Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Ekena ho Anisan’ny Soratra Masina

Boky Ekena ho Anisan’ny Soratra Masina

Natao fandrefesana ny bararata (heb.: kaneh), fahiny. (Ezk 40:3-8; 41:8; 42:16-19) Kanôn no teny nampiasain’ny apostoly Paoly hilazana ny “faritany” nofaritana ho anjarany, sy ny “fitsipi-pitondran-tena” tokony harahin’ny Kristianina. (2Ko 10:13-16; Ga 6:16) Ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Masina kosa no mirakitra ny fitsipika mamaritra ny atao hoe finoana sy foto-pinoana ary fitondran-tena tsara.​—Jereo BAIBOLY.

Tsy voatery ho avy amin’Andriamanitra na ekena ho anisan’ny Soratra Masina rehefa boky ara-pivavahana voaro hatry ny ela sady tian’ny olona an-tapitrisany. Tsy maintsy misy porofo hoe Andriamanitra no nampanoratra azy tamin’ny alalan’ny fanahiny masina. Hoy ny apostoly Petera: “Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.” (2Pe 1:21) Mahafeno izany fepetra izany ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Masina.

Soratra Hebreo. I Mosesy no voalohany nanoratra boky ao amin’ny Baiboly, tamin’ny 1513 T.K. Hita ao ireo didy sy fitsipika nomen’Andriamanitra an’i Adama, Noa, Abrahama, Isaka, ary Jakoba, mbamin’ny Lalàn’i Mosesy. Ny Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, ary Deoteronomia no Boky Dimy Voalohany. Toa i Mosesy koa no nanoratra ny bokin’i Joba, izay miresaka ny zava-nitranga taorian’ny nahafatesan’i Josefa (1657 T.K.) sy talohan’ny nanaporofoan’i Mosesy fa tsy nivadika izy. ‘Tsy nisy tahaka an’i Joba tetỳ ambonin’ny tany’ tamin’izany. (Jb 1:8; 2:3) I Mosesy koa no nanoratra ny Salamo faha-​90, ary angamba ny faha-91.

Tena avy amin’Andriamanitra sy ny herin’ny fanahy masina ireo boky nosoratan’i Mosesy, ary manampy antsika hanaraka ny fivavahana madio. Tsy i Mosesy akory no te ho mpitarika ny Israelita, satria tsy nety izy aloha rehefa notendrena. (Ek 3:10, 11; 4:10-14) Andriamanitra kosa no nanendry azy sy nanome fahefana azy hanao fahagagana. Na ireo mpisoron’i Farao nampiasa herin’ny maizina aza niaiky fa nampian’Andriamanitra izy. (Ek 4:1-9; 8:16-19) Tsy fanirian’i Mosesy àry ny hiteny imason’olona sy hanoratra. Nankatò an’Andriamanitra kosa izy, ary nahazo fanahy masina vao sahy niteny sy nanoratra boky lasa anisan’ny Baiboly.​—Ek 17:14.

I Jehovah no voalohany nanoratra didy aman-dalàna. Niresaka tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay izy, ary avy eo “nomeny azy ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona, dia ny takela-bato nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra.” (Ek 31:18) “Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy [tatỳ aoriana]: ‘Soraty ireo teny ireo.’” (Ek 34:27) I Jehovah àry no niresaka tamin’i Mosesy sy nandidy azy hanoratra an’ireo Boky Dimy Voalohany. Avy amin’Andriamanitra izy ireo, ka tsy nila konsily hilaza hoe ekena ho anisan’ny Soratra Masina.

‘Rehefa voasoratr’i Mosesy tao amin’ny boky avokoa ny teny ao amin’ny lalàna’, dia nodidiany ny Levita hoe: “Aoka halaina ity boky misy ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitrareo, ary aoka izy io ho vavolombelona eo hiampanga anareo.” (De 31:9, 24-26) Neken’ny Israelita hoe avy amin’Andriamanitra ireo boky nosoratan’i Mosesy. Tsy nolavin’ilay firenena mihitsy ireo boky ireo, na dia mitantara imbetsaka ny zava-dratsy nataony aza.

