Biriky
Feta tany na tanimanga ampiasaina hanorenana rehefa maina. Nampiasaina hatry ny ela tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane ny biriky (heb.: levenah). Tsy nisy vato teny akaikin’ny toerana nanorenana an’i Babela fahiny, ka biriky no natao solom-bato ary godorao no solon-drihitra. Toa ‘nodorana’ tao anaty lafaoro ireo biriky. (Ge 11:3) Nanao biriky ny Israelita andevo tany Ejipta fahiny. Noterena hanao biriky nitovy isa tamin’ny teo aloha izy ireo, nefa tsy maintsy nitady mololo koa. (Ek 5:7-19) Mbola biriky no nanorenan’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, na dia toa be mpitia kokoa aza ny vato. (Is 9:10) Be vato ny havoanan’i Palestina, saingy tsy dia tsara hanaovana fanorenana ny vato tany amin’ny toerana sasany. Biriky àry no nanaovana ny manda sy trano teny amin’ny faritra iva, toy ny tao amin’ny tanànan’i Jeriko sy Eziona-gebera. Trano biriky tany sy vato voapaika ny trano any amin’ny faritra sasany any Syria sy Palestina ankehitriny, ka ny rindrina fafazan’ny oram-baratra amin’ny ririnina no atao vato voapaika.
Nesorina aloha ny fakofako tamin’ny feta na tanimanga hatao biriky. Nafangaro mololo na tahon-javamaniry hafa notetitetehina madinika avy eo ilay feta. Nampiasaina tokoa ny mololo, satria hoy ny Papyrus Anastasi avy any Ejipta fahiny: “Tsy hita izay olona hanao biriky tao anaty lasitra, ary tsy nisy mololo teny akaiky teny.” (Fiainana Tany Ejipta Fahiny, nataon’i A. Erman, 1894, p. 117) Tsy nisy mololo ny biriky sasany hita tany Ejipta, nefa naningana ihany izany. Misy koa milaza hoe tsy nasian’ny Israelita mololo ny biriky nataony rehefa noterena hitady mololo izy ireo. Tsy mitombina anefa izany. Mora volavolaina ny tanimanga rehefa afangaro mololo, ary avo telo heny noho ny mahazatra ny hamafin’ny biriky, araka ny andrana natao tato ho ato.
Nolemana ilay feta na tanimanga niharo mololo, nohitsakitsahina, ary novolavolaina na natao tao anaty “lasitra fanaovam-biriky” (heb.: malben; Na 3:14) (lasitra hazo nisy lafiny efatra). Toa nasiana vovoka ny lafin’ireo lasitra ka mora nesorina ny biriky. Matetika ny biriky mbola mando no nasiana marika famantarana mpanjaka, ary avy eo nohamainina tamin’ny masoandro na nodorana tao anaty lafaoro.
Nodorana tao anaty lafaoro ny biriky nanaovana ny manda mbamin’ny rindrin’ny lapa sy ny gorodony, tany Babylonia. Indraindray nanaovana ny aty rindrina ny biriky nohamainina tamin’ny masoandro, na nampifandimbiasina tamin’ny biriky nodorana tao anaty lafaoro rehefa nanaovana rindrina (iray metatra na mahery ny hateviny). Ny biriky nohamainina tamin’ny masoandro no toa be mpampiasa tany Ejipta, Asyria, ary Palestina. Tsy tsara hoatran’ny biriky nodorana ireny satria mora potiky ny tondra-drano, ary nifintina rehefa nodanihin’ny hainandro be. Nisy naharitra taonjato maro ihany anefa ny biriky nohamainina tamin’ny masoandro, toy ireo tao Eziona-gebera.—Jereo LAFAORO FANDOROANA BIRIKY.
Ela be vao hita ny toerana nisy ny tanàna fahiny sasany, satria biriky nohamainina tamin’ny masoandro no nanaovana azy. Potipotika mantsy ireo biriky, ary lasa dongon-tany nitovy loko tamin’ny tany manodidina ireo tanàna. Matetika no dongon-tany sisa ny tanàna rava maromaro any Palestina sy Syria.
Isan-karazany ny habe sy bikan’ny biriky. Mahitsizoro ny tany Ejipta, ary nanaovana andohalambo ny biriky efajoro izay nivelatra kokoa ny sisiny ambony. Nirefy 36-51 sm teo ho eo ny lavan’ny biriky ejipsianina, 15-23 sm teo ho eo ny sakany, ary 10-18 sm teo ho eo ny hateviny. Nisy biriky efamira, boribory lavalava, telozoro, ary efajoro fa nivelatra kokoa ny sisiny ambony, hita tany Babylonia. Efamira anefa ny biriky natao nanomboka tamin’ny andron’i Nebokadnezara, ka 30 sm teo ho eo ny lafiny.
Nanolotra setroka ho sorona teny ambonin’ny biriky ny Israelita tamin’ny andron’i Isaia. Mety ho ny tokotanin’ny toerana nanaovany sorona ilay izy na ny tailan’ny tafo.—Is 65:3.