Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Daniela, Bokin’i

Daniela, Bokin’i

Faminaniana anisan’ny ampahany amin’ny Baiboly lazaina fa nosoratan’ny mpaminany “lehibe.” Manarakaraka ny bokin’i Ezekiela izy io, toy ny ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina. Anisan’ireo “Asa Soratra” na “Hagiografy” izy io ao amin’ny Baiboly hebreo.

Mpanoratra. I Daniela no nanoratra an’ilay boky satria hoy ny Daniela 7:1: “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara mpanjakan’i Babylona, dia nanonofy sy nahita fahitana i Daniela tamin’izy tao am-pandriana. Dia nataony an-tsoratra ilay nofy, ka notantarainy izay rehetra hitany.” Nampiasa hoe “izaho” na “aho” koa izy ao amin’ny Daniela toko faha-7-12.

“Izy” kosa no nampiasain’i Daniela eo amin’ny Daniela toko 1-6 rehefa miresaka momba ny tenany, nefa tsy midika izany hoe tsy izy no nanoratra an’ilay boky. Toy ny hoe mpitazana nitantara ny zava-nitranga taminy sy ny hafa mantsy izy. Nanao toy izany koa matetika i Jeremia, mpanoratra Baiboly. (Jereo Je 20:1-6; 21:1-3; sy toko 26, 36.) Nampiasa ny teny hoe “aho” koa anefa izy.​—Je 1, 13, 15, 18; jereo DANIELA No. 2.

Toerana sy fotoana nanoratana azy. Tany Babylona ilay boky no nosoratana, ary tao Sosana teo amoron’ny reniranon’i Olay i Daniela no nahazo fahitana iray. Tsy fantatra marina anefa raha tao Sosana tokoa izy, na fahitana fotsiny ilay izy. Vita tamin’ny 536 T.K. tany ho any ilay boky, izay mitantara ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny 618 ka hatramin’ny 536 T.K. tany ho any.​—Da 8:1, 2.

Anisan’ny Soratra Masina. Misy mpitsikera milaza fa tsy anisan’ny Baiboly ny bokin’i Daniela. Mitovy hevitra amin’i Porphyre, filozofa mpanompo sampy tamin’ny taonjato fahatelo sady fahavalon’ny Kristianina, izy ireo. Jiosy iray tany Palestina tamin’ny andron’i Antiokosa Epifana, hoy i Porphyre, no nanoratra an’ilay boky. Zavatra efa nitranga, hono, no nosoratany fa mody nataony hoe faminaniana. Tany am-piandohan’ny taonjato faha-18 indray vao nisy nitsikera ny bokin’i Daniela. Tena anisan’ny Baiboly anefa izy io matoa neken’i Jesosy Kristy hoe marina ny faminaniana raketiny.​—Mt 24:15; Da 11:31.

Marina ara-tantara. Nahitana ampahany amin’ny bokin’i Daniela sora-tanana tao amin’ireo lava-bato amoron’ny Ranomasina Maty. Tany amin’ny voalohandohan’ny taonjato voalohany T.K. tany ho any ny tranainy indrindra tamin’ireo. Nekena ho anisan’ny Soratra Masina ny bokin’i Daniela tamin’izany, ary fantatry ny Jiosy tsara izy io matoa maro be ny dika mitovy aminy. Miresaka momba ny nanafahana an’i Daniela avy tao an-davaky ny liona, sy ny namonjena an’ireo Hebreo telo lahy avy tao anaty lafaoro koa ny Makabeo Voalohany (2:59, 60), izay boky ara-tantara na dia tsy ekena ho anisan’ny Baiboly aza.

Nilaza koa i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa naseho an’i Aleksandra Lehibe ny faminanian’i Daniela tamin’izy niditra tao Jerosalema tamin’ny 332 T.K. tany ho any, 150 taona mahery talohan’ny andron’ny Makabeo. Hoy i Josèphe: “Nino izy fa izy ilay Grika noresahin’i Daniela hoe handrava ny fanjakana persianina, rehefa naseho azy ny bokin’i Daniela.” (Rakitry ny Ela Jiosy, XI, 337 [viii, 5]) Resahin’ny tantara fa nomen’i Aleksandra tombontsoa maro ny Jiosy, noho io faminanian’i Daniela momba azy io, hono.

