Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Daniela

Daniela

(Danièla) [Mpitsara Ahy Andriamanitra].

1. Lahiaivon’i Davida, naterak’i Abigaila taminy tao Hebrona. (1Ta 3:1) Antsoina koa hoe Kileaba izy. (2Sa 3:3) Mety ho nieritreritra ny handimby an’i Davida izy rehefa maty i Amnona lahimatoa, nefa tsy resahina hoe nitady handrombaka fahefana izy. Mety ho nanaja an’i Solomona izay voatendrin’Andriamanitra àry izy, na maty talohan-drainy.

2. Mpaminany niavaka nirahin’i Jehovah. Avy tamin’ny fokon’i Joda izy, ary nanoratra ny boky mitondra ny anarany. Tsy dia fantatra ny fahazazany. Nilaza anefa izy fa anisan’ireo andriana sy tarana-mpanjaka nentina tany Babylona, tamin’izy mbola ankizy. (Da 1:3-6) Nitranga izany tamin’ny taona fahatelo nitondran’i Joiakima (sy nandoavany hetra tamin’ny mpanjakan’i Babylona) izay niandoha tamin’ny lohataona 618 T.K. (Da 1:1) Maty tamin’ny fomba nanala baraka anefa izy io, ka nanjaka nandimby azy i Joiakina zanany. Nitolo-batana izy afaka volana vitsivitsy. Nataon’i Nebokadnezara sesitany àry izy sy ny “olona ambony” anisan’izany i Daniela (2Mp 24:15), teo am-piandohan’ny 617 T.K.

Tany Babylona. Nalefa teny amoron’ny reniranon’i Kebara, tany ivelan’ny tanànan’i Babylona, ny ankamaroan’ireo natao sesitany. I Daniela sy ny namany telo lahy kosa nampiofanina manokana momba ny soratra sy ny fitenin’ny Kaldeanina, mba hahafahany hiasa ho an’ny mpanjaka. Nomena anarana babylonianina toy ny fanao àry izy ireo, ka i Daniela natao hoe Beltesazara, araka ny anaran’ny andriamanitr’i Nebokadnezara. (Da 1:7; 4:8; jereo BELTESAZARA.) Nangataka ny homena legioma sy rano fotsiny i Daniela, satria tsy te handoto tena tamin’ny sakafo nomena azy, izay mety ho nisy voararan’ny Lalàn’i Mosesy na nanaovan’ny mpanompo sampy fombafomba. Nomen’i Jehovah Andriamanitra “fahalalana sy fahaizana ny soratra rehetra sy ny fahendrena rehetra” izy sy ny namany. “Ary nahay namantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy i Daniela, na inona na inona karazan’izany.” (Da 1:17) Rehefa tapitra ny telo taona, dia hitan’ny mpanjaka fa ‘avo folo heny ny fahaizan’izy ireo raha noharina tamin’ny an’ny mpisorona rehetra nampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra tamin’ny maty, nanerana ny fanjakany.’​—Da 1:20.

Niasa tao an-dapa i Daniela mandra-paharava an’i Babylona. “Nanompo teo anatrehan’ny mpanjaka” (babylonianina) koa ny namany telo (Da 1:19), fa asa raha hatramin’io fotoana io koa. Tao amin’ny lapa persianina i Daniela avy eo, hatramin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy, fara fahakeliny.​—Da 10:1.

Nofin’i Nebokadnezara. Nisy nofy ‘nampitebiteby’ azy tamin’ny taona faharoa nanjakany (angamba taorian’ny naharava an’i Jerosalema [607 T.K.]). Tsy nisy afaka nilaza an’ilay izy ny olon-kendriny, ka tonga teo anatrehany i Daniela nilaza ilay nofy sy ny heviny, izay efa nampahafantarin’Andriamanitra azy. Tsy novonoina àry izy sy ireo olon-kendry. ‘Koa notendren’i Nebokadnezara ho filohan’ny faritanin’i Babylona sy ho mpiadidy hifehy ny olon-kendry rehetra’ izy. (Da 2:48) Tao an-dapa àry izy, fa ny namany telo kosa nahazo toerana ambony tany ivelan’ny lapa.

Tsy resahin’ny Baiboly hoe nahoana i Daniela no tsy niaraka tamin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, rehefa niharam-pitsapana izy ireo ka nodidiana hiankohoka teo anoloan’ny sarivongana volamena teo amin’ny Lemak’i Dora. (Da 3) Tsy ho niankohoka mihitsy anefa i Daniela raha teo, na inona na inona nitranga, rehefa dinihina ny nataony talohan’izay. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra koa izy taorian’izay, na dia norahonana ho faty aza. (Da 6) Nankasitrahan’i Jehovah koa izy fa nahafoy tena ho Azy, toa an’i Noa sy Joba.​—Ezk 14:14, 20; Mt 24:15; He 11:32, 33.

Tatỳ aoriana dia nanonofy i Nebokadnezara hoe nahita hazo lehibe iray nokapaina ary avy eo navela haniry indray. Faminaniana izany ary tanteraka voalohany tamin’io mpanjaka lehibe tao Babylona io, hoy i Daniela. (Da 4:20-22) Ho lasa adala fito taona izy io, ho sitrana avy eo, ary hanjaka indray. Nohamafisiny fa tanteraka taminy ilay nofy avy tamin’Andriamanitra, ka nambarany eran’ny fanjakany izany.​—Da 4:1, 2.

