Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bevohoka

Bevohoka

Ilazana vehivavy mitoe-jaza ka manana anaka.

Nandidy an’i Adama sy Eva i Jehovah hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Ge 1:28) Voajanahary eo amin’ny fiainan’ny vehivavy àry ny hoe bevohoka. Lasa tsy lavorary anefa ny olona tatỳ aoriana, ka nilaza Andriamanitra fa hihamafy ny fanaintainan’ny vehivavy rehefa bevohoka. (Ge 3:16; jereo FANAINTAINAN’NY MIHETSI-JAZA.) Midika hoe ‘miteraka, bevohoka’ ilay teny hebreo hoe harah. (1Ta 4:17; 7:23) Ny fomba filazan’ny Grika an’izany dia hoe “mitondra ao an-kibo”, izay midika hoe “mitoe-jaza” na bevohoka.​—Mt 1:18, 23.

Tamin’ny Jiosy, dia fitahiana avy amin’Andriamanitra ny zanaka, indrindra fa ny zanakalahy. (Sl 127:3; 128:3; Ge 29:32-35; 30:5, 6) Noheverina ho fahafaham-baraka sy henatra kosa ny hoe momba. (Lk 1:24, 25; Ge 25:21; 30:1) Fanirian’ny vehivavy manambady àry ny ho bevohoka. (1Sa 1:2, 11, 20) Olona mananaina no niheverana ny zaza vao niforona tao an-kibon-dreniny, ka tsy maintsy nanome “aina ho solon’ny aina” izay nahafaty azy. (Ek 21:22, 23) Fanaon’ny fahavalo ny nanataka ny kibon’ny vehivavy bevohoka, ary tena nahatsiravina izany.​—Ho 13:16; Am 1:13; 2Mp 8:12; 15:16.

Manaintaina ny vehivavy rehefa tonga ny andro hiterahany. (Sl 48:6; 1Te 5:3) Tsy haharitra anefa ny fanaintainany, satria hitsahatra raha vao teraka ilay zazakely. Ho faly sy ho tretrika àry ny vehivavy bevohoka rehefa teraka soa aman-tsara.​—Jn 16:21, 22

“Lozan’ny bevohoka.” Nanontany an’i Jesosy momba ny fifaranan’ny rafitr’izao tontolo izao ny apostoly. Namaly azy ireo i Jesosy, ary nilaza tamin’izy ireo mba handositra hiala tany Jodia. Hoy izy avy eo: “Lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany!” (Mt 24:19; Mr 13:17; Lk 21:23) Tanteraka tokoa izany nandritra ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 sy taloha kelin’izay. Marina fa afaka manao zavatra sy mandehandeha ny vehivavy bevohoka (Lk 1:39, 56; 2:5), nefa ho sarotra aminy ny handositra lavitra any an-tendrombohitra, indrindra fa raha efa miandry andro izy. Tena mafy ny nanjo ny vehivavy bevohoka sy ny zaza minono rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny Romanina. Namely mafy ny mosary. Ny vehivavy bevohoka anefa tokony ho ampy sakafo tsara. Raha tsy ampy kalsioma, ohatra, izy dia mety hihintsana ny nifiny. Alain’ny vatany mantsy ny kalsioma efa ao aminy mba hanamboarana taolana ho an’ilay zazakely. Voajanahary amin’ny vehivavy koa ny miaro ny zanany, ka vao mainka hijaly izy mahita zazakely mosarena sy maty, indrindra moa rehefa mieritreritra hoe ho toy izany koa ny zanany rehefa teraka. Hoy i Josèphe momba ny olona tratran’ny mosary tao Jerosalema: “Tsy nisy nangoraka an’ireo fotsy volo sy ny zaza menavava: Nobataina sy natonta tamin’ny tany ny ankizy tsy nety nanome ny sombin-kanina teny aminy.”​—Ny Adin’ny Jiosy, V, 433, (x, 3); ampit. Lk 23:29.

Heviny an’ohatra. Matetika no ampiasana an’ohatra ny hoe bevohoka ka miteraka. Voalaza, ohatra, fa ‘fampahoriana no niforona’ tao an-kibon’ireo Israelita nivadika, ‘ary fanaovan-dratsy no naterany’, ka tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ny Israely. (Is 59:2-8; ampit. Sl 7:14.) Inona no dikan’izany? Nanana fanirian-dratsy sady nieritreritra ny “hanao ratsy” aloha izy ireo, dia avy eo navelany hibaiko ny sainy sy ny fony izany ary nitombo tao anatiny, ka tsy azony nialana ny vokany fa tsy maintsy niteraka “fanaovan-dratsy” izy ireo.​—Ampit. Jk 1:14, 15.

Noharin’i Isaia tamin’ny vehivavy nitomany nihetsi-jaza koa ny firenen’Israely, any amin’ny andininy hafa. Voalaza fa nitaraina tamin’Andriamanitra ny Israely hoe: “Nanjary toy izany izahay noho ny aminao, Jehovah ô! Bevohoka izahay, ary nihetsi-jaza, kanefa toy ny niteraka rivotra. Tsy tena misy famonjena vitanay eto amin’ity tany ity, ary tsy misy mponina eo amin’ny tany lonaka satria tsy misy nateraka.” (Is 26:17, 18) Te hilaza ny Israely hoe na dia notahin’Andriamanitra (ampit. Is 26:15) sy nomeny fahafahana “ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina” (Ek 19:6) aza izy ireo, dia mbola tsy tanteraka foana ilay fampanantenana momba ilay Taranaka hahazoana fitahiana. (Ge 22:15-18) Niezaka ny Israely mba hahazo famonjena, nefa tsy nisy vokany izany. Tsy afaka nanafaka olona ‘tamin’ny fanandevozan’ny fahalovana’ ny firenen’Israely, ka “mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra.” (Ro 8:19-22; ampit. Ro 10:3; 11:7.) Rehefa resin’ny Babylonianina ny Israely, dia “lany hery” ny tany, satria naloto vokatry ny tsy nanajan’ny Israely ny fifanekena nifanaovany tamin’Andriamanitra. “Nihena koa ny isan’ny mponina” tao Israely.​—Is 24:4-6.

Rehefa naverin’i Jehovah avy tany an-tsesitany kosa ny olony, dia lasa toy ny hoe vehivavy bevohokan’ny vadiny sy niteraka maro i Jerosalema.​—Is 54:1-8.

Nampihatra an’io faminaniana io (Is 54) tamin’i Jerosalema any ambony ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Afaka kosa ilay Jerosalema any ambony, ary izy no renintsika.” (Ga 4:26, 27) Manjary mazava àry hoe iza ilay “vehivavy” tany an-danitra resahin’ilay fahitana ao amin’ny Apokalypsy 12:1-5. Bevohoka izy io ary ‘tera-dahy, dia zazalahy hifehy ny firenena rehetra amin’ny tehim-by.’ Misy ifandraisany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia ilay hoe hifehy ny firenena amin’ny tehim-by. Ny fahaterahan’io Fanjakana io àry no ambaran’ilay fahitana, ka nanjary re izao antsoantso izao rehefa tsy nahomby ny fanafihan’i Satana an’ilay zaza: “Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny.” (Ap 12:10) Mampahatsiahy an’ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Galatianina ny fijalian’io “vehivavy” tany an-danitra io, izany hoe ny fijaliany talohan’ny niterahany. Nampiasa ny teny hoe “marary mihetsi-jaza hiteraka” i Paoly, angamba mba hilazana faniriana mafy hahita ny fahatanterahan’ny zavatra iray. Niriny ny hahita an’ireo Galatianina ho lasa Kristianina matotra.