Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Biby Mandinika

Biby Mandinika

Biby mamerina mitsako sakafo efa nandalo tao amin’ny taovam-pandevonan-kaniny. “Madio” ka azo hanina, araka ny Lalàn’i Mosesy, ny biby mandinika sady mivaky kitro na misaraka tsara ny kitrony, toy ny serfa, gazela, serfa kely, antilopa, samoà, omby fiompy na dia, ondry, ary osy. Tsy anisany kosa ny rameva, bitrom-bato, ary bitrodia, satria mandinika ihany saingy tsy mivaky kitro. (Le 11:1-8, 26; De 14:4-8) Madio kokoa ny biby mandinika mivaky kitro rehefa mihinana, hoy ny mpivaofy teny sasany, ary levona tsara kokoa ny sakafo averiny tsakoina. Na misy poizina aza, hono, ilay sakafo, dia tsy misy heriny intsony na levona ilay poizina satria ela sy be pitsiny kokoa ny fomba fandevonany hanina.

Mahavariana ny fandevonan-kanin’ny biby mandinika. Mizara ho kitapo telo na efatra ny vavonin’ny ankamaroany, ary mitovy ny fomba fandevonany sakafo. Mankao amin’ny kitapo voalohany ny sakafo tsy voatsako tsara, avy eo mankao amin’ny faharoa ka lasa malemy sy boribory. Rehefa tsy miraoka ahitra ilay biby ka maka aina, dia misy hozatra mikainkona mamerina an’ilay sakafo ao am-bavany mba hotsakoina sy hafangaro rora indray. Mandalo ny kitapo voalohany sy faharoa ilay izy, ary mankao amin’ny fahatelo rehefa atelina fanindroany. Farany, mankao amin’ny kitapo fahefatra ilay izy ka levona tanteraka.

Nahoana no milaza ny Baiboly fa biby mandinika ny bitrodia?

Diso ny filazan’ny Baiboly hoe biby mandinika ny bitrodia, hoy ny mpitsikera sasany. (Le 11:4, 6; De 14:7) Tsy azo itsarana ny Baiboly anefa ny fanasokajian’ny mpahay siansa ankehitriny ny atao hoe biby mandinika, satria tsy hoatr’izany ny fanasokajiana tamin’ny andron’i Mosesy. Efa nilaza i William Cowper, poety anglisy, tamin’ny taonjato faha-18, fa “mandinika mandra-paharivan’ny andro” ny bitrodia nompiany izay nodinihiny elaela. Nilaza koa i Carl von Linné, mpandinika ny zavaboary tamin’izany, fa biby mandinika ny bitro. Nanamafy izany i Morot, dokotera frantsay mpitsabo biby, izay nahita tamin’ny 1882 fa averin’ny bitro tsakoina ny 90 isan-jaton’ny sakafony isan’andro. Hoy koa i Ivan Sanderson momba ny bitrodia: “Anisan’ny tena mahavariana ny fomba fandevonany hanina, izay mampiavaka ny biby mpikiky maro koa, araka ny fantatra izao, fa tsy ny [bitrodia sy bitro] fotsiny. Raha zava-maitso no misy fa tsy bozaka maina toy ny rehefa ririnina, dia mambosibosika izy sady manao teli-moka. Mbola tsy levona tsara àry ilay sakafo, rehefa avoakany toy ny diky eran’ny tranony. Hohaniny indray ilay izy rehefa afaka kelikely, ary mety ho tsy indray mandeha monja no anaovany izany. Toa ny bitro efa lehibe no tena manao izany.”​—Biby Mampinono Misy Eran-tany, 1955, p. 114.

Nodinihin’ny manam-pahaizana anglisy sasany tao amin’ny laboratoara ny fahazaran’ny bitro, ary navoaka tao amin’ny Gazetin’ny Fikambanana any Londres Mpandinika Biby (1940, Boky Faha-110, p. 159-163) ny voka-pikarohany. Toy izao ny fahazaran’ny bitro: Raha mihinana sakafo maraina na ahi-maitso izy, dia mankao amin’ny tsinaikely ilay izy rehefa avy nandalo tao amin’ny vavoniny, nefa efa misy vongan-tsakafo tokony ho 40 na 50 grama eo amin’ny fidirana amin’ny vavoniny. Mankao amin’ny lohatsinaibe ilay izy avy eo, ka mijanona ao kelikely. Midina ao amin’ny tsinay kosa ireo vongan-tsakafo mandritra ny andro, ary levona ny proteinina amin’ny bakterian’izy ireo. Mankao amin’ny tsinaimainty izy ireo, mandalo an’ilay sakafo mbola ao amin’ny lohatsinaibe, ary tonga ao amin’ny tsinaibe ka tsy mandomando intsony fa lasa diky maina izay havoaka avy eo. Ary ahoana ny amin’ilay sakafo ao amin’ny lohatsinaibe? Midina ao amin’ny tsinaibe ilay izy, kanefa tsy mihamaina rehefa tonga eo amin’ny lava-body fa lasa vongan-kanina vitsivitsy malemilemy, izay samy rakotra ranoka maditidity matevina mba tsy hifampiraikitra. Tsy lasa diky avoakan’ilay bitro anefa izy ireny fa tantazany amin’ny vavany ka ateliny. Midina ao amin’ny fidirana amin’ny vavony ireny, ka mijanona ao mandra-pihinan’ilay bitro sakafo hafa indray. Mandalo indroa ao amin’ny taovam-pandevon-kanina foana àry ny ankamaroan’ny sakafon’ny bitro.

Hoy ny Dr. Waldo Schmitt, lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Fandinihana ny Zavaboary ao Amin’ny Fikambanana Naorin’i Smithson, any Washington: “Toa mitombina ny voka-pikarohana hoe mijanona ao amin’ny lohatsinaiben’ny bitro ny sakafo mbola tsy levona tsara, ary tsakoiny indray ka mandalo fanindroany ao amin’ny taovam-pandevonan-kanina.” Tsy mahagaga àry, hoy izy, raha “lehibe lavitra noho ny an’ny ankamaroan’ny biby mampinono hafa ny lohatsinaiben’ny bitro.”​—Mifohaza! (frantsay), 22 Aprily 1952, p. 3, 4.