Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boaty Misy Andininy ao Amin’ny Soratra Masina

Boaty Misy Andininy ao Amin’ny Soratra Masina

Boaty kely misy ampahany efatra amin’ny Lalàna (Ek 13:1-10, 11-16; De 6:4-9; 11:13-21), ary nataon’ny lehilahy jiosy teo amin’ny handriny sy ny tanany havia. Hoy Ny Rakipahalalana Jiosy (1976, Boky Faha-10, p. 21) momba ireo boaty ireo: “Andininy efatra ao amin’ny Baiboly no nahatonga ny Raby handidy ny hitondrana fylakitera (Deot. 6:8; 11:18; Eks. 13:9, 16). Ara-bakiteny no nandraisan’ny ankamaroan’ny mpivaofy teny an’ireo andininy ireo ... fa ny Raby kosa nihevitra hoe toro lalana fotsiny no ao amin’ny Baiboly, fa mifototra tanteraka amin’ny lovantsofina sy ny fanatsoahan-kevitr’izy ireo ny fampiharana azy.”

Nokianin’i Kristy Jesosy ny mpanora-dalàna sy Fariseo, satria ‘nohalehibeaziny ny azy ilay boaty ataony ody fiarovan-tena, izay misy andininy ao amin’ny Soratra Masina.’ (Mt 23:5) Te hiseho ho fatra-panaja ny Lalàna mantsy izy ireo. Nilaza i Jesosy fa noheverin’ny mpitondra fivavahana ho ody fiaro ireny boaty ireny. Midika hoe toby mpitily, manda, na fiarovana ny teny grika hoe fylakteriôn.​—Jereo FEHILOHA EO AMIN’NY HANDRINA.