Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Biby An’ohatra

Biby An’ohatra

Efa hatry ny ela ny olona no nandinika ny toetoetran’ny biby sy ny fahazarany. Nataony sary an’ohatra ilazana olona, firenena, fanjakana, ary fikambanana izany. Misy fanoharana maro toy izany ao amin’ny Baiboly. Asehon’ireo tabilao ato amin’ity lahatsoratra ity ny toetran’ny biby sasany nataon’ny Baiboly sary an’ohatra.

Marika famantarana fanjakana. Resahin’ny Baiboly mivantana ny firenena natanjaka indrindra sasany. Biby no marika famantarana ny fanjakan’izy ireny sy ny an’ny firenen-kafa. Bibilava, ohatra, ny an’i Ejipta, ary nisy sarina kôbrà masina teo amin’ny satrok’ireo Farao. Marika famantarana an’i Ejipta sy Asyria koa ny ombilahy. Voromahery kosa ny an’i Media-Persa (nisy sarina voromahery mivolombolamena ny ampingan’ny Medianina, ary nasian’ny Persianina sarim-boromahery ny tendron’ny lefony). Vorondolo no namantarana an’i Atena, voromahery ny an’i Roma, liona ny an’i Grande-Bretagne, ary voromahery ny an’i Etazonia. Dragona kosa no namantarana an’i Chine hatry ny ela. Malaza koa ilay “voromahery manana loha roa” amantarana an’i Alemaina.

Bibidia ao amin’ny Daniela sy Apokalypsy. Resahin’ireo boky ireo mazava fa fitondrana politika mifehy sy mampihatra fahefana ireo biby an’ohatra. (Da 7:6, 12, 23; 8:20-22; Ap 16:10; 17:3, 9-12) Manana bika samy hafa ireo ‘bibidia’ ireo, nefa misy toetra iombonan’izy rehetra. Samy manohitra ny fitondran’Andriamanitra sy ny Fanjakan’ny Mesia izy ireo. Toherin’izy ireo koa ny ‘olona masina’ nanaovan’Andriamanitra fifanekena, dia ny firenena jiosy sy ny fiangonana kristianina. Firenena natanjaka indrindra eran-tany ireo voaresaka mivantana (Media-Persa sy Gresy) ao amin’ireo boky ireo. Tsy fanjakana kely koa anefa ireo biby hafa rehefa jerena ny habeny na ny zava-bitany. (Oharina amin’ny tandroka indraindray ny fanjakana kely kokoa.) Tia ady daholo izy ireo ary te ho ambony noho ireo firenena na vahoaka tadiaviny hofehezina.​—Ampit. Da 7:17, 18, 21; 8:9-11, 23, 24; Ap 13:4-7, 15; 17:12-14.

Maro ny mpivaofy teny milaza fa tamin’i Jesosy Kristy teto an-tany, fara fahelany, no tanteraka ireo fahitana momba ny bibidia resahin’ny bokin’i Daniela. Ny Fanjakana Romanina no firenena natanjaka indrindra tamin’izay. Asehon’ny faminaniana anefa fa mbola ho tanteraka atỳ aoriana koa ireny fahitana ireny. Hisy amin’ireo bibidia mantsy mbola ho eo rehefa ‘tonga ny fotoana voatondro handraisan’ny olona masin’Andriamanitra an-tanana ny fanjakana’ amin’ny ‘fotoana voatondro, amin’ny fotoanan’ny farany.’ Haringan’ny Mesia mandrakizay ireo bibidia avy eo. (Da 7:21-27; 8:19-25; ampit. Ap 17:13, 14; 19:19, 20.) Nilaza koa i Kristy Jesosy fa mbola hisy hanohitra ny Fanjakan’ny Mesia amin’ny fotoanan’ny farany, ka ho “halan’ny firenena rehetra” ireo mpianany mitory momba ilay Fanjakana. (Mt 24:3, 9-14) Mety ho fantatra ihany àry hoe iza no firenena, indrindra fa ny firenena matanjaka, mifanitsy amin’ireo bibidia an’ohatra amin’ny fotoanan’ny farany.

Bibidia avy ao an-dranomasina hitan’i Daniela. Efa tsy firenena natanjaka intsony i Ejipta sy Asyria, ary efa hifarana koa ny Fanjakana Babylonianina, tamin’i Jehovah Andriamanitra nanome an’i Daniela fahitana momba ny “biby ngezabe efatra” avy tao an-dranomasina. (Da 7:1-3) Oharina amin’ny ranomasina ny olona tafasaraka amin’Andriamanitra. ‘Ny ratsy fanahy dia toy ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony, ary mamoaka ahidranomasina sy fotaka ny ranon’ilay ranomasina.’​—Is 57:20; jereo koa Ap 17:15.

