Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dalmanota

Dalmanota

(Dalmanòta).

Faritra nalehan’i Jesosy sy ny mpianany tamin’ny sambokely, taorian’ilay fahagagana namahanany lehilahy 4000 teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. (Mr 8:1-10) Maro ny toerana heverina fa nisy an’i Dalmanota, nefa tsy fantatra ny tena nisy azy satria tsy misy andinin-teny hafa, na boky tsy ara-pivavahana ahitana an’io anarana io. Misy manam-pahaizana mihevitra fa mety ho fanovana nataon’ireo mpanao dika soratra ny hoe Dalmanota. “Magadana” mantsy no ao amin’ny fitantaran’i Matio an’io zava-nitranga io. (Mt 15:29-39) “Magadana” na “Magdala” fa tsy Dalmanota koa no ao amin’ny sora-tanana tranainy sasany misy ny fitantaran’i Marka. Dalmanota anefa no ao amin’ireo sora-tanana grika tsara indrindra, ka aleo mihazona azy io ho Dalmanota, toy izay hihevitra azy ho anarana diso tsipelina. Mety ho anarana hafa niantsoana an’i Magadana koa ny hoe Dalmanota, na mety ho anaran-toerana tsy be mpahalala teny akaiky teny, ka ny Filazantsaran’i Marka no mampahafantatra azy io.