Bigtana
(Bigtàna).
Iray amin’izy roa lahy mpiandry varavarana tao an-dapan’i Persa, nitetika ny hamono an’i Ahasoerosy Mpanjaka. Fantatr’i Mordekay ilay tetika, ka nolazainy tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka. I Estera kosa nilaza izany tamin’ny mpanjaka. Nahantona àry i Bigtana, ary nosoratana tao amin’ny boky mirakitra ny tantaran’ny mpanjaka izany.—Es 2:21-23; 6:2.