Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dana-jana

Dana-jana

(Dàna-jàna).

Toerana teo amin’ny lalana nalehan’i Joaba, tamin’izy nasain’i Davida nanisa vahoaka. Indray mandeha monja izy io no voaresaka ao amin’ny Baiboly. (2Sa 24:1-6) Toa tany amin’ny farany avaratr’i Israely no nisy azy io, satria voalaza fa “nankany Dana-jana” izy ireo “ary nivily nankany Sidona.” Miresaka an’i Beri-sheba ny andininy manaraka (2Sa 24:7), ka mampahatsiahy an’ilay fiteny mahazatra hoe “hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana.” Nampiasa an’io fiteny io i Davida tamin’izy naniraka an’i Joaba hanao an’ilay fanisam-bahoaka. (1Ta 21:2) Mety ho ny tanànan’i Dana ihany na ny nanodidina an’io tanàna tany avaratra io àry i Dana-jana.​—Ampit. Mpts 18:28, 29, izay nanonona an’i Dana sy Sidona; jereo koa DANA No. 3.