Brasele
(braselè).
Firavaka boribory tanteraka na tsia, atao eo amin’ny hatotanana na ny lanton-tanana, ary mety hisy hidiny na tsia. Samy nanao brasele ny lehilahy sy vehivavy fahiny, na teo amin’ny tanana ila na izy roa. Halimo, fitaratra, vy, volafotsy, ary volamena ny brasele fahiny, ary be haingony matetika. Nisy aza nasiana vatosoa.
Nanao brasele ny Hebreo, ary efa hatry ny ela no nanao azy io ny tany Palestina. Maro ny brasele hitan’ny mpikaroka tany, ary akora samihafa no nanaovana azy, indrindra fa ny halimo. Nomen’ny mpanompon’i Abrahama kavin’orona volamena sy brasele roa (heb.: tsemidim) nilanja sekely volamena folo (114 g) i Rebeka. (Ge 24:22, 30, 47) Anisan’ny zava-tsarobidy nobaboin’ny Israelita ka natolony ho an’Andriamanitra ny brasele, rehefa resiny ny Midianita.—No 31:50.
Nilaza Andriamanitra fa noravahany brasele sy firavaka tsara tarehy hafa i Jerosalema. Hendahan’i Jehovah daholo anefa ireny satria ireny ihany no nanaovan’izy io sampy. Nivaro-tena koa izy io ka hosazin’i Jehovah. (Ezk 16:11, 17, 38, 39) Anisan’ireo zavatra hesorin’i Jehovah amin’ireo “zanakavavin’i Ziona” niavonavona koa ny brasele (heb.: shehrôht).—Is 3:16, 19.
Ny mpanjaka no nanao brasele (heb.: ʼetsʽadah) teo amin’ny sandry, ho mariky ny fahefany sy ny maha mpanjaka azy. Mety ho izany no antony nanaovan’i Saoly mpanjakan’ny Israely brasele teny an-tsandriny.—2Sa 1:10; jereo RAVAKA.