I Mosesy sy ireo mpisorona no nasain’Andriamanitra nitahiry an’ireo didy voarakitra an-tsoratra sy nampianatra izany ny vahoaka. Mbola tao anatin’ny Vata masina ny takela-bato roa (1Mp 8:9), rehefa nentina tao amin’ny tempolin’i Solomona ilay Vata (1026 T.K.), efa ho 500 taona taorian’ny nanombohan’i Mosesy nanoratra ny Boky Dimy Voalohany. Mbola nohajaina “ny boky misy ny lalàna” hita tao an-tranon’i Jehovah tamin’ny faha-18 taona nanjakan’i Josia (642 T.K.), 384 taona tatỳ aoriana. (2Mp 22:3, 8-20) “Nifaly be” koa ny vahoaka avy natao sesitany tany Babylona, rehefa namakian’i Ezra ny boky misy ny Lalàna, tamin’ny fivoriambe iray naharitra valo andro.​—Ne 8:5-18.

Nanoratra boky (Josoa, Mpitsara, Rota, 1 sy 2 Samoela) i Josoa, Samoela, Gada ary Natana, rehefa maty i Mosesy. Anisan’ny nanoratra koa i Davida sy Solomona Mpanjaka. Nisy mpaminany koa mpanoratra Baiboly, nanomboka tamin’i Jona ka hatramin’i Malakia. Nomen’Andriamanitra fahaiza-maminany izy ireo, ary tena mpaminany satria nahafeno an’ireto fepetra ireto: Niteny tamin’ny anaran’i Jehovah izy ireo, tanteraka ny faminaniany, ary nanampy olona hanatona an’Andriamanitra izy ireo. (De 13:1-3; 18:20-22) Samy niteny tamin’ny anaran’i Jehovah, ohatra, i Hanania sy Jeremia, fa i Jeremia ihany no nandrisika ny olona hatoky an’i Jehovah, ary tanteraka ny teniny. Tena mpaminanin’i Jehovah àry izy.​—Je 28:10-17.

Nomen’i Jehovah ny fanahiny masina ireo mpanoratra. Notarihiny sy narahiny maso koa ny asan’ireo nanambatra sy nitahiry an’ireo boky masina, mba hisy toro lalana foana momba ny atao hoe fivavahana marina. Resahin’ny lovantsofina jiosy fa nanao asa toy izany i Ezra, rehefa tafaverina tany Joda ny Jiosy avy tany an-tsesitany. Mpanoratra Baiboly mantsy izy, mpisorona, ary ‘tena havanana tamin’ny fanaovana dika soratra ny lalàn’i Mosesy.’ (Ezr 7:1-11) Feno ny Soratra Hebreo raha vao vita ny bokin’i Nehemia sy Malakia, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahadimy T.K. Ireo boky tamin’izany ihany no boky anisan’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Baibolintsika ankehitriny.

Nozarain’ny Jiosy ho telo ny Soratra Hebreo: Ny Lalàna sy ny Mpaminany ary ny Asa Soratra na Hagiografy. Misy boky 24 izy ireo, araka ny asehon’io tabilao io. Nakamban’ny Jiosy sasany anefa ny bokin’i Rota sy Mpitsara, ary ny Fitomaniana sy Jeremia, ka lasa 22 ireo boky anisan’ny Soratra Hebreo, mitovy amin’ny isan’ny litera amin’ny abidy hebreo. Hoy i Jérôme ao amin’ny sasin-tenin’ny bokin’i Samoela sy ny Mpanjaka, na dia toa tiany kokoa aza ilay isa 22: “Misy mihevitra fa anisan’ny Hagiografy ny bokin’i Rota sy Fitomaniana ... ka lazainy fa efatra amby roapolo ireo boky.”

