Bozra
(Bôzrà) [Toerana Sarotra Aleha].
1. Tanàna nalaza tany Edoma. Tao no niavian’ny rain’i Jobaba, mpanjaka edomita tamin’ny taonarivo faharoa T.K. (Ge 36:31, 33; 1Ta 1:44) Nalaza i Bozra matoa naminany i Isaia sy Jeremia ary Amosa fa ho rava izy io. I Edoma ihany anefa no tiany holazaina amin’ny hoe Bozra.—Is 34:5, 6; 63:1-4; Je 49:12, 13, 17, 22; Am 1:11, 12.
Misy mihevitra fa i Bozera ankehitriny no Bozra. Tokony ho 50 km avaratra avaratratsinanan’i Petra no misy an’i Bozera, sady akaikin’ilay lalana fahiny nantsoina hoe Lalamben’ny Mpanjaka. Somary teo afovoan’ny fanjakana edomita àry i Bozra, ka afaka niaro an’ireo toeram-pitrandrahana varahina tany Araba. Hita avy amin’izay sisa tavela ao Bozera fa tanàna voaro mafy i Bozra fahiny. Naorina teo amin’ny tehezan-kavoana teritery iray teo Jebel esh-Sheraʼ izy io, ary lohasaha lalina no teo amin’ny andaniny roa.
Misy hoe “Bozra” ao amin’ny Mika 2:12 (f.a.p.), ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta. Valan’ondry anefa izy io, fa tsy tanàna, rehefa jerena ny ankamaroan’ny Baiboly maoderina.
2. Fanamelohana an’i Moaba ny faminaniana ao amin’ny Jeremia 48:24, ary milaza fa tanàna “ao Moaba” i Bozra. Anisan’ireo tanàna eny amin’ny lembalemba na “tany lemaka” (Je 48:21) izy io. Lazain’ny andininy hafa anefa fa eny amin’ny lembalemba koa i Bezera. (De 4:43) Misy àry manam-pahaizana mihevitra fa i Bezera ihany no Bozra.—Jereo BEZERA No. 2.