Ampifandraisin’ny mpivaofy teny ara-baiboly io fahitana resahin’ny Daniela toko faha-7 io sy ilay sarivongana ngezabe resahin’ny toko faha-2. Misy itovizana tokoa ilay sarivongana sy ireo bibidia: Misy ampahany efatra ilay sarivongana, ary efatra ireo bibidia. Volamena, izay metaly sarobidy indrindra, ny lohan’ilay sarivongana, ary metaly tsy dia sarobidy ireo tapany ambany. Liona kosa no voalohany amin’ireo bibidia efatra. Miavaka ilay tapany na “fanjakana” fahefatra: Hafakely ny bikabikany, misy lafiny vaovao mampiavaka azy, ary hiharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy io amin’ny fotoanan’ny farany satria manohitra ny fitondrany.

Ireto avy ireo biby efatra: Liona nanana ela-boromahery tamin’ny voalohany ary nomena fon’olombelona; orsa (lehibe sy mavesatra noho ny liona) nihinana nofo be dia be; leopara nanana ela-borona efatra (ka lasa haingam-pandeha kokoa) sy loha efatra; ary bibidia fahefatra tena hafakely, natanjaka tsy nisy hoatr’izany, nanana nify vy lehibe sy tandroka folo ary tandroka iray nisy maso sy “vava namoaka teny feno fireharehana.” Miresaka betsaka momba ilay biby fahefatra sy ny tandrony hafakely ny toko faha-7. “Samy hafa daholo” ireo biby, nefa ilay fahefatra no tena niavaka.​—Da 7:3-8, 11, 12, 15-26.

Lasa firenena natanjaka indrindra tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane i Babylona, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito T.K. Vetivety dia nofeheziny i Syria sy Palestina, ary resiny ny fanjakan’ny Joda sy ireo mpanjaka taranak’i Davida nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana be voninahitr’i Jehovah tao Jerosalema. (1Ta 29:23) Noharin’i Jeremia mpaminany tamin’ny “liona avy tao anaty kirihitra” i Babylona, izay nolazainy fa efa handresy an’i Joda. (Je 4:5-7; ampit. 50:17.) Rehefa rava i Jerosalema, dia nilaza i Jeremia fa “haingam-pandeha noho ny voromahery” ny miaramila babylonianina nanenjika ny Jodianina. (Ft 4:19) Asehon’ny tantara fa tsy ela dia tsy nitatra intsony ny fanjakan’i Babylona, izay efa tonga hatrany Ejipta, ary tsy nanafika firy toy ny taloha intsony ireo mpanjakany rehefa hifarana ilay fanjakana.

Resin’ny Medianina-Persianina avy any amin’ireo havoana atsinanan’ny lemak’i Mezopotamia i Babylona. Taranak’i Sema no nitondra ny Fanjakana Babylonianina. Taranak’i Jafeta (Aryanina) kosa no nitondra ny Fanjakana Medianina-Persianina, izay fanjakana aryanina voalohany lasa natanjaka indrindra tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Mbola nofehezin’ny Medianina-Persianina ny Jiosy, na dia navelany hody tany Joda aza. (Ne 9:36, 37) Te hifehy faritany lehibe kokoa noho ny an’ny Babylonianina io fanjakana io, ka nitariny hatrany “India ka hatrany Etiopia” ny faritaniny.​—Es 1:1.

Resin’ny tafika grika notarihin’i Aleksandra Lehibe anefa ny Fanjakana Medianina-Persianina. Vetivety kely ny nandreseny azy. Tsy ela koa i Aleksandra dia naorina fanjakana nifehy firenena tany Eoropa sy Azia ary Afrika. Io no fanjakana voalohany tany Eoropa lasa natanjaka toy izany. Niady seza ireo jeneralin’i Aleksandra rehefa maty izy, ka nifampizaran’ny jeneraliny efatra ilay fanjakany. Samy te hifehy an’i Palestina ny fanjakan’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus sy ny avy amin’i Ptolémée.