Nanoratra an’ilay boky hoe Diso Hevitra i Apion (I, 38-40 [8]) i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, tamin’ny taona 100 tany ho any, mba hamaliana an’ireo mpanohitra azy. Nilaza izy tao fa efa ela no feno ny Soratra Hebreo. Hoy izy: “Tsy manana boky be dia be mifanipaka sy mifanohitra izahay. Tsy misy afa-tsy roa amby roapolo ireo bokinay ekena ho anisan’ny Soratra Masina, ary voatantara ao daholo izay nitranga hatramin’izay. Nosoratan’i Mosesy ny dimy amin’ireo, izay ahitana lalàna sy tantaran’ny famoronana ny olona ka hatramin’ny nahafatesan’ilay mpanome lalàna. ... Nanoratra boky telo ambin’ny folo ireo mpaminany velona taorian’i Mosesy ka hatramin’ny andron’i Artaksersesy, mpandimby an’i Ksersesy mpanjakan’i Persa, ary nitantara an’izay nitranga tamin’ny androny avy izy ireo. Hira fiderana an’Andriamanitra sy fitsipi-pitondran-tena no resahin’ny boky efatra farany.”

Tsy miankina amin’ny konsily na komity na fikambanana àry no anekena ny boky iray hoe anisan’ny Soratra Masina izy manontolo na ny ampahany aminy. Tsy nahazo fanahy masina mantsy ireny, fa mijoro ho vavolombelona fotsiny hoe tena tenin’Andriamanitra no nosoratan’ireo notendreny ho solontenany.

Tsy dia zava-dehibe ny isan’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo (na misy roa nakambana na tsia) sy ny filaharany, satria mbola horonam-boky samy hafa izy ireny na dia efa feno ela be aza ny Soratra Hebreo. Samy hafa ny filaharan’ireo boky ao amin’ny lisitra fahiny, ka aorian’ny Ezekiela, ohatra, no misy ny Isaia. Izay raketin’ireo boky kosa no tena zava-dehibe. Ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo ankehitriny ihany mantsy no azo ekena ho anisan’ny Soratra Masina. Efa hatry ny ela no nisy boky hafa notadiavina hampidirina ho anisan’izy io saingy tsy tafiditra. Nilaza, ohatra, ny konsily jiosy natao tany Yavne na Jamnia, atsimo kelin’i Jopa, tamin’ny taona 90 sy 118 tany ho any fa tsy anisan’ny Soratra Hebreo mihitsy ny boky apokrifa.

Nohamafisin’i Josèphe izany fomba fihevitry ny Jiosy ny boky apokrifa izany. Hoy izy: “Nosoratana daholo ny tantara nanomboka tamin’i Artaksersesy ka hatramin’ny androntsika, saingy tsy manan-danja toy ireo boky tany aloha izy ireny, satria tsy dia nisy mpaminany firy nandritra izany fotoana izany. Manaja ny Soratra Masina izahay. Porofon’izany ny hoe efa ela izy io no feno, nefa tsy misy aminay sahy manampy na manala na manova na dia litera iray aza. Vao teraka ny Jiosy iray dia efa mihevitra azy io ho didin’Andriamanitra tokony harahina, ary vonona ny ho faty mihitsy aza izy mba hiarovana azy io raha ilaina.”​—Diso Hevitra i Apion, I, 41, 42 (8).

Nanaja hatry ny ela ny Soratra Hebreo ny Jiosy. Tena zava-dehibe izany satria nilaza tamin’ny Romanina i Paoly fa ny Jiosy no “nanankinana ny fanambarana masin’Andriamanitra”, anisan’izany ny fanoratana sy ny fiarovana an’ireo boky anisan’ny Baiboly.​—Ro 3:1, 2.

Tsy namorona ny lisitry ny boky ekena ho anisan’ny Soratra Masina akory ireo konsily tany aloha (Laodikia, taona 367; Chalcédoine, taona 451) sy ireo “rain’ny Eglizy”, fa nanaiky fotsiny an’izay efa neken’ny Jiosy ho anisan’ny Soratra Masina ary nanda an’ireo boky apokrifa. Anisan’ireny “rain’ny Eglizy” ireny i Justin Martiora, izay niaro ny finoana kristianina (maty, t. 165); Méliton “evekan’i” Sardisy (taonjato faharoa); Origène, manam-pahaizana momba ny Baiboly (185?-254?); Hilaire, “evekan’i” Poitiers (maty, 367?); Épiphane, “evekan’i” Constantia (nanomboka tamin’ny 367); Grégoire avy any Nazianze (330?-389?); Rufin avy any Aquilée, “ilay mpandalina nandika ny bokin’i Origène” (345?-410); ary Jérôme (340?-420), manam-pahaizana momba ny Baiboly tao amin’ny eglizy romanina sady mpandika ny Vulgate. Notanisain’i Jérôme ao amin’ny sasin-tenin’ny bokin’i Samoela sy ny Mpanjaka ireo boky 22 anisan’ny Soratra Hebreo. Hoy izy avy eo: “Apokrifa izay rehetra tsy anisan’ireo boky ireo.”

