Bezalila
(Bezalìla) [Ambanin’ny Alok’Andriamanitra (Fialofana An’Andriamanitra)].
1. Lehiben’ny mpanao asa tanana sy mpanorina ny tranolay masina. “Zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda” i Bezalila. (Ek 31:1, 2; 1Ta 2:20) I Jehovah mihitsy no nanendry azy sady nampanantena hoe: “Hofenoiko ny fanahiko i Bezalila, mba hananany fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ary fahaizana asa tanana isan-karazany, ka hahafahany hamoron-javatra, sy hanefy volamena sy volafotsy ary varahina, sy hanefy vatosoa hatao anaty tranom-bato, ary hanao sokitra hazo hanamboarany taozavatra isan-karazany.” (Ek 31:3-5; 35:30-33) Fanomezana avy tamin’izay olona ‘natosiky ny fony’ ireo akora lafo vidy nampiasain’i Bezalila ireo. Tena nalala-tanana ireo olona ireo, ka “nihoatra” noho izay nilaina aza ny akora voangona.—Ek 35:4-9, 20-29; 36:3-7.
I Oholiaba no lefitr’i Bezalila (Ek 31:6), ary maro ireo olona ‘nanan-talenta’ niara-niasa tamin’izy ireo. Andraikitr’i Bezalila anefa ny nitarika an’ilay asa sarotra. (Ek 35:10-19, 25, 26, 34; 36:1, 2) Ilay teny hoe “izy” mantsy no ampiasaina rehefa i Bezalila no resahina, fa “izy ireo” kosa rehefa ireo mpanampy azy no resahina. (Ek 36-39) Nahay zavatra isan-karazany i Bezalila sady “nofenoin’Andriamanitra ny fanahiny” (Ek 35:31) ka afaka niandraikitra ny fanamboarana ny lamban’ilay tranolay sy ny peta-kofehy natao taminy, ny faraingo volamena sy varahina, ny rakotra ivelany vita tamin’ny hoditra, ireo rafitra hazo nopetahana takela-bolamena, ny lamba fanakonana tao anatin’ilay tranolay (Ek 36), ny Vata misy ny fifanekena sy ny kerobima teo amboniny (samy nopetahana takela-bolamena), ny latabatra sy ny fitaovana teo amboniny, ny fitoeran-jiro volamena sy ny alitara volamena fandoroana emboka manitra, ny menaka fanosorana sy ny emboka manitra (Ek 37), ny alitaran’ny fanatitra dorana, ny kovetabe sy ny tongony varahina, ny tokotany (Ek 38), ny efoda sy ny saron-tratra nasiana vatosoa, ary ny akanjo lavan’ny mpisorona (Ek 39). Mbola nampiasaina ilay tranolay masina sy ilay Vata misy ny fifanekena ary ilay alitara varahina, rehefa lasa mpanjaka i Solomona, 475 taona tatỳ aoriana.—2Ta 1:1-6.
2. Anisan’ireo taranak’i Pahata-moaba nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany tamin’ireny vehivavy ireny i Bezalila, noho ny fampirisihan’i Ezra.—Ezr 10:30, 44.