Bokia
(Bokìa) [avy amin’ny fototeny midika hoe “tavoara”].
Zanakalahin’i Hemana avy amin’ny fokon’i Levy. Voafidy tamin’ny antsapaka izy mba ho lehiben’ny fizarana faha-6 rehefa nalamin’i Davida ho antokony 24 ny mpitendry zavamaneno tao amin’ny toerana masin’i Jehovah. Nisy 12 ry Bokia sy ny zanany ary ny rahalahiny nanampy azy.—1Ta 25:1, 4, 9, 13, 31.