Fiteny nanoratana azy. Nosoratana tamin’ny teny hebreo ny Daniela 1:1–2:4a sy 8:1–12:13, fa tamin’ny teny aramianina kosa ny Daniela 2:4b–7:28. Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (Boky 1, p. 860) momba ilay ampahany amin’ny teny aramianina: “Tonga dia hita hoe mitovitovy amin’ny soratra semitika tandrefana sy ny soratra ao amin’ireo taratasy papyrus tamin’ny taonjato faha-5 T.K. na talohan’izay, ny sivifolo isan-jaton’ny teny aramianina ao amin’ny bokin’i Daniela. Ny folo isan-jato kosa teny aramianina fampiasa tany Nabatea na tany Palmyra, taorian’ny taonjato faha-5 T.K. Mety ho taorian’ny taonjato faha-5 T.K. no nampiasana voalohany an’ireo teny ireo, na koa mety ho fiteny fotsiny izy ireo fa tsy fanoratra tamin’ny taonjato faha-5 T.K. Ny tena mety ho antony tsy ahalalantsika ny niavian’ireo folo isan-jato ireo anefa dia satria mbola tsy haintsika tsara aloha izao ilay fiteny. Antenaina anefa fa ho fantatsika izany any aoriana any.”​—Nataon’i G. Bromiley, 1979.

Lazaina fa misy teny persianina ao amin’ny bokin’i Daniela. Tsy mahagaga izany satria anisan’ny nifanerasera tamin’ny Jiosy ny Babylonianina sy Medianina ary Persianina. Anaram-boninahitra, fitafiana, voambolan’ny mpanao lalàna, sy ny toy izany, ny ankamaroan’ny teny vahiny nampiasain’i Daniela, satria toa tsy nisy teny hebreo na aramianina nifanitsy tamin’ireny. Fiteny azon’ny mpiray firenena taminy no nampiasainy, satria tany Babylonia ny ankamaroan’izy ireo ary maro no niparitaka tany an-toeran-kafa.

Fampianarana raketiny. Tsikerain’ny olona sasany ny bokin’i Daniela, satria miresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty. (Da 12:13) Efa fampianarana tatỳ aoriana mantsy, hono, izy io na zavatra ninoan’ny mpanompo sampy. Miresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty koa anefa ny boky hafa ao amin’ny Soratra Hebreo (Jb 14:13, 15; Sl 16:10), ary nisy olona tena natsangana tamin’ny maty. (1Mp 17:21, 22; 2Mp 4:22-37; 13:20, 21) Nilaza mihitsy aza ny apostoly Paoly fa nino i Abrahama hoe hitsangana ny maty (He 11:17-19), ary tsy andrin’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny ny hitrangan’izany. (He 11:13, 35-40; Ro 4:16, 17) Hoy koa i Jesosy: “Fa na i Mosesy aza nampahafantatra ny amin’ny fitsanganan’ny maty, tao amin’ny fitantarana momba ilay voaroy, rehefa niantso an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.’”​—Lk 20:37.

Misy milaza fa zavatra efa nitranga no nosoratan’i Daniela, fa tsy faminaniana. Raha marina izany, dia tsy maintsy ho taorian’ny nahavitan’i Jesosy ny fanompoany teto an-tany izy io vao nosoratana. Misy faminaniana momba ny fotoana isehoan’ny Mesia sy ny sorona ataony mantsy ao amin’ny toko fahasivy. (Da 9:25-27) Resahin’ny faminanian’i Daniela mihitsy aza ireo fanjakana hifandimby mandra-pahatongan’ny “fotoanan’ny farany”, izay handravan’ny Fanjakan’ny Mesia azy ireny.​—Da 7:9-14, 25-27; 2:44; 11:35, 40.

Sarobidy. Mampiavaka ny bokin’i Daniela ireo faminaniana momba ny vanim-potoana samy hafa, toy ireo 69 herinandron-taona manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’ny Mesia; izay hitranga mandritra ny herinandro faha-70 sy ny fandravana an’i Jerosalema aoriana kelin’izay (Da 9:24-27); ny “fe-potoana fito” nantsoin’i Jesosy hoe “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, izay mbola nitohy tamin’izy teto an-tany sady ela be tatỳ aoriana vao tapitra (Da 4:25; Lk 21:24); ireo 1290 sy 1335 ary 2300 andro; ary ny “fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana.” Tena ilaina ireo faminaniana ireo mba hahatakarana ny fomba ifandraisan’Andriamanitra amin’ny vahoakany.​—Da 12:7, 11, 12; 8:14; jereo FE-POTOANA VOATONDRO HO AN’NY HAFA FIRENENA; FITOPOLO HERINANDRO.

Noresahin’i Daniela tamin’ny an-tsipiriany koa ny momba an’ireo firenena matanjaka hifandimby, nanomboka tamin’i Babylona fahiny ka mandra-pahatongan’ny fotoana hanorotoroan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy ireny. Haharitra mandrakizay ilay Fanjakan’Andriamanitra tantanan’ilay mpanjaka nofidiny sy ireo ‘olony masina’, ary hitondra fitahiana ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra.​—Da 2:44; 7:13, 14, 27.

