Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bibilava Misy Tandroka

Bibilava Misy Tandroka

[Heb.: ʽakshov; shefifôn].

Bibilava misy poizina fahita any Palestina, ary misy tandroka kely eo ambony masony roa. Any Afrika Avaratra, manomboka eo Alzeria ka hatrany Ejipta, ary any Arabia sy atsimon’i Palestina no ahitana bibilava misy tandroka (Cerastes cornutus), hoy i Raymond Ditmars.

Mahery be (na dia tsy voatery hahafaty olona aza) ny poizin’ilay bibilava. Nilaza àry i Davida fa mandranitra ny lelany “toy ny an’ny menarana” ny olona mahery setra, ary “ao ambany molony ny poizin’ny bibilava misy tandroka.”​—Sl 140:3; jereo BIBILAVA.

Tokotokony ho 80 sm, fara fahalavany, ny bibilava misy tandroka. Matroka toy ny an’ny fasika ny lokony. Miafina anaty fasika izy miandry ny rembiny, ka tsy mora tazan’ny maso tsy zatra mahita azy. Hoy i Raymond Ditmars momba ny bibilava misy tandroka hitany nompiana: “Tadiaviny hototofana fasika foana eo amboniny mba tsy ho tazana ny vatany, toy ny fanaon’ny bibilava any an-tany efitra. Raha bebe ny fasika natao tao anaty tranony, dia ho tsy nisy tazana afa-tsy ny tampon-dohany nandritra ny andro. Mihafisaka be izy rehefa mihady fasika, ka lasa toy ny lelan’angady andraofany fasika ny tapany ambany. Ahetsiketsiny elaela ... ny vatany manontolo avy eo, ka misitrika tsikelikely anaty fasika izy na totofany fasika ny lamosiny.”​—Biby Mandady Misy Eran-tany, 1953, p. 234, 235.

Heviny an’ohatra. Malaza ho mpanaikitra soavaly ny bibilava misy tandroka, izay mailo sy mamely haingana be. Mety tsara àry ny nampitahan’i Jakoba ny fokon’i Dana tamin’ny ‘bibilava misy tandroka izay manaikitra ny hato-tongotry ny soavaly, hany ka mianjera ny mpitaingina azy.’ (Ge 49:17) Tsy hoe nanambany an’i Dana akory izy, ka nampitaha azy tamin’ny bibilava anaty bozaka izay natao hohitsahina fotsiny. Hanana anjara asa lehibe eo amin’ilay firenena kosa i Dana. Hitondra fahavoazana ho an’ny fahavalon’ny Israely mantsy izy na dia foko kely aza, toy ny ataon’ny bibilava misy tandroka. Mamitsaka amin’ny toerana iray ilay bibilava, ka afaka manaikitra ny hato-tongotry ny soavaly itaingenan’ny fahavalo mba hampitroatra azy io ary hampipitika an’ilay mpitaingina azy.