Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Biby Mifanaretsaka

Biby Mifanaretsaka

[Heb.: sherets].

“Mifanaretsaka” no dikan’ilay fototeny niavian’io teny io. (Ge 8:17; Ek 8:3) Toa ilazana karazam-biby kely maro be ny anarana azo avy aminy. (Ek 8:3; Sl 105:30; ampit. Ek 1:7.) Ny Genesisy 1:20 no voalohany ahitana ilay anarana. Voalaza ao fa nanomboka nisy zavamananaina nifanaretsaka tao anaty rano, tamin’ny andro famoronana fahadimy. Ringan’ny Safodrano izay ‘biby nifanaretsaka’ tany ivelan’ny sambofiara.​—Ge 7:21.

Anisan’ny biby mifanaretsaka ny hazandrano (Le 11:10); biby manana elatra toy ny ramanavy sy bibikely (Le 11:19-23; De 14:19); biby an-tanety toy ny voalavo, androngo, tanalahy (Le 11:29-31); ary biby mikisaka amin’ny “kibony” sy manan-tongotra maro (Le 11:41-44), araka ny lalàna momba ny biby madio sy maloto. “Maloto” ny ankamaroany, ka tsy azo nohanina.