Manampy antsika hahazo hoe inona ireo bibidia ao amin’ny Apokalypsy, ny nanazavan’ilay anjely fa firenena matanjaka ireo biby ao amin’ilay faminaniana.​—Da 7:3-7, 17, 23; 8:20, 21; Ap 13:1-18; jereo BIBY AN’OHATRA.

Novonjena avy tao anaty lafaoro mirehitra ny naman’i Daniela telo lahy, satria tsy nety niankohoka teo anoloan’ny sarivongana volamena nataon’i Nebokadnezara. (Da 3) Zon’ny mpanompon’i Jehovah àry ny tsy hanompo afa-tsy Izy irery ihany, na dia nofehezin’ilay firenena natanjaka indrindra voalohany nandritra ny “Andron’ny Jentilisa” aza izy ireo. Manampy ny Kristianina koa io tantara io hahatakatra fa voafetra ihany ny fanekeny ny manam-pahefana. (Ro 13:1) Nahatakatra izany koa ny apostoly. (As 4:19, 20; 5:29) Asehon’izy io koa fa tsy mitsabaka mihitsy amin’ny raharahan’ireo firenena ny Kristianina. Mety hahitany olana izany nefa tapa-kevitra ny tsy hanompo afa-tsy i Jehovah irery izy, na hamonjy azy Andriamanitra na hamela azy hovonoina ho faty noho izy tsy mivadika.​—Da 3:16-18.

[Efajoro, pejy 361]

HEVITRA MISONGADINA: DANIELA

Faminaniana momba an’ireo fanjakana hifandimby nanomboka tamin’i Babylona; hanorotoro azy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra ary avy eo hitondra

Nosoratan’i Daniela, izay efa tany Babylona tamin’ny 617 T.K. ary mbola tany taorian’ny niverenan’ny Jiosy tany Jerosalema (537 T.K.)

Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Daniela sy ny namany telo natao sesitany tany Babylona

Nomanina hanompo tao an-dapa izy ireo; tsy nety nisotro ny divay sy nihinana ny hanim-py tao; nomen’i Jehovah fahalalana sy fahaizana (1:1-21)

Tsy nety nivavaka tamin’ilay sarivongana nataon’i Nebokadnezara i Sadraka sy Mesaka ary Abednego; tezitra ilay mpanjaka nefa nilaza izy ireo fa tsy hanompo ny andriamaniny; nofatorana sy natsipy tao anaty lafaoro mahamay be; nafahan’ny anjely (3:1-30)

Nialonan’ny olona ambony i Daniela ka nanaovany tetika hamelezana azy; nivavaka tamin’Andriamanitra foana na dia voarara aza izany; natsipy tao an-davaky ny liona; nafahan’ny anjely (6:1-28)

Nofy sy fahitana nampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra hotantanan’ny Mesia

Sarivongana ngezabe notorotoroin’ny vato tsy nendahan-tanana: Ireo firenena matanjaka hifandimby nanomboka tamin’i Babylona; hanorotoro sy hisolo azy rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra (2:1-49)

Hazo mijoalajoala notapahina ary nasiana fehiny nandritra ny fe-potoana fito; tanteraka voalohany rehefa lasa adala ny mpanjaka ka niaina fito taona toy ny bibidia, mandra-pahafantany fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena azy no omeny azy (4:1-37)

Sora-tanana teo amin’ny rindrina rehefa nampiasa an’ireo kaopy avy tao amin’ny tempolin’i Jehovah i Belsazara mba hiderana ny andriamaniny; nantsoina i Daniela, sahy niteny mafy an’ilay mpanjaka, nanazava ny dikan’ilay soratra: Homena ny Medianina sy Persianina ny fanjakany (5:1-31)

Firenena matanjaka toy ny liona, leopara, biby mampahatahotra nanana tandroka folo ary nisy tandroka kely iray nipoitra teo amin’ny lohany; nomen’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be an’ilay toy ny zanak’olona ny fitondrana (7:1-28)

Toy ny ondrilahy, osilahy, tandroka kely iray, ireo firenena matanjaka handimby an’i Babylona; nanohitra an’ilay Andrianan’ny tafiky ny lanitra ilay tandroka kely, tapaka nefa tsy nisy tanana namely azy (8:1-27)

Herinandron-taona 70; hiseho ny Mesia rehefa afaka 7 + 62 herinandro ary hovonoina; fifanekena (tamin’i Abrahama) hatao manan-kery ho an’ny Jiosy ihany mandritra ny herinandro (9:1-27)

Adin’ny mpanjakan’ny avaratra sy atsimo, hitsangana mba hanafaka i Mikaela, ary izay hitranga aorian’izay (10:1–12:13)