Bezeka
(Bezèka).
1. Toerana nandresen’ny fokon’i Joda sy Simeona an’ireo miaramila kananita sy perizita 10 000 notarihin’i Adoni-bezeka. (Mpts 1:3-7) Misy milaza an’io Bezeka io ho ilay resahin’ny 1 Samoela 11:8 (No. 2 etsy ambany), tany amin’ny farany avaratra raha oharina amin’i Jerosalema sy ny tanin’i Joda sy Simeona. Raha marina izany dia tsy maintsy ho niainga avy tany atsimo i Adoni-bezeka mba hiaraka tamin’ny tafiky ny Kananita. Nifanena tamin’i Joda sy Simeona anefa izy ka nenjehin’izy ireo nianavaratra hatrany Bezeka, ary resy tany. Toa tany akaikikaikin’i Jerosalema anefa no nisy an’i Bezeka, raha jerena ilay fitantarana. Mety ho tany amin’ny faritr’i Sefela tany Kirbet Bezka, tokotokony ho 5 km tany avaratratsinanan’i Gazera àry no nisy an’i Bezeka tanànan’i Adoni-bezeka.
2. Toerana namorian’i Saoly ny zanak’Israely sy Joda mba hiady tamin’ireo Amonita nitoby hamely an’i Jabesy any Gileada. (1Sa 11:8-11) Lalana tsy ampy indray alina avy eo Jabesy i Bezeka, ka izany no manamarina fa tena tao Kirbet Ibzika, 21 km any avaratratsinanan’i Sekema no nisy an’i Bezeka. Misy tendrombohitra eo andrefan’i Kirbet Ibzika, ary 713 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina izy io, ka toa mety tsara mba hamorian’i Saoly ny tafiny.