Boky Dimy Voalohany
Antsoina koa hoe Pentateoka na Pentatioka (teny grika nogasina midika hoe “horonam-boky dimy”). Ireto avy izy ireo: Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, ary Deoteronomia.
Votoatiny. Ampahany lehibe amin’ny Tenin’Andriamanitra ny Boky Dimy Voalohany, satria izay voalaza ao no iaingan’ny boky hafa rehetra. Tantarain’ny Genesisy (boky voalohany) ny famoronana, ny tantaran’olombelona tao Edena, ny tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny ka hatramin’ny nahafatesan’i Josefa (“tany am-piandohana” ka hatramin’ny 1657 T.K.). Resahin’ny Eksodosy (boky faharoa) izay nitranga rehefa maty i Josefa, ny nahaterahan’i Mosesy fony andevo ny Israelita, ny nanafahan’Andriamanitra azy ireo tany Ejipta, ny nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna tao Sinay, ary ny nanorenana ny tranolay masina izay foiben’ny fivavahana marina tany an-tany efitra (1657-1512 T.K.). Zava-nitranga naharitra iray volana teo ho eo monja (1512 T.K.) no resahin’ny Levitikosy (boky fahatelo), nefa ahalalana ny asa fisoronan’ny Levita, ny nanendrena azy ireo, ny andraikiny, ary ny lalàna sy fitsipika momba ny fomba hanohanan’ny fiangonana ny fivavahana amin’i Jehovah. Resahin’ny Nomery (boky fahefatra) ny nanisana ny Israelita rehefa nanomboka sy rehefa vita ny diany tany an-tany efitra, ny zava-nitranga tany nandritra ny 40 taona (hatramin’ny 1473 T.K.), ary ny lalàna maro ao anatin’ilay fifanekena nifanaovan’ilay firenena tamin’i Jehovah. Ny Deoteronomia (boky fahadimy) kosa miresaka zava-nitranga naharitra roa volana teo ho eo (1473 T.K.), manazava ampahany amin’ny Lalàna, ary manome lalàna maro nilain’ny Israelita nitoby teo amin’ny Tany Lemak’i Moaba, tamin’izy ireo efa hanafika sy hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Resahin’ny toko faramparany fa notendrena ho mpitarika i Josoa, ary maty i Mosesy.
Mpanoratra. Fantatra avy amin’izay voalazan’ny andininy maromaro fa i Mosesy no nanoratra ny Boky Dimy Voalohany, na dia tsy milaza izany mivantana aza ny Baiboly. (Ek 17:14; 24:4; 34:27; No 33:2; De 31:9, 19, 22, 24-26) Misy ampahany maro amin’ireo boky ireo koa mirakitra ny teniny, toy ilay resaka nataony tamin’ny Hebreo iray (Ek 2:13, 14), ny tsodranony farany (De 33:1-29), ary ireo lahateny lava (De 1:1; 5:1; 27:1; 29:2; 31:1) sy hira malaza nataony. (Ek 15:1-19; De 31:30–32:43) Toy izao no fanombohan’ny toko 20 amin’ireo toko 27 ao amin’ny Levitikosy: ‘Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy.’ (Nampitain’i Mosesy tamin’ny vahoaka ilay teny avy eo.) Miverina in-50 mahery ao amin’ny Nomery koa ireo teny ireo. Porofoin’izay voalazan’ny Boky Dimy Voalohany àry, afa-tsy ny ao amin’ny toko farany amin’ny Deoteronomia, fa i Mosesy no nanoratra azy dimy.
Asehon’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly fa nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ny Boky Dimy Voalohany. (Js 1:7; Mpts 3:4; 2Mp 18:6; Ml 4:4) Nilaza izany koa ry Davida (1Mp 2:1-3), Daniela (9:11), Ezra (6:18), Nehemia (8:1), Jesosy (Mr 12:26; Lk 16:29; Jn 7:19), Lioka (24:27), ary Jaona (1:17). Nilaza mivantana mihitsy koa i Jesosy (Mr 10:3-5; Jn 5:46, 47) sy ny Sadoseo (Mr 12:18, 19) hoe i Mosesy ilay mpanoratra.