Nofehezin’i Roma tanteraka ny Fanjakana Grika tatỳ aoriana. Niavaka noho ny fanjakana rehetra talohany ny Fanjakana Romanina, satria nifehy faritra lehibe kokoa (eran’ny faritr’i Mediterane ka hatrany amin’ny Nosy Britanika), nahay niady kokoa ny tafiny, ary hentitra kokoa ny fampiharany ny lalàny tany amin’ireo faritany nofeheziny. Ny fanjakan’i Roma koa no namono ny Mesia, na Kristy Jesosy, sy nanenjika ny fiangonana kristianina voalohany. Naharitra efa ho arivo taona ilay fanjakana saingy nanana rafi-pitondrana samihafa. Farany, nizara ho firenena maromaro izy io ka i Grande-Bretagne no lasa natanjaka indrindra.

Hoy i H. Wells, mpahay tantara, momba ny Fanjakana Romanina: “Hafa noho ireo fanjakana lehibe talohany nifehy an’ireo firenena nandroso io fitondrana romanina vao nisondrotra io, izay lasa nifehy an’ireo tany tandrefana tamin’ny taonjato faharoa sy voalohany T.K. Maromaro ny lafiny tsy nampitovy azy ireo. Tsy nanana mpanjaka izy io tamin’ny voalohany, ary tsy naorin’ny mpandresy nalaza iray. ... Izy io no repoblika voalohany tsy nety rava fa nivoatra foana. ... Rehefa jerena ny mponina tao aminy, dia vitsy kokoa ny taranak’i Hama sy Sema, tsy hoatran’ny tao amin’ireo fanjakana teo alohany. ... Sambany teo amin’ny tantara no nisy hoe repoblika aryanina [taranak’i Jafeta] no niandohany, ary avy eo nitatra hatrany. ... Niovaova foana ny rafi-pitondrany. Azo lazaina hoe tsy nahomby ilay [fitantanana fanjakana], ary toy ny hoe mbola andrana foana ilay izy. Mbola karohin’i Eoropa sy Amerika hatramin’izao ny fomba itantanana fanjakana mahafehy an’izao tontolo izao, toy ny nataon’ny Romanina fahiny.”​—Tantara Fohy Momba An’izao Tontolo Izao, 1943, p. 149-151.

Ilay ondrilahy sy ilay osilahy. Nahazo fahitana hafa i Daniela roa taona tatỳ aoriana (Da 8:1), ary nolazaina taminy hoe iza ireo biby roa hitany. Ny fanjakan’i Media-Persa ilay ondrilahy nanana tandroka roa, ary lava kokoa ilay tandroka nipoitra farany. Asehon’ny tantara fa ny Medianina no natanjaka aloha, avy eo vao lasa natanjaka kokoa ny Persianina, na dia fanjakana roa niara-niasa aza izy ireo. Ny fanjakan’i Gresy izay lasa natanjaka indrindra kosa ilay osilahy niriotra nitety ny tany manontolo. (Da 8:3-8, 20, 21) Tapaka ilay “tandroka lehibe” teo anelanelan’ny masony, na ilay mpanjaka voalohany, “raha vao natanjaka”, ary nisy fanjakana efatra nisolo azy, na dia tsy nahery hoatr’azy aza. (Da 8:5, 8, 21, 22) Efa voaresaka teo aloha hoe vetivety kely ny nandresen’i Aleksandra ny Fanjakana Medianina-Persianina, ary nifampizaran’ny jeneraliny efatra ny fanjakany avy eo.

Tsara homarihina fa mety hoharin’ny faminaniana maromaro amin’ny biby an’ohatra samy hafa ny firenena iray ihany na ireo mpanjakany. Resahin’ny Jeremia 50:17 ho toy ny liona, ohatra, ny mpanjakan’i Asyria sy Babylona, fa resahin’ny Ezekiela 17:3-17 ho toy ny voromahery lehibe kosa ny mpanjakan’i Babylona sy Ejipta. Oharin’i Ezekiela amin’ny “biby goavam-be any an-dranomasina” mivalampatra ao amin’ny lakandranon’i Neily koa anefa i Farao mpanjakan’i Ejipta. (Ezk 29:3) Tsy mahagaga àry raha biby samy hafa no anoharana an’i Media-Persa sy Gresy ao amin’ny Daniela toko faha-8 sy ao amin’ny toko faha-7 ary ny faminaniana tatỳ aoriana.

