Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Binoy

Binoy

(Binòy) [fanafohezana ny hoe Benaia, izay midika hoe “Nanorina i Jehovah”].

1. Lehilahy teo amin’ny Israely. Nisy 600 mahery ny taranany niverina tany Jerosalema tamin’ny 537 T.K. (Ne 7:6, 7, 15) Bany no iantsoana azy ao amin’ny Ezra 2:10.

2. Levita niara-niverina tamin’i Zerobabela tamin’ny 537 T.K. (Ne 12:1, 8) I Noadia zanany lahy no anisan’ireo niandraikitra ny fitaovana fanampiny tao amin’ny tempoly tao Jerosalema, izay nentin’i Ezra tamin’ny 468 T.K.​—Ezr 8:33.

3. “Taranak’i Pahata-moaba.” Anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena niaraka tamin’ny zanany, noho ny fampirisihan’i Ezra.​—Ezr 10:30, 44.

4. Israelita nanana taranaka maromaro nandroaka ny vadiny hafa firenena.​—Ezr 10:38, 44.

5. Israelita nanampy an’i Nehemia hanorina indray ny mandan’i Jerosalema. (Ne 3:24) Zanakalahin’i Henadada izy, ary mety ho izy ihany ilay Binoy No. 6.

6. Levita taranak’i Henadada. Mety ho razamben’ny iray tamin’ireo nanaiky an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia izy. Raha izany no izy, dia mety ho izy ihany ilay Binoy No. 2. (Ne 9:38; 10:1, 9) Raha toa kosa ka i Binoy mivantana fa tsy ny iray tamin’ny taranany no nanisy tombo-kase an’ilay fifanekena, dia mety ho izy ihany ilay Binoy No. 5. Mety ho olon-kafa mihitsy koa anefa ity Binoy ity.