Ny tenin’i Jesosy Kristy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina anefa no porofo mampiaiky indrindra fa anisan’ny Soratra Masina ireo boky ireo. Azo itokisana mantsy ny tenin’izy ireo. Tsy nolazainy ny isan’ireo boky ireo, nefa azo antoka fa tsy anisan’ny Soratra Hebreo ny boky apokrifa.

Efa nisy sy efa fantatr’izy ireo tsara ireo boky anisan’ny Soratra Masina ary neken’izy ireo sy ny olona niresahany sy nanoratany, matoa izy ireo nilaza hoe “ny Soratra Masina” (Mt 22:29; As 18:24; Ro 1:2; 2Ti 3:15); ny “Lalàna”, izany hoe ny Soratra Masina (Jn 10:34; 12:34; 15:25); ary “ny Lalàna sy ny Mpaminany”, izany hoe ny Soratra Hebreo manontolo fa tsy ny ampahany voalohany sy faharoa fotsiny (Mt 5:17; 7:12; 22:40; Lk 16:16). Teny avy ao amin’ny bokin’i Isaia koa no nolazain’i Paoly hoe “ny Lalàna.”​—1Ko 14:21; Is 28:11.

Tsy azo inoana hoe nisy boky apokrifa tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo voalohany. (Jereo APOKRIFA.) Mety ho nisy boky apokrifa tafatsofoka tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo nisy tamin’ny andron’i Jesosy. Tsy naka teny tao amin’ireny anefa i Jesosy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina, na dia naka teny tao amin’ilay fandikan-teny aza. Tsy nilaza mihitsy izy ireo hoe “Soratra Masina” na avy tamin’ny herin’ny fanahy masina izy ireny. Tsy nanaiky an’ireny àry i Jesosy sy ireo apostoly voatendrin’Andriamanitra, toa an’ireo mpanoratra ny Soratra Hebreo ihany, sady tsy hita porofo ao amin’izy ireny koa hoe avy amin’Andriamanitra izy ireny. Neken’i Jesosy kosa ireo boky rehetra anisan’ny Soratra Hebreo. Ny Soratra Hebreo manontolo no tiany holazaina amin’ny hoe ‘izay rehetra nosoratana ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.’ Ny Salamo mantsy no boky voalohany sy lava indrindra ao amin’ilay fizarana hoe Hagiografy na Asa Soratra.​—Lk 24:44.

Mahaliana koa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 23:35 (sy Lk 11:50, 51) hoe: “Amin’izay dia hanody anareo ny ran’ny olo-marina rehetra nalatsaka teto ambonin’ny tany, nanomboka tamin’ny ran’i Abela olo-marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara.” Novonoina i Zakaria rehefa hifarana ny fanjakan’i Joasy. Efa maty 200 taona mahery izy no novonoina i Oria mpaminany, tamin’ny andron’i Joiakima Mpanjaka. (Je 26:20-23) Nahoana àry i Jesosy no tsy niteny hoe ‘nanomboka tamin’i Abela ka hatramin’i Oria’, raha te hilaza an’ireo rehetra maty maritiora izy? Satria ny boky farany eken’ny Jiosy ho anisan’ny Soratra Hebreo no mitantara ny namonoana an’i Zakaria. (2Ta 24:20, 21) Ny vavolombelon’i Jehovah rehetra tantarain’ny Soratra Hebreo hoe novonoina àry no noresahin’i Jesosy, manomboka amin’i Abela resahin’ny boky voalohany (Genesisy), ka hatramin’i Zakaria resahin’ny boky farany (Tantara), toy ny rehefa milaza isika hoe “manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy.”

