Boaza, I
(Bôàza) [mety hidika hoe Amin-kery].
Lehilahy “mpanankarem-be” nanan-tany tao Betlehema tany Joda, tamin’ny taonjato faha-14 T.K. tany ho any. (Rt 2:1) Zanak’i Salma (Salmona) sy Rahaba izy, ary rain’i Obeda. (Mt 1:5) Taranaka fahafito avy tamin’i Joda izy, ary anisan’ny razamben’ny Mesia. (1Ta 2:3-11; Lk 3:32, 33) Voatantara ao amin’ny bokin’i Rota ny zava-nitranga hafakely nahatonga ny anaran’i Boaza ho ao amin’ny tetirazan’i Jesosy.
Mpihavana akaiky i Boaza sy Elimeleka, izay niteraka roa lahy. Maty anefa i Elimeleka sy ny zanany roa lahy tatỳ aoriana, ka tsy nanan-janakalahy handova izy ireo. I Rota no vadin’ny iray tamin’izy roa lahy, ary tsy nety nandao an’i Naomy vady navelan’i Elimeleka izy. Fotoam-pijinjana tamin’izay, ary “sendrasendra” no nijinjany teo amin’ny sahan’i Boaza. (Rt 2:3) Jodianina mpivavaka tamin’i Jehovah i Boaza. Hoy izy rehefa niarahaba an’ireo mpijinja: “Homba anareo anie i Jehovah!” Hoy koa izy tamin’i Rota, izay fantany fa tsy nandao an’i Naomy: ‘Hamaly soa ny nataonao anie i Jehovah, ary hahazo valisoa tonga lafatra avy amin’i Jehovah anie ianao!’ (Rt 2:4, 12) Notantarain’i Rota tamin’ny rafozambaviny izany, ka niteny i Naomy hoe: “Hitahy azy anie i Jehovah ... Anisan’ny mpanavotra antsika [izy].” (Rt 2:20) Nohazavain’i Naomy taminy koa hoe inona no tokony hataony mba hanavotan’i Boaza azy, araka ny fomba amam-panao tamin’izany. Nifarana ny fijinjana ka natory teny am-pamoloana i Boaza. Taitra anefa izy fa tsy nirako-damba intsony ny tongony. Hay i Rota no efa natory teo! Niangavy an’i Boaza hitondra loloha azy i Rota mba hanavotana ny fananan’i Elimeleka. (Jereo LOLOHA.) I Rota no hisolo toerana an’i Naomy, izay tsy afa-niteraka intsony. Ny ampitson’iny ihany i Boaza dia niantso an’ilay havana akaiky kokoa mba hanavotra an’i Rota. Tsy nanaiky an’ilay fandaharana nataon’Andriamanitra anefa ralehilahy, izay antsoina fotsiny hoe “ingahy” ao amin’ny Baiboly. I Boaza kosa nanaiky avy hatrany ka naka vady an’i Rota. Nitso-drano azy ny olona tao an-tanàna. Niteraka an’i Obeda, raiben’i Davida Mpanjaka, izy mivady.—Rt 3:1–4:17.
Lehilahy niavaka i Boaza rehefa dinihina ilay tantara, nanomboka tamin’izy niarahaba tamin-katsaram-panahy ny mpiasany ka hatramin’izy nanaiky hamelo-maso an’i Elimeleka. Tsy nisalasala nanao zavatra izy sady nanam-pahefana, nefa koa nahafehy tena, nanam-pinoana, tsy nivadika, nalala-tanana sy tsara fanahy, tsara fitondran-tena, ary nankatò an-tsakany sy an-davany ny didin’i Jehovah.