Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Birzavita

Birzavita

(Birzavìta).

Anarana hita ao amin’ny lisitry ny taranak’i Asera, ary anisan’ny fianakavian’i Malkiela. (1Ta 7:30, 31) Ny anaran’i Birzavita ihany no tsy hita ao amin’ny Genesisy 46:17, izay misy filazana tetirazana mitovy amin’ny ao amin’ny 1 Tantara 7:30, 31. Misy àry mihevitra an’i Birzavita ho toerana nonenan’ny taranak’i Malkiela, na faritra niandraiketan’i Malkiela ka izy no lehiben’ny mponina tao. Mitovy amin’izany ny hoe i Sobala no “rain’i Kiriata-jearima” ary i Salma no “rain’i Betlehema.” (1Ta 2:51, 52) Misy milaza fa raha toerana i Birzavita, dia tsy iza fa i Birzeit, any amin’ny 21 km avaratra avaratrandrefan’i Jerosalema. Tsy mitombina anefa izany, na dia mitovitovy aza ireo anarana ireo. Tsy ao amin’ny faritanin’i Asera mantsy no misy an’i Birzeit fa ao amin’ny faritanin’i Efraima, any akaikin’ny sisin-tany atsimo.