Ilay bibidia nanana loha fito niakatra avy tao amin’ny ranomasina. Nahita bibidia nanana loha fito sy tandroka folo niakatra avy tao amin’ny ranomasina ny apostoly Jaona. Toy ny leopara izy io, nefa toy ny an’ny orsa ny tongony ary toy ny vavan’ny liona ny vavany. (Ap 13) Samy nakany kely àry ny bikabikan’ireo biby efatra hitan’i Daniela. Nanome fahefana sy hery an’io bibidia io ilay dragona, na i Satana Devoly. (Ap 12:9; 13:1, 2) Nanana loha fito (sy tandroka folo) izy io, fa iray avy kosa ny lohan’ireo biby hitan’i Daniela. Isa feno ny isa fito (sy folo) ao amin’ny Baiboly. (Jereo ISA.) Tsy firenena iray na maromaro mantsy no fehezin’io bibidia io, fa “foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra.” (Ap 13:7, 8; ampit. 16:13, 14.) Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny: “Samy ananan’io bibidia io avokoa ny toetoetran’ireo biby efatra hitan’i Daniela ... Ny fanjakana rehetra manohitra an’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao àry io bibidia voalohany [ao amin’ny Ap 13] io.”​—Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 369.

Bibidia nanana tandroka roa. Nahita bibidia hafa niakatra avy tamin’ny tany i Jaona. Nanana tandroka roa hoatran’ny an’ny zanak’ondry izy io, nefa niteny toy ny dragona, ary nampihatra fahefana feno hoatran’ny an’ilay bibidia voalohany. Nampanao ny sarin’ilay bibidia nanana loha fito koa izy io, ka notereny ny olona rehetra hanaiky hasiana ny ‘marik’ilay bibidia.’​—Ap 13:11-17.

I Media-Persa, izay fanjakana roa niara-niasa, ilay ondrilahy nanana tandroka roa hitan’i Daniela. (Da 8) Efa tsy teo intsony anefa io fanjakana io tamin’ny andron’i Jaona, fa zavatra mbola ho avy no hitany. (Ap 1:1) Nisy fanjakana niara-niasa maromaro taorian’ny andron’i Jaona, kanefa ny fiaraha-miasan’i Grande-Bretagne sy Etazonia no tena miavaka sy maharitra ela.

Nisy “vava namoaka teny fireharehana” ny tandrok’ilay biby fahefatra ao amin’ny Daniela 7:8, 20-26. Niteny toy ny dragona koa ilay bibidia nanana tandroka roa. Namitaka ilay ‘mpanjaka nasiaka endrika’ resahin’ny Daniela 8:23-25. “Namitaka” an’ireo mponin’ny tany koa ilay bibidia nanana tandroka roa.​—Ap 13:11, 14.

Ilay bibidia mena midorehitra. Nahita bibidia mena midorehitra nanana loha fito sy tandroka folo i Jaona. Nitaingina azy io ilay vehivavy an’ohatra antsoina hoe “Babylona Lehibe.” (Ap 17) Mitovy amin’ilay bibidia voalohany (Ap 13) izy io, izany hoe sarin’ilay bibidia, saingy mena midorehitra izy io sady tsy nisy satroboninahitra teo amin’ireo tandrony. Teo am-pijerena an’ilay bibidia i Jaona no nilazana fa mpanjaka fito ireo loha fito, efa lavo ny dimy, ny iray mbola eo, ary mbola tsy tonga ny fahafito. Mpanjaka laharana fahavalo ilay bibidia mena midorehitra, nefa avy tamin’ireo fito ihany. Miaraka mampihatra fahefana amin’ilay bibidia mandritra ny fotoana kelikely ireo tandroka folo na “mpanjaka folo.” Hiady amin’ny Zanak’ondry na Jesosy Kristy sy ireo miaraka aminy izy ireo, nefa ho resy.​—Ap 17:3-5, 9-14.

Misy manam-pahaizana milaza hoe i Roma mpanompo sampy io bibidia mena midorehitra io, ary mpanjaka fito nodimbiasan’ny mpanjaka iray fahavalo tao Roma ireo loha fito. Tsy mitovy hevitra anefa izy ireo hoe iza avy ireo mpanjaka ireo. Anarana mpanjaka romanina telo monja no resahin’ny Baiboly, ary ataony fotsiny hoe “Kaisara” ny fahefatra (Néron). Takatry ny manam-pahaizana hafa kosa fa firenena matanjaka ireo “loha” na “mpanjaka”, toy ny ao amin’ny bokin’i Daniela ihany. Milaza ny anaran’ny firenena matanjaka dimy ny Soratra Hebreo: I Ejipta, Asyria, Babylona, Media-Persa, ary Gresy. Milaza ny anaran’ilay fahenina kosa ny Soratra Grika, dia i Roma, izay nitondra tamin’ny andron’i Jaona. Tsy voalaza ny anaran’ilay “mpanjaka” fahafito, satria mbola tsy nisy izy io tamin’i Jaona nanoratra ny Apokalypsy. Azo lazaina hoe mitambatra ao amin’ilay mpanjaka fahavalo (na ilay bibidia mena midorehitra) daholo ireo loha fito. Avy amin’izy ireo ihany koa anefa ilay mpanjaka.