Fahitana. Nahazo fahitana roa i Daniela, tamin’ny taona voalohany sy fahatelo nanjakan’i Belsazara. (Da 7, 8) Tsy inona ireo biby samihafa hitany, fa firenena matanjaka mifandimby. Hotorotoroina izy ireo amin’ny farany, ary homena an’ilay “toy ny zanak’olona” ny fitondrana any an-danitra. (Da 7:11-14) Tsy hay raha tamin’ny fahitana fotsiny, na tena tany Sosana, i Daniela tamin’izy nahazo an’ilay fahitana resahin’ny toko faha-8. Toa tsy natao na zara raha natao mpanolo-tsaina izy nandritra ny taona maro, rehefa maty i Nebokadnezara. Nila niresaka momba azy tamin’i Belsazara àry ny renin’ny mpanjaka, rehefa tsy nisy olon-kendry nahay nanazava ny hevitr’ilay sora-tanana teo amin’ny rindrin’ny lapa, nandritra ilay fety be nanazimbazimban-dry Belsazara an’Andriamanitra. Araka ny nampanantenaina, dia “nambara fa [i Daniela] no ho mpitondra fahatelo eo amin’ny fanjakana.” I Nebokadnezara mantsy no mpitondra voalohany ary i Belsazara zanany no faharoa. Ny alin’iny ihany dia resin’ny Medianina sy Persianina ilay tanàna, ary novonoina i Belsazara.​—Da 5:1, 10-31.

Rehefa nitondra i Media-Persa. Anisan’ny olom-panjakana ambony telo voatendry hifehy an’ireo lehibem-paritany 120 izay hitantana ilay fanjakana i Daniela, rehefa nanjaka i Dariosy Medianina. Nahay tsara ny asany izy noho ny fitahian’Andriamanitra, ka saika hasandratra hiadidy ny fanjakana manontolo. Nitsiriritra sy nialona azy àry ny manam-pahefana hafa ka nitetika ny hampamono azy. Tsy nahita hokianina taminy anefa izy ireo, ka nampirisika an’ilay mpanjaka hamoaka didy hanohintohina ny fanompoany an’Andriamanitra. Tsy te hampihatra an’ilay didy i Dariosy, nefa tsy azo novana izy io araka ny lalàna, ka natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela. Tsy nivadika sy nanam-pinoana anefa izy. Nirahin’i Jehovah hiaro azy àry ny anjeliny. Nosazin’i Dariosy kosa ireo nitetika hanisy ratsy azy, ka lanin’ny liona.​—Da 6.

Nandinika ny asa soratr’i Jeremia i Daniela tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy. Takany àry fa efa ho tapitra ireo 70 taona nahalao an’i Jerosalema. (Je 25:11, 12) Niaiky izy fa mpanota ny fireneny, ary nivavaka mba hankasitrahan’i Jehovah ny toerana masina rava tany Jerosalema. (Da 9:1, 2, 17) Nampahafantarin’i Gabriela azy ny faminaniana momba ireo 70 herinandro manondro ny taona hiavian’ny Mesia. Faly i Daniela nahita ny Jiosy niara-nody tamin’i Zerobabela tamin’ny 537 T.K. Tsy voalaza anefa hoe niaraka tamin’ireny izy. Nanome azy fahitana koa ny anjely iray tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy (536 T.K.), rehefa avy niady tamin’ny andrianan’i Persa. Nolazain’izy io taminy “izay hanjo ny [firenen’i Daniela] any am-parany, satria mbola andro maro any aoriana vao ho tanteraka ilay fahitana.” (Da 10:14) Nosoratan’i Daniela àry izay hitranga amin’ny hoavy, nanomboka teo amin’ny tantaran’ny mpanjakan’i Persa. Naminany izy fa hisy firenena roa matanjaka be (“ny mpanjakan’ny avaratra” sy “ny mpanjakan’ny atsimo”) hiavaka amin’ireo firenena eran-tany. Hifandrafy mandra-pitsangan’i Mikaela izy roa ireo, ary avy eo hisy fotoam-pahoriana lehibe.​—Da toko 11, 12.

Ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy angamba i Daniela no maty. Efa ho 100 taona mantsy izy rehefa nahazo fahitana farany (Da toko faha-10-12), raha mbola ankizy izy no nentina tany Babylona (617 T.K.). Toa efa ho faty àry izy nefa nanome toky ilay anjely fa hitsangana izy. Hoy izy io: “Fa ianao kosa, mirosoa ho amin’ny farany. Dia hiala sasatra ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.”​—Da 12:13.

Asa sorany. Niresaka an’i Daniela i Kristy. (Mt 24:15) Miresaka azy an-kolaka koa ny Hebreo 11:33. Tsy voaporofo ny tenin’ny mpanao tsikera hoe olona iray na maromaro tamin’ny andron’ny Makabeo no nanoratra ny bokin’i Daniela na ny ampahany aminy. Nampian’olon-kafa tantara telo tsy anisan’ny Tenin’Andriamanitra anefa ilay boky, dia ny “Hiran’ny Sakaizan’i Daniela Telo Lahy (Hiran’ny Zaza Telo)”, “Sozana sy Ireo Anti-dahy”, ary “Bela sy ilay Dragona.” Angano fotsiny ireo sy ny asa soratra hafa milaza fa nosoratan’i Daniela na miresaka ny fahagagana sy fampianarana hafahafa nataony, hono. Mifantoka amin’ny lazany ireo, ka tsy azo itokisana.​—Jereo APOKRIFA; DANIELA, BOKIN’I.

3. Levita mpisorona avy tamin’ny taranak’i Itamara, ary niaraka tamin’i Ezra nankany Jerosalema (468 T.K.). (Ezr 8:2) Mety ho izy na ny taranany no nanao sonia an’ilay fieken-keloka tamin’ny andron’i Nehemia Governora. (Ne 10:6) Olon-kafa kosa ilay Daniela mpaminany avy tamin’ny fokon’i Joda.​—Da 1:6.