Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boaza, II

Boaza, II

(Bôàza) [mety hidika hoe Amin-kery].

Ilay farany avaratra tamin’ireo andry roa varahina ngezabe teo anoloan’ny tilikambo fidirana amin’ilay tempolin’i Solomona. Mety hidika hoe “Amin-kery” ny hoe Boaza. Ilay andry teo atsimo kosa natao hoe Jakina, midika hoe “[I Jehovah] Anie Hanamafy Orina.” Azo atambatra sy vakina toy izao àry ireo teny ireo (avy eo ankavanana miankavia ary mitodika miantsinanana ilay mamaky azy): ‘[I Jehovah] anie hanamafy orina [ny tempoly] amin-kery.’​—1Mp 7:15-21; jereo LOHA ANDRY.