Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bola

Bola

(Bòla) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manome; mamokatra”].

Volana fahavalo tamin’ny kalandrie ara-pivavahana israelita, fa faharoa kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana (1Mp 6:37, 38; Ge 7:11), ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Oktobra sy voalohandohan’ny Novambra. Natao hoe Marhesvana na Marshesvana (nohafohezina hoe Hesvana) izy io, taorian’ny sesitany tany Babylona. Tsy ao amin’ny Baiboly ireo anarana ireo, fa ao amin’ny Talmoda jiosy sy ny asa soratra hafa toy ny an’i Josèphe.

Ny volana Bola no nanombohan’ny oram-pararano. (De 11:14; Jl 2:23; Jk 5:7) Nafafy àry ny vary orza sy varimbazaha. Nangonina koa ny oliva tany avaratr’i Galilia. Ny mpiandry ondry kosa nitondra ny bibiny niala teny an-tsaha mba ho any am-bala, satria avy orana sady nangatsiaka rehefa ririnina.

Ny faha-17-n’ny “volana faharoa” no nanombohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Maina tanteraka ny tany herintaona sy folo andro taorian’izay, tamin’ny volana faharoa koa. (Ge 7:11; 8:14) Hoy i Josèphe: “Eninjato taona i Noa fony nitranga ilay loza tamin’ny volana faharoa, izay nantsoin’ny Makedonianina hoe Dios fa nantsoin’ny Hebreo hoe Marsoan kosa, araka ny kalandrie narahiny tany Ejipta.” (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 80 [iii, 3]) Nifanitsy tamin’ny Bola na Marhesvana àry ny volana faharoa tamin’ny andron’i Noa, hoy izy.

Lasa ny volana fahavalo tamin’ny kalandrie ara-pivavahana ny Bola, rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israelita. Tamin’ny volana Bola no voaorin’i Solomona ny tempolin’i Jerosalema. (1Mp 6:38) Namorona fety tamin’io volana io kosa i Jeroboama, izay nanorina ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, satria tsy tiany hanembona an’i Jerosalema sy ny fety natao tany ny vahoaka.​—1Mp 12:26, 31-33.