[Tabilao, pejy 316]

TOETRA TSARAN’IREO BIBY SY SARY AN’OHATRA

BIBY

TOETOETRANY

SARY AN’OHATRA

Amboadia

Mpiady

Fokon’i Benjamina niady tamin’ny fahavalon’Andriamanitra (Ge 49:27)

Ampondra

Afaka miasa mafy

Fokon’i Isakara nanaiky hiasa mafy (Ge 49:14, 15)

Bibilava misy tandroka

Mampidi-doza

Fokon’i Dana, vodilaharana mpiaro ny Israely (Ge 49:17)

Ela-boromahery

Matanjaka rehefa manidina

Tanjaka mamelombelona, fiaretana (Sl 103:5; Is 40:31)

Miahy, miaro

Jehovah miahy ny Israely (Ek 19:4) sy an’ilay ‘vehivavy’ vadiny (Ap 12:14)

Gazela (sy biby iray karazana aminy)

Tsara tarehy, mahatehotia

Haingam-pandeha

Mpiandry ondry tia an’ilay Solemita (To 2:9)

Gadita mpiady haingam-pandeha (1Ta 12:8)

Liona

Heni-kaja, be herim-po, mandripaka fahavalo

Rariny, toetran’ilay “zavamananaina” eo akaikin’ny seza fiandrianan’i Jehovah (Ap 4:7)

Jesosy mpanjaka heni-kaja, hampihatra ny rariny (Ge 49:9; Ap 5:5)

Jehovah (Is 31:4; Ho 11:10)

Vahoakan’i Jehovah (Mi 5:8)

Menarana (bibilava)

Malina (Ge 3:1)

Mpanompon’Andriamanitra malina (Mt 10:16)

Ombilahy

Matanjaka, mahery (Jb 39:9-11)

Hery, toetran’ilay “zavamananaina” eo akaikin’ny seza fiandrianan’i Jehovah (Ap 4:7)

Ondry

Fanao sorona; malemy paika, mora manaiky, manao andiany

Jesosy Kristy “Zanak’ondrin’Andriamanitra” (Jn 1:29; Ap 5:6; 14:1; 22:3)

Olon’i Jehovah (Sl 79:13; Jn 10:7; He 13:20)

Olona manao soa amin’ny rahalahin’i Kristy ka hahazo an’ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana (Mt 25:32-34)

Osy

Fanao sorona

Jesosy Kristy natao sorona (He 9:11-14)

Reniakoho

Miaro ny zanany

Fiahian’i Jesosy (Mt 23:37; Lk 13:34)

Serfavavy

Haingam-pandeha

Fokon’i Naftaly haingam-pandeha rehefa niady (Ge 49:21)

Tsy mora lavo

Tarihin’i Jehovah sy ataony tsy mangozohozo (2Sa 22:34; Sl 18:33)

Mahatehotia

Vady (Oh 5:19)

Soavaly (fotsy)

Fitondra miady

Ady ara-drariny (Ap 19:11, 16)

Trondro

Trondro madio araka ny Lalàna (Le 11:9)

Olona tsara, marina, mendrika ho ao amin’ilay Fanjakana (Mt 13:47-50)

Vantotr’ombilahy (zanak’omby)

Fanao sorona

Vokatry ny molotra, sorona fiderana (Ho 14:2; He 13:15)

Jesosy Kristy natao sorona (He 9:11-14)

Voromahery

Mahita lavitra

Fahendrena, toetran’ilay “zavamananaina” eo akaikin’ny seza fiandrianan’i Jehovah (Ap 4:7)

Mpanompon’Andriamanitra mahay manavaka sy mahatsinjo lavitra (Mt 24:28; Lk 17:37)

Voromailala (domohina)

