Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dadatoa

Dadatoa

Nadika hoe ‘dadatoa’ na ‘rahalahin-dray’ ilay teny hebreo hoe dôhd, indraindray. (Le 10:4; 20:20; 25:49; No 36:11; 1Sa 10:14-16; 14:50; Es 2:7, 15; Je 32:7-9, 12; Am 6:10) Tsy tena mitovy amin’ilay teny malagasy hoe “dadatoa” anefa ilay teny hebreo hoe dôhd, satria ny dôhd (na milaza tokana na milaza maro) dia tsy midika fotsiny hoe rahalahin-dray fa mety hidika koa hoe “fitiavana” (Oh 7:18), “fanehoam-pitiavana” (To 1:2, 4; Ezk 16:8; 23:17), ary ‘malala’ (To 1:14, 16; Is 5:1). Matetika anefa no fantatra amin’ny teny manodidina na ny andininy hafa mifandray aminy ilay rohim-pihavanana fonosin’ny hoe dôhd. Io teny hebreo io, ohatra, no nilazana ny rohim-pihavanana nisy teo amin’ny Joiakina Mpanjaka sy Zedekia Mpanjaka. Mazava fa dadatoa na rahalahin-dray no hevitry ny dôhd eo, satria rahalahin’i Joiakima rain’i Joiakina i Zedekia. (2Mp 24:6, 15, 17; 1Ta 3:15) Hafa indray ny hevitr’izy io ao amin’ny 1 Tantara 27:32 momba ny rohim-pihavanana nisy teo amin’i Davida sy Jonatana mpanolo-tsainy. Zanak’i Simey rahalahin’i Davida i Jonatana, raha ny marina, (2Sa 21:21; 1Ta 20:7) ka tsy maintsy hoe zana-drahalahin’i Davida no dikan’io dôhd io fa tsy hoe dadatoany.

Ilazana nenitoa ny endriny milaza vavy amin’ny hoe dôhd. (Ek 6:20; Le 18:14; 20:20) Antsoina hoe ‘anadahin-dreny’ kosa ny dadatoa avy amin’ny reny, amin’ny teny hebreo.​—Ge 29:10.

Nolazain’ny “zanak’anabavin’i Paoly” taminy sy tamin’ny mpitari-tafika romanina tany Jerosalema fa nisy nitetika hamono i Paoly dadatoany.​—As 23:16-22.