Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky, I

Boky, I

Misy ifandraisany amin’ny matoanteny hoe safar (manisa) sy ny anarana hoe sôfer (mpitan-tsoratra; mpanao dika soratra) ny teny hebreo hoe sefer (boky; taratasy). (Ge 5:1; 2Sa 11:15; Is 22:10; Mpts 5:14; Ne 13:13) Nadika hoe “didy natao an-tsoratra” na “taratasy” ny hoe sefer, rehefa nilazana taratasy ofisialy. (Es 9:25; Je 3:8; 32:11) Biblôs kosa no teny grika nadika hoe “boky”, ary bibliôn (a.b.t.: boky kely) no nadika hoe “boky”, “taratasy” ary ‘horonam-boky.’ (Mr 12:26; He 9:19; Mt 19:7; Lk 4:17) Avy amin’ireo teny grika ireo ny hoe “Baiboly.”​—Jereo BAIBOLY.

Mety ho takelaka vita tamin’ny tanimanga, vato, savoka, hazo nohosorana savoka, metaly, ivoara, na vakin-tanimanga iray na maromaro ny “boky” taloha. Taratasy papyrus natambatambatra, na hodi-biby (ondry na osy) malefadefaka na malefaka be toy ny an’ny zanak’omby, kosa ny horonam-boky. Anisan’ny akora nampiasaina tatỳ aoriana koa ny rongony. Farany, lasa ravin-taratasy maromaro misy soratra (natao tanana na pirinty) izay naforitra, nafatotra, nozairina, nasiana dity, na natambatra tamin’ny fomba hafa, ny boky.

Ny lafiny iray (ilay lafiny nisy volo, raha hoditra) tamin’ny horonana ihany matetika no nisy soratra. Nahorona nanodidina hazokely iray ilay horonana indraindray, ka ny tanana havian’ilay mpamaky no nihazona ny sisiny iray, ary ny tanany havanana kosa nangorona tsikelikely an’ilay izy (raha teny hebreo no novakiny; mifamadika amin’izany raha teny grika). Mety ho nahorona nanodidina hazokely roa kosa ilay horonana raha lava be, ary hita ny fisasahany rehefa noraisina hovakina ilay izy.

Nirefy 23 ka hatramin’ny 28 sm ny halavan’ny pejy tsirairay tamin’ny horonana matetika, ary 15 ka hatramin’ny 23 sm ny sakany. Natambatra tamin’ny dity ny pejy maromaro mba hifampitohy. Nozairina tamin’ny kofehy rongony kosa ireo pejin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia (taonjato faharoa T.K.). Pejy 17 vita tamin’ny hodi-biby malefaka no nanamboarana an’ilay horonana. Nirefy 26,2 sm teo ho eo ny haavon’ireo pejy, ary 25,2 sm ka hatramin’ny 62,8 sm teo ho eo ny sakan’izy ireo, ka 7,3 m ny halavan’ireo pejy voatahiry hatramin’izao. Nisy pejy 20 teo ho eo ny horonana iray mazàna (ireo namidy angamba) tamin’ny andron’i Pline. Mirefy 40,5 m ny halavan’ny Horonana Papyrus Harris, izay misy ny tantaran’i Ramsès III mpanjaka ejipsianina. Nila horonana tokony ho 5,8 m ny Filazantsaran’i Marka, ary nila 9,5 m teo ho eo ny an’i Lioka.

Nohetezana tsara ny sisin’ny horonana, nolamaina tamin’ny vatonakoho, ary matetika no nolokoana mainty. Natsoboka tao anaty menaka sedera koa ilay horonana, mba tsy hohanin’ny bibikely. Ny lafiny iray ihany matetika no nanoratana, fa rehefa tsy omby ilay izy vao nanoratana koa ny tao ambadika. Nisy soratra daholo ny lafiny roa tamin’ireo horonana hitan’i Ezekiela sy Zakaria mpaminany ary ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana, satria tena lehibe sy navesa-danja ireo didim-pitsarana tao.​—Ezk 2:10; Za 5:1-3; Ap 5:1.