Soratra Grika Kristianina. Nosoratana sy natambatra toy ireo boky anisan’ny Soratra Hebreo ihany ireo boky 27 ekena ho anisan’ny Soratra Grika Kristianina. “Nanolotra lehilahy ho fanomezana” i Kristy, ka “nanome ny sasany ho apostoly izy, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny vaovao tsara, ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra.” (Ef 4:8, 11-13) Nahazo fanahy masina izy ireo ka nampianatra ny fiangonana kristianina, ary namerimberina an’izay voasoratra ao amin’ny Soratra Masina ho “fampahatsiahivana.”​—2Pe 1:12, 13; 3:1; Ro 15:15.

Misy porofo ivelan’ny Soratra Masina fa efa tamin’ny taona 90-100 no natambatra ny folo amin’ireo taratasin’i Paoly, fara fahakeliny. Efa natambatry ny Kristianina ireo boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina, raha vao vita kelikely.

“Fantatr’i Clément evekan’i Roma ny taratasin’i Paoly ho an’ny fiangonan’i Korinto, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Porofoin’ny taratasin’i Ignace evekan’i Antiokia sy Polycarpe evekan’i Smyrna koa fa efa niely ireo taratasin’i Paoly, taorian’ny taona 110 tany ho any.” (Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i G. Bromiley, 1979, Boky 1, p. 603) Naka teny tao amin’ireo boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina koa i Clément avy any Roma (30?-100?), Polycarpe (69?-155?), ary Ignace avy any Antiokia (faramparan’ny taonjato voalohany sy fiandohan’ny taonjato faha-2), rehefa nanoratra. Fantatr’izy ireo tsara àry ireny boky ireny.

Naka teny tao amin’ny Matio i Justin Maritiora (maty, t. 165) ary nampiasa ny hoe “voasoratra hoe”, toy ny fanaon’ireo mpanoratra Filazantsara naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo. (“Resadresaka tamin’i Tryphon Jiosy”, XLIX) Nanao toy izany koa ilay olona tsy fantatra anarana nanoratra “Ny Epistilin’i Barnabasy” (IV). Nantsoin’i Justin Maritiora hoe “Filazantsara” ireo “tantaran’ny apostoly”, ao amin’ilay hoe “Ny Fanamarinana Voalohany” (LXVI, LXVII).​—Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, Boky 1, p. 220, 139, 185, 186.

Hoy i Théophile avy any Antiokia (taonjato faharoa): “Mandidy antsika hanao izay mahitsy ny lalàna, ary manamafy izany ny tenin’ireo mpaminany sy ny Filazantsara, satria samy nahazo ny Fanahin’Andriamanitra izy rehetra.” Nilaza, ohatra, izy hoe ‘hoy ny Filazantsara’ (naka teny tao amin’ny Mt 5:28, 32, 44, 46; 6:3) sy hoe “mandidy antsika ny tenin’Andriamanitra” (naka teny tao amin’ny 1Ti 2:2; Ro 13:7, 8).​—Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, 1962, Boky II, p. 114, 115, “Manoratra ho An’i Autolycus i Théophile” (XII, XIII).

Tsy isalasalana fa feno ny Soratra Grika Kristianina rehefa hifarana ny taonjato faharoa. Niaiky i Irénée sy Clément avy any Aleksandria ary Tertullien fa manan-danja toy ny Soratra Hebreo ihany ny Soratra Grika Kristianina. Naka teny tao amin’ny Soratra Masina i Irénée, ka tsy latsaka ny 200 ny avy tao amin’ireo taratasin’i Paoly. Hoy koa i Clément: “Marina ny Soratra Masina inoanay satria io no fahefana fara tampony.” Amin’ny alalan’izy io, hoy izy, no hamaliany ny mpanohitra azy, izany hoe amin’ny alalan’ny “lalàna sy ny mpaminany ary ny Filazantsara.”​—Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, Boky II, p. 409, “Fitambarana Asa Soratra.”

