Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bibilava Miantoraka

Bibilava Miantoraka

[Heb.: kippôhz].

Bibilava miantsampy tampoka eny amin’ny hazany, toy ny fanaon’ny bibilava manana rambo mikorintsana. Toa iray tarika amin’ny matoanteny fototeny arabo midika hoe “mitsambikina” na “miantsambotra” ny fototeny hebreo niavian’ny hoe kippôhz. Anisan’ny zavaboary honina ao Edoma ny bibilava miantoraka, hoy ny Isaia 34:15. Midika izany fa ho lao tanteraka i Edoma, ka tsy hatahotra “hanao ny tranony, sy hanatody, sy hikotrika, ary hanangona sy hiaro an’ireo zanany” ao ilay bibilava. Manatody ny ankamaroan’ny bibilava, ary ahodidin’ny sasany amin’ny atodiny ny vatany, ka io fanao io angamba no resahina eo. Hoy i H. Parker: “‘Mikotrika’ ny vavy ary ahodidiny amin’ny atodiny ny vatany, ka voatana ny mari-panan’ireo atody. Voaro koa izy ireny satria azon’ny reniny saronana na tsia, arakaraka ny toetrandro, ka tsy dia miovaova ny mari-panany ary mety hafana kokoa. Tsy dia tazana loatra koa ireo atody rehefa ahodidin’ny vavy amin’ireny ny vatany.”​—Tantaran’ny Zavaboary: Bibilava, 1977, p. 55.

Nandalina momba ny dikan’ny hoe kippôhz (heb.) i Samuel Bochart (1599-1667). Nilaza àry izy fa io ilay bibilava atao hoe akôntias (gr.) na jaculus (lat.), izany hoe bibilava miantoraka. (Ireo Biby ao Amin’ny Soratra Masina, Leipzig, 1796, Boky Faha-3, Fizarana II, Boky III, toko faha-11, p. 194-204) Tsy mitovy hevitra momba ny dikan’io teny hebreo io anefa ny mpanao diksionera ankehitriny.