Darìka
Vola madinika volamena persianina nilanja 8,4 g, izany hoe 94,50 dolara. Misy sarina mpanjaka mandohalika amin’ny tongony iray, mitana lefona ny tanany havanana ary tsipìka ny tanany havia, ny darìka nampiasaina nandritra ny 200 taona nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato fahenina T.K. Ao ambadika kosa misy fitomboka boribory lavalava. Darìka ny sandan’ny volamena sasany nomena ho an’ny tempoly tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, na dia tsy fantatra tamin’izany aza ny darìka persianina. (1Ta 29:7) Navadik’ilay mpanoratra ny Tantara ho darìka mantsy ilay izy satria io no fantatra sy fampiasan’ny olona tamin’ny androny.—Ezr 8:27.