Nofatorana izay taratasy tena nilaina, ary matetika ilay tady namatorana azy no nasiana tombo-kase vongana tanimanga na savoka nisy ny marika namantarana ny mpanamboatra azy na ny mpanoratra. Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana fa notoloran’ilay teo ambony seza fiandrianana horonam-boky nisy tombo-kase fito ny Zanak’ondry.​—Ap 5:1-7.

Toa nisy tsanganana efatra ny pejy iray tamin’ny horonam-boky taloha, saingy lasa iray monja izany tatỳ aoriana. Nisy “tsanganan-tsoratra” ny horonam-bokin’i Jeremia. Vao novakina tamin’i Joiakima Mpanjaka ny tsanganana telo na efatra, dia notapatapahiny ary natsipiny tao anaty afo ilay ampahany nisy an’ireo. (Je 36:23) Nisy tsanganana 54 nahitana andalana 30 teo ho eo avy, ireo pejy 17 nanaovana ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia.

Mbola nampiasa horonana ny Israelita, rehefa niorina ny fiangonana kristianina. Horonana, raha ny marina, ireo boky nirakitra ny tantaran’ny Israely sy Joda fahiny, sy ireo boky nosoratan’ny mpaminanin’i Jehovah.​—1Mp 11:41; 14:19; Je 36:4, 6, 23.

Nitahiry sy nampiasa horonan’ny Soratra Masina ny synagoga tsirairay, taorian’ny sesitany tany Babylona. Novakina tamin’ny mpivory izy ireny isan-tsabata. (As 15:21) Hoatran’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia angamba ilay novakin’i Jesosy.​—Lk 4:15-20.

Kôdeksa. Toa horonana no tena nampiasain’ny Kristianina hatramin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Nosoratan’ny apostoly Jaona tamin’ny taona 96 teo ho eo ny bokin’ny Apokalypsy, izay antsoina hoe horonam-boky ao amin’ny Apokalypsy 22:18, 19. Sarotra nampiasaina anefa ny horonam-boky, ka nampiasa hodi-biby navalona indray ny olona. Hitan’izy ireo tatỳ aoriana fa ny kôdeksa, izay nitovitovy tamin’ny boky, no toa mora nampiasaina indrindra. Mety ho horonana 31,7 m, ohatra, vao omby ny Filazantsara efatra, nefa kôdeksa iray dia efa antonona azy rehetra. Nahafahana nitsitsy vola kokoa ny kôdeksa, satria azo nanoratana ny ambadika sy ambadika. Nisy fonony koa ilay izy ka voaro tsara ny tao anatiny, ary mora kokoa ny nitady teny tao noho ny tao anaty horonana.

Sarotra be ny nahita haingana an’izay fehezan-teny notadiavina tao anaty horonam-boky lehibe. Tsy niandry ela àry ny Kristianina fa tonga dia nampiasa kôdeksa satria te hitory ny vaovao tsara izy ireo. Nila nitady sy nampiseho andinin-teny maro tao amin’ny Soratra Masina koa izy ireo, rehefa nianatra sy nitory.

Tsy ny Kristianina no namorona ny kôdeksa, nefa izy ireo no voalohany nampiasa be azy io. Hoy ny Profesora E. Goodspeed: “Nahalala tsara ny anjara lehibe notanan’ny asa soratra teo amin’ny tontolo grika sy romanina ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana voalohany. Naniry mafy hitory ny hafatr’i Kristy nanerana an’io tontolo io izy ireo, ka nampiasa ny fomba rehetra famokarana asa soratra, na ireo teknika efa lany andro izany na ireo vaovao sy arifomba indrindra, mba hanelezana ny hafatra notoriny. Tamin’izay izy ireo no nanomboka nampiasa boky maro be, izay efa fampiasa hatraiza hatraiza ankehitriny. Tsy saro-takarina na mistery ny filazantsara notoriny, fa tokony hambarany eny an-tampon-trano. Niezaka mafy àry izy ireo nanatanteraka ny teny filamatry ny mpaminany hoe: ‘Ambarao ny vaovao tsara.’ Efa zava-dehibe ny nanoratana ny filazantsara tsirairay, nefa asa goavana sy tsy latsa-danja noho izany koa ny hoe nanangona sy nanambatra azy ireny ho boky.”​—Mamoaka Boky ny Kristianina, 1940, p. 75, 76; jereo koa ny Rakipahalalana Britannica, 1971, Boky Faha-3, p. 922.

