Bony
(Bòny) [fanafohezana ny hoe Benaia, izay midika hoe “Nanorina i Jehovah”].
1. Levita nanan-taranaka voafidy tamin’ny antsapaka mba honina tao Jerosalema rehefa voaorin’i Nehemia indray ny manda.—Ne 11:1, 15.
2. Levita nitana andraikitra lehibe tamin’ny andron’i Ezra sy Nehemia. Anisan’ireo nijoro teo amin’ny lampihazo izy, ka “nitaraina mafy” ho fibebahana tamin’i Jehovah.—Ne 9:4.
3. Anisan’ny “lohandohany teo amin’ny vahoaka.” Nanaiky an’ilay fifanekena ny tsy hivadika amin’i Jehovah ny taranany, na izy mihitsy, tamin’ny andron’i Nehemia.—Ne 10:1, 14, 15.