy avy eo, ka namahana lehilahy tokony ho 5000 ankoatra ny zaza amam-behivavy, izay tonga hihaino azy. (Lk 9:10-17; ampit. Mt 14:13-21; Jn 6:10.) Nampahiratra ny mason’ny jamba iray tany ivelan’i Betsaida koa i Jesosy tatỳ aoriana. (Mr 8:22) Fahagagana lehibe toy izany no natao teny amin’ny manodidina an’i Betsaida, ka rariny raha nomen-tsiny ny ankamaroan’ny mponina tao sy ny tao Korazina noho izy ireo tsy nibebaka.​—Lk 10:13.

Niteraka adihevitra ny toerana nisy an’ilay “tanàna” natao hoe Betsaida. (Mr 8:22, 23; Lk 9:10) Lazain’ny Soratra Masina fa teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia izy io, teo amin’ny ilany avaratra. Nolazain’i Josèphe fa Betsaida ilay tanàna kely be mponina teo atsinanana kelin’ny toerana ivarinan’ny Reniranon’i Jordana ao amin’ny Ranomasin’i Galilia. I Filipo lehibem-paritra no nanorina indray an’io tanàna kely io ary nataony hoe Julias ny anarany ho fanomezam-boninahitra ny zanakavavin’i Aogosto Kaisara. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 28 [ii, 1]) Any et-Tell, tokony ho 3 km miala ny ranomasina no misy ny tanàna ravan’i Julias. Misy tanànan’ny mpanjono iray kely kokoa sy efa rava anefa any el-ʽAraj, tena eo amoron-dranomasina, sady manana seranana voajanahary izay mbola nampiasain’ny mpanjono vao tsy ela izay. Io toerana io àry no mifanaraka kokoa amin’ny dikan’ny anarana hoe Betsaida.

Misy mpivaofy teny milaza fa ilay Betsaida voalazan’ny andinin-teny sasany ihany io tany el-ʽAraj io, fa mbola nisy Betsaida hafa koa tany andrefan’ny Reniranon’i Jordana tany ho any. Nahatonga azy ireo hihevitra izany ny tenin’i Josèphe sy ny hafa hoe tsy tody tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana ny sisin-tanin’i Galilia. Nilaza i Josèphe fa tany “Golanitida ambany” izany hoe tany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia no nisy an’ilay tanàna hoe Julias. (Ny Adin’ny Jiosy, II, 168 [ix, 1]) Milaza anefa ny Jaona 12:21 fa “any Galilia” no misy an’i Betsaida. Nisy fotoana ny faritanin’i Galilia tsy voafaritra tsara, matoa na i Josèphe aza niantso an’i Jodasy avy any Golanitida hoe “Galilianina.” (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 4 [i, 1]; Ny Adin’ny Jiosy, II, 118 [viii, 1]) Mety ho nonina hatrany amin’ny 1,5 km teo ho eo tany andrefan’ny Reniranon’i Jordana koa ny mponina sasany tao amin’ny tanànan’i Betsaida.

Izao koa no mahatonga ny olona sasany hihevitra fa nisy Betsaida hafa iray tany andrefan’ny Reniranon’i Jordana, tany akaikin’i Kapernaomy: Milaza ny Marka 6:45 fa nasain’i Jesosy niakatra an-tsambokely “ho eny ampita ho any Betsaida” ny apostoliny. Io zava-nitranga io ihany no tantarain’ny Jaona 6:17, saingy lazainy fa niakatra an-tsambokely “mba ho any Kapernaomy” izy ireo. Toy izao anefa ny lalana nalehan’izy ireo, rehefa jerena ny fomba nandikan’ny Baiboly ankehitriny ny Marka 6:45: Rehefa niainga ny apostoly tamin’izy ireo nikasa ho any Kapernaomy, dia nanaraka ny morontsiraka aloha izy ireo mba “ho any Betsaida” (teo izy ireo no nisaraka tamin’i Jesosy, azo inoana hoe teo akaikin’ilay toerana namahanan’i Jesosy an’ireo 5000 lahy, izay toa teo atsimo kelin’i Betsaida, teny ampitan’i Kapernaomy, ka ranomasina no nanelanelana an’ireo tanàna ireo). Nanivaka teo amin’ny zorony avaratra amin’ny ranomasina izy ireo avy eo, ary nitodi-doha ho any Kapernaomy, any amin’ilay toerana tiany haleha. Nidina an-tanety izy ireo rehefa tonga tao Genesareta, teo amoron-drano, izay toa teo atsimon’ny tanànan’i Kapernaomy.​—Mr 6:53.

Na maromaro aza ny toerana voalaza fa nisy an’ilay Betsaida hafa iray, dia tsy milaza an’izany ny Baiboly. Tsara homarihina koa fa tany akaikin’i Kapernaomy daholo ireo toerana heverina fa nisy an’io Betsaida io. Sarotra inoana anefa hoe nisy toerana roa nifanakaiky samy nantsoina hoe Betsaida.