Nampitahain’ny Profesora Goodspeed ao amin’ny bokiny (p. 71) ny isan’ny horonam-boky sy kôdeksa misy asa soratra tsy ara-pivavahana sy ny isan’ireo misy asa soratra kristianina tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo ary fahefatra, niorina tamin’ny fanazavan’ny Profesora Sanders (nivoaka tao amin’ny Gazetin’ny Oniversiten’i Michigan, 1938, p. 109). Ity ny tabilao ahitana izany:

Hoy ny Profesora Goodspeed momba ireo Kristianina voalohany namoaka boky: “Tsy hoe naharaka tsara ny famoahana boky tamin’ny androny fotsiny izy ireo, fa lasa aloha mihitsy. Nanaraka an’izay nataony fotsiny ny mpampanonta tatỳ aoriana.” (p. 78) Hoy koa izy: “Ny famoahana Baiboly no tena nampiroborobo ny famokarana boky momba ny haisoratra tamin’ny taonjato faharoa, sy nandrisika ny olona hamorona fanontam-pirinty.”​—p. 99.

Hoy ihany ny Profesora Goodspeed: “Mahalasa saina ihany ilay voalazan’ny 2 Tim. 4:13 hoe ‘Ento ... ireo boky [gr.: biblia], indrindra fa ny horonam-boky hoditra [gr.: membranas].’ Sao dia ny horonam-boky tranainy misy [ny Soratra Hebreo] ireo biblia, ary ny boky nosoratan’ny Kristianina, toy ny filazantsara sy ny bokin’i Paoly, ireo membranai? Toa horonam-boky hoditra mantsy aloha no nanaovana an’ireo boky tany avaratry ny Ranomasina Mediterane, hoy ny Profesora Sanders.”​—p. 81.

Palimpsestôs. Lafo sy vitsy ny zavatra azo nanoratana taloha, ka indraindray naverina nampiasaina. Nokikisana sy nofafana tamin’ny spaonjy na tamin’ny fomba hafa àry ny soratra sasany. Nantsoina hoe palimpsestôs (gr.) ireo sora-tanana nisy soratra natao toy izany. Nofafana tamin’ny spaonjy ny soratra tamin’ny taratasy papyrus raha mbola mando ny ranomainty. Novonoina fotsiny kosa ilay soratra raha efa ela, na ny tao ambadik’ilay taratasy no nanoratana. Mety ho mbola azo novakina ihany anefa ny soratra voalohany noho ny fiasan’ny gazy maromaro, na noho ny antony hafa. Maromaro ny sora-tanana amin’ny Baiboly hoatr’izany, toy ilay kôdeksa malaza hoe Ephraemi: Ampahany amin’ny Soratra Hebreo sy Grika heverina fa nosoratana tamin’ny taonjato faha-5 no tao ambanin’ilay soratra mety ho natao tamin’ny taonjato faha-12.

Boky hafa resahin’ny Baiboly. Tsy avy amin’ny herin’ny fanahy masina izy ireny. Misy tamin’ireny anefa nampiasain’ireo nanoratra Baiboly. Toa nirakitra ny tantaran’ny firenen’Israely ny sasany taminy, anisan’izany ny:

Bokin’ny Adin’i Jehovah. Mitantara an’ireo ady nataon’ny vahoakan’Andriamanitra io boky azo itokisana noresahin’i Mosesy io. (No 21:14, 15) Ny nandresen’i Abrahama an’ireo mpanjaka efatra niray dina izay nambabo an-dry Lota mianakavy angamba no voatantara voalohany ao.​—Ge 14:1-16.

Bokin’i Jasara. Miresaka azy io ny Josoa 10:12, 13, izay mitantara fa niangavian’i Josoa ny masoandro sy volana mba tsy hihetsika, tamin’izy niady tamin’ny Amorita. Resahin’ny 2 Samoela 1:18-27 koa fa hita tao amin’io boky io ny tononkalo atao hoe “Ilay Tsipìka”, izay hira fisaonana an’i Saoly sy Jonatana. Mety ho tononkalo sy hira ary lahatsoratra hafa àry no tao. Azo antoka fa nahaliana ny tantara noraketiny, ary maro ny Hebreo nahalala azy io.

