Bokima
(Bokìma) [Mpitomany].
Toerana nananaran’ny anjelin’i Jehovah an’ireo Israelita tsy niraharaha ny fampitandreman’i Jehovah fa mbola nanao fifanekena tamin’ireo mpanompo sampy nonina tao amin’ilay tany ihany. Ny fitomanian’izy ireo taorian’izay no niavian’ilay anarana. (Mpts 2:1-5) Tsy fantatra ny toerana nisy azy io. Mety ho tany andrefan’i Gilgala anefa izy io rehefa jerena ilay hoe “niakatra avy tany Gilgala ... ka nankany Bokima.” I Gilgala kosa tany amin’ny lohasaha ivan’i Jordana.