Misy mitsikera ny boky sasany anisan’ny Soratra Grika Kristianina, kanefa tsy mitombina ny porofo aroson’izy ireo. Tsy anisan’ny Soratra Grika, hono, ny bokin’ny Hebreo, satria tsy hita ao ny anaran’i Paoly sady tsy dia mitovy amin’ny fomba fanoratr’i Paoly ilay izy. Nilaza anefa i B. Westcott fa “tsy miankina amin’ny hoe i Paoly sa tsia no nanoratra an’ilay Epistola, no anekena azy io ho anisan’ny Soratra Masina.” (Ny Epistola ho An’ny Hebreo, 1892, p. 71) Hita ao amin’ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46) (natao 150 taona taorian’ny nahafatesan’i Paoly) koa izy io, miaraka amin’ny taratasin’i Paoly valo hafa.

Misy koa milaza fa tsy anisan’ny Soratra Grika Kristianina ny bokin’i Jakoba, Joda, Jaona Faharoa sy Fahatelo, ary Petera Faharoa, satria tsy naka teny firy tao amin’izy ireo ny mpanoratra fahiny. Tsy mahagaga anefa izany satria ampahany kely monja (1/36) amin’ny Soratra Grika izy ireo. Na izany aza, dia naka teny tao amin’ny Petera Faharoa sy Jaona Faharoa i Irénée, satria nekeny ho anisan’ny Soratra Grika izy ireo. (Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, Boky I, p. 551, 557, 341, 443, “Nanohitra ny Fivadiham-pinoana i Irénée”) Neken’ny mpivaofy teny toa an’i Papias, Justin Martiora, Méliton, ary Irénée koa ny Apokalypsy, na dia nisy nitsikera aza.

Izay voalazan’ireo boky anefa no tena manamarina fa avy amin’ny fanahy masina izy ireo, fa tsy ny hoe mpanoratra iza no naka teny tao na impiry izy no nanao izany. Tsy mampirisika antsika hinohino foana, hifandray amin’ny demonia, na hanompo sampy izy ireo. Mifanaraka tanteraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly izy ireo, ka hita fa i Jehovah Andriamanitra no nampanoratra azy. Tsy maintsy mifanaraka amin’ny “modelin’ny teny mahasoa” sy amin’izay nampianarin’i Kristy Jesosy sy nataony ny boky tsirairay. (2Ti 1:13; 1Ko 4:17) Nahazo alalana tamin’Andriamanitra ny apostoly, ary nanamarina an’izay nosoratan’i Lioka sy Jakoba rahalahin’i Jesosy. Nahazo fanahy masina ny apostoly ka ‘nahay namantatra’ hoe avy amin’Andriamanitra sa tsia “ny fanambarana avy amin’ny fanahy.” (1Ko 12:4, 10) Ny apostoly Jaona no mpanoratra Baiboly farany nahazo fanahy masina. Feno àry ny Soratra Masina rehefa vita ny Apokalypsy, ny Filazantsaran’i Jaona, ary ireo taratasy nosoratany.

Mifanaraka sy mirindra tsara ireo boky 66 ekena ho anisan’ny Baiboly, ka tena boky iray ihany. Tenin’i Jehovah mirakitra fahamarinana izy io, ary mbola misy hatramin’izao na dia be fahavalo aza. (1Pe 1:25) Ahitana an’ireo boky 66, ireo mpanoratra, ny daty nahavitana an’ireo boky, ary ny fotoana voaresaka ilay hoe “Filaharan’ireo Boky Araka ny Fotoana Nanoratana Azy” ao amin’ny lahatsoratra hoe BAIBOLY.​—Jereo koa ny lahatsoratra momba ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly.

[Tabilao, pejy 347]

BOKY EKEN’NY JIOSY HO ANISAN’NY SORATRA MASINA

Ny Lalàna

1. Genesisy

2. Eksodosy

3. Levitikosy

4. Nomery

5. Deoteronomia

Ny Mpaminany

6. Josoa

7. Mpitsara

8. 1, 2 Samoela

9. 1, 2 Mpanjaka

10. Isaia

11. Jeremia

12. Ezekiela

13. Ny Mpaminany Roa Ambin’ny Folo (Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Jona, Mika, Nahoma, Habakoka, Zefania, Hagay, Zakaria, Malakia)

Ny Asa Soratra (Hagiografy)

14. Salamo

15. Ohabolana

16. Joba

17. Tononkiran’i Solomona

18. Rota

19. Fitomaniana

20. Mpitoriteny

21. Estera

22. Daniela

23. Ezra, Nehemia

24. 1, 2 Tantara