Bokin-tantara hafa. Misy boky hafa tsy avy amin’ny herin’ny fanahy masina koa resahin’ireo bokin’ny Mpanjaka sy Tantara, toy “ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely.” (1Mp 14:19; 2Mp 15:31) Nanana “ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda” kosa ny tany atsimo, ka ny tantaran’i Rehoboama zanak’i Solomona no nanomboka azy. Voaresaka in-15 izy io. (1Mp 14:29; 2Mp 24:5) Miresaka momba ny fitondran’i Solomona kosa “ny boky mirakitra ny tantaran’i Solomona.”​—1Mp 11:41.

Niresaka boky 14 hafa, fara fahakeliny, i Ezra tamin’izy nanoratra ny Tantara, taorian’ny sesitany. Anisan’izany ny “Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely”, “ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka” ary “ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Joda sy ny Mpanjakan’ny Israely.” (1Ta 9:1; 27:24; 2Ta 16:11; 20:34; 24:27; 27:7; 33:18) Noresahin’i Ezra koa ny boky nosoratan’ny olona talohany nahazo ny fanahy masina (1Ta 29:29; 2Ta 26:22; 32:32), sy ireo asa soratry ny mpaminanin’i Jehovah, izay tsy nampidirina ho anisan’ny Soratra Masina. (2Ta 9:29; 12:15; 13:22) I Nehemia indray niresaka momba ny “boky mirakitra ny tantara tamin’izany.” (Ne 12:23) Misy koa ny boky mirakitra ny tantaran’ny fanjakan’i Persa. Voalaza ao ny soa natao tamin’ny mpanjaka, toy ny nataon’i Mordekay izay nanala sarona an’ireo saika hamono ny mpanjaka.​—Ezr 4:15; Es 2:23; 6:1, 2; 10:2.

Mampitandrina ny Mpitoriteny fa tsy tsara ny mamaky an’ireo boky mivoy ny fisainan’ity tontolo ity izay mifanohitra amin’ny fahendren’Andriamanitra, ary tsy mampirisika ny hatahorana Azy sy hitandremana ny didiny. (Mpto 12:12, 13) Anisan’izany ireo boky hita tany Efesosy, izay be olona nilalao ody sy nifandray tamin’ny demonia. Nisy lasa mpino ireo nandre ny vaovao tsara momba an’i Kristy, ka nitondra ny bokiny momba ny herin’ny maizina, ary nandoro izany ampahibemaso. Farantsa volafotsy 50 000 (37 200 dolara, raha denaria) ny tokom-bidiny.​—As 19:19.

Efa nanomboka nanoratra an’ireo boky voalohany anisan’ny Soratra Masina i Mosesy tamin’ny 1513 T.K., matoa nasain’i Jehovah nosoratana tao amin’ny “boky” ny fanamelohany ny Amalekita.​—Ek 17:14.

Ny Baiboly na ny ampahany aminy ilay hoe “ny bokin’ny fifanekena” (Ek 24:7) izay misy ny lalàna ao amin’ny Eksodosy (20:22–23:33) angamba, sy ilay hoe “ny horonam-boky” na ny Soratra Hebreo.​—He 10:7.

Heviny an’ohatra. Anisan’ireo “boky” an’ohatra ny ‘boky [nosoratan’Andriamanitra]’ (Ek 32:32), “boky fahatsiarovana” (Ml 3:16), ary “bokin’ny fiainana” (Fi 4:3; Ap 3:5; 20:15). Toa boky iray ihany ireo, dia ny “boky” fahatsiarovan’Andriamanitra. Ao no anoratany ny anaran’ireo homeny fiainana mandrakizay (any an-danitra na eto an-tany). Mbola azo ‘vonoina’ anefa ny anarana ao amin’ilay boky. (Ek 32:32, 33; Ap 3:5) Ny anaran’izay olona tsy mivadika ihany àry no ho tavela ao.​—Jereo FIAINANA.

[Tabilao, pejy 345]

TSY ARA-PIVAVAHANA

KRISTIANINA

Taonjato

Horonana

Kôdeksa

Horonana

Kôdeksa

II

1?

4

III

291

20

9?

38

IV

26

49

6?

64