Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boanerjesy

Boanerjesy

(Bôanerjèsy) [Zanaky ny Varatra].

Ao amin’ny Marka 3:17 ihany no misy an’io teny semitika io sy ny dikany. Anaram-bosotra nomen’i Jesosy ny apostoly Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izy io noho izy ireo nafana fo be. (Lk 9:54) Tsy nampiasaina firy anefa izy io, tsy hoatran’ny hoe Petera, izay anarana vaovao nomena an’i Simona.