Boza
(Bòza).
1. Zanakalahin’i Nahora rahalahin’i Abrahama, zanany tamin’i Milka. Dadatoan’i Rebeka izy. (Ge 22:20-23) Toa taranany ny Bozita, ary Bozita ny rain’i Eliho.—Jb 32:2, 6; jereo ny No. 3 etsy ambany.
2. Loham-pianakaviana izy, ary taranak’i Gada zanak’i Jakoba.—1Ta 5:11, 14.
3. Toerana any Arabia, ary efa nolazain’i Jeremia mialoha ny loza hanjo azy. (Je 25:17, 23) Toa nonina tany ny taranak’i Boza No. 1.