Mahatehotia, tsara tarehy, tsy manan-tsiny

Tovovavy solemita (To 1:15; 5:2)

Mpanompon’Andriamanitra tsy manan-tsiny, tsy mpandika lalàna (Mt 10:16)

Mahalala mody

Vahoaka angonin’i Jehovah (Is 60:8)

[Tabilao, pejy 318, 319]

TOETRA RATSIN’IREO BIBY SY SARY AN’OHATRA

BIBY

TOETOETRANY

SARY AN’OHATRA

Alika

Masiaka, maloto, miara-manafika, te hanao firaisana foana

Fahavalon’i Davida (Sl 22:16; 59:6, 14)

Mpanao firaisana mamoafady (De 23:18; Fi 3:2; Ap 22:15)

Olona tsy misy ilana azy (2Sa 16:9)

Mpiandry ratsy fanahy teo amin’ny Israely (Is 56:10, 11)

Fiheveran’ny Jiosy fahiny ny hafa firenena tsy mifora (Mt 15:26, 27)

Mpivadi-pinoana (2Pe 2:22)

Amboadia

Fetsy

Heroda Antipasy mpanjaka mpamitaka (Lk 13:32)

Masiaka, mirangorango, fetsy

Mpaminany sandoka (Mt 7:15)

Ratsy fanahy mihambo ho Kristianina; mpampianatra sandoka (As 20:29)

Ratsy fanahy eto amin’ity tontolo ity (Mt 10:16)

Ampondra

Maniry mafy hanao firaisana

Joda nivadika ka niantehitra tamin’i Asyria sy Ejipta (Ezk 23:20)

Biby rehetra

Tsy misaina

Olona ratsy fanahy (2Pe 2:12; Jd 10)

Dragona

Mandrapaka, manorotoro, mitelina

Satana Devoly (Ap 12:9)

Mpanjakan’i Babylona (Je 51:34, Kat.)

Kankana

Ambany, malemy, tsy misy dikany

Israely (Jakoba) firenen’Andriamanitra, nalemy nefa nomeny hery (Is 41:13-15)

Kisoavavy

Maloto

Mpivadi-pinoana (2Pe 2:22)

Leopara

Haingam-pandeha

Vetivety kely ny fandresen’ny Kaldeanina (Ha 1:8)

Fanjakana Grika (Da 7:6)

Liona

Masiaka, mirangorango, mpiremby

Fahavalon’i Davida (Sl 22:13)

Fanjakana Babylonianina (Da 7:4)

Mpanjakan’i Asyria sy Babylona (Je 50:17)

Devoly (1Pe 5:8)

Menarana

Fetsy, mamitaka (2Ko 11:3)

Satana Devoly (Ap 12:9)

Ombilahy

Masiaka

Fahavalon’i Davida (Sl 22:12)

Ondrilahy

Manoto

Fanjakana Medianina-Persianina (Da 8:3, 4, 20)

Orsa

Masiaka

Mpitondra ratsy fanahy (Oh 28:15)

Fanjakana Medianina-Persianina (Da 7:5)

Osy

Mafy loha, tsy tia fehifehezina, manoto

Ireo tsy tia ny rahalahin’i Kristy, “voaozona” haringana (Mt 25:32, 41, 46)

Fanjakana Grika (Da 8:5, 21)

Ramevavavy

Mirenireny noho ny faniriany

Israely nivadika ka niantehitra tamin’ny firenena mpanompo sampy sy ny andriamanitr’ireny (Je 2:23)

Soavaly

Ilaina amin’ny ady (Jb 39:19-25)

Ady, fitaovam-piadiana (Sl 33:17; 147:10; Is 31:1; Je 4:13)

Maniry mafy hanao firaisana

Israelita adalam-piraisana tamin’ny andron’i Jeremia (Je 5:8)

Trondro

Trondro maloto araka ny Lalàna (Le 11:10-12)

Olona ratsy fanahy tsy mendrika ho ao amin’ilay Fanjakana (Mt 13:47-50)

Voromahery

Mirangorango, mpiremby

Mpanjakan’i Babylona sy Ejipta (Ezk 17:3, 7, 12, 15)

Voromailala

Varimbariana, miovaova hevitra, mora ambakaina

Fanjakan’ireo foko folon’ny Israely (Ho 7:11)

Zebravavy

Mitady lahy hatraiza hatraiza

Israely nivadika ka niantehitra tamin’ny firenena mpanompo sampy sy ny andriamanitr’ireny (Je 2:24)