Borasana
(Bôrasàna) [mety hidika hoe Lavaky ny Setroka].
Anisan’ny toerana nandosiran’i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy. (1Sa 30:30, 31) Misy manam-pahaizana mihevitra azy io ho i Asana (Js 19:7), ilay tanàna simeonita tafiditra tao amin’ny faritra atsimo tamin’ny tanin’i Joda, teo avaratrandrefana kelin’i Beri-sheba.—Jereo ASANA.