Bezay
(Bezày) [fanafohezana ny hoe Bezalila].
1. Lehilahy israelita, ary nisy 300 mahery ny taranany niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela, tamin’ny 537 T.K.—Ezr 2:17; Ne 7:23.
2. Lehilahy iray, na solontenan’ny fianakaviambe iray nantsoina hoe Bezay, izay anisan’ny nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” nampanaovin’i Nehemia.—Ne 9:38; 10:1, 14, 18.