Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dagona

Dagona

(Dagôna).

Andriamanitry ny Filistinina. Efa nivavaka tamin’izy io ny Kananita rehefa azon’ny Israely ny Tany Nampanantenaina, matoa nisy tanàna nantsoina hoe “Beti-dagona” (azo inoana fa avy amin’ny anarana hoe Dagona) tany amin’ny faritanin’i Joda sy Asera. (Js 15:41; 19:27) Misy mihevitra fa naka tahaka ny Kananita ny Filistinina, ka lasa nivavaka tamin’i Dagona koa.

Misy manam-pahaizana milaza fa misy ifandraisany amin’ny teny hebreo hoe dag (trondro) ilay anarana hoe Dagona, fa misy kosa milaza hoe misy ifandraisany amin’ny teny hebreo hoe dagan (voan-javamaniry) ilay izy. Resahin’ny 1 Samoela 5:4 fa tapaka ny lohan’i Dagona sy ny felatanany rehefa nianjera izy, ka “ny tapany toy ny trondro ihany [a.b.t.: I Dagona ihany] sisa tavela.” Samy hafa ny nandikan’ny Baiboly an’ilay teny hebreo midika ara-bakiteny hoe “Dagona” eo. Misy manao hoe “ny tenabeny” (Prot., JM), “ny vatabeny” (DIEM), “ny tenabeny miendri-kazandrano” (and. 5, Kat.), na “ny tapany toy ny trondro” (TV).

Voaresaka tsindraindray ao amin’ny Baiboly i Dagona. Nitehenan’i Samsona, ohatra, ireo andry roa teo afovoan’ilay trano tao Gaza natokana ho an’i Dagona ka nirodana ilay trano, ary maty ny Filistinina nivory tao. (Mpts 16:21-30) Napetraky ny Filistinina tao an-tranon’i Dagona tany Asdoda ny Vata masin’i Jehovah, ho mariky ny fandreseny. Indroa nianjera nihohoka teo anoloan’ilay Vata anefa ny sarin’i Dagona. Tapaka mihitsy aza ilay izy tamin’ny fanindroany, ary nilatsaka teo an-tokonam-baravaran’ilay tempoly ireo tapany. Izany angamba no nahatonga an’ireo mpisorona sy ny olon-kafa tsy hanitsaka an’ilay tokonana sao handoto azy io izy ireo. (1Sa 5:2-5) Fantatry ny Filistinina fa namely mafy azy sy Dagona andriamaniny ny tanan’ilay Andriamanitry ny Israely, rehefa nijalijaly vokatry ny hemoroida izy ireo ary nanimba ny taniny ny voalavo mpitsambikina. (1Sa 5:6, 7; 6:5) Notapahin’izy ireo ny lohan’i Saoly Mpanjaka, rehefa hitany tany Gilboa ny fatiny. Nilaza izany tany amin’ireo tranon’ny sampiny sy tamin’ny vahoaka izy ireo, ary avy eo nafatony tao an-tranon’i Dagona ny karandohan’i Saoly.​—1Sa 31:8-10; 1Ta 10:8-10.

Mety ho nentin’ny Filistinina nandeha niady ny sampin’i Dagona andriamaniny.​—2Sa 5:21.