Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Davida

Davida

(Davìda) [mety hidika hoe Malala].

Mampiasa an’io anarana io in-1061 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao malagasy ao amin’ny Soratra Hebreo (ny 76 amin’ireo dia ao amin’ny teny mampiditra ny salamo miisa 73), ary in-64 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Amin’ireo olona ao amin’ny Soratra Hebreo ka resahin’ny Soratra Grika, dia i Mosesy sy Abrahama ihany no voatonona imbetsaka kokoa noho i Davida. Miseho in-1125 àry io anarana io ao amin’ny Baiboly, ary manondro an’ilay mpanjaka faharoa teo amin’ny Israely na koa i Jesosy Kristy, izay antsoina hoe “zanak’i Davida” satria mifanitsy aminy.​—Mt 1:1.

Mpiandry ondry i Davida, sady mpitendry zavamaneno, poety, miaramila, mpitondra fanjakana, mpaminany, ary mpanjaka. Miavaka izy ao amin’ny Soratra Hebreo, satria hita hoe mpiady tsy saro-tahotra sady nahavita niaritra ny mafy, ary mpitondra sy mpitari-tafika mahery sy be herim-po foana. Nanetry tena koa anefa izy ka niaiky rehefa diso, ary nibebaka rehefa nanao fahotana lehibe. Tena nangoraka koa izy sady namindra fo, ary tia rariny sy hitsiny. Ny zava-dehibe indrindra dia natoky tanteraka an’i Jehovah Andriamaniny izy.

Taranak’i Boaza sy Rota i Davida, ary avy amin’ny fokon’i Joda satria taranak’i Pereza. (Rt 4:18-22; Mt 1:3-6) Izy no faralahy amin’ireo zanakalahy valo naterak’i Jese. Nanana anabavy roa izy, ary mety ho hafa ray izy ireo. (1Sa 16:10, 11; 17:12; 1Ta 2:16) Azo inoana fa maty tsy niteraka ny rahalahiny iray, ka tsy voatonona ao amin’ireo tetirazana nosoratana tatỳ aoriana. (1Ta 2:13-16) Tsy voalaza ny anaran-dreniny, na dia misy mihevitra aza hoe i Nahasy. Azo inoana kokoa anefa hoe rain’ireo anabavin’i Davida i Nahasy.​—2Sa 17:25; jereo NAHASY No. 2.

Betlehema no tanàna niavian’i Davida. Any amin’ny 9 km eo ho eo, any atsimo atsimoandrefan’i Jerosalema, izy io. Tao koa no nonina i Jese, Obeda, ary Boaza razambeny. Nantsoina hoe ‘tanànan’i Davida’ i Betlehema indraindray. (Lk 2:4, 11; Jn 7:42) I Ziona any Jerosalema kosa ilay antsoina hoe “Tanànan’i Davida” ao amin’ny 2 Samoela 5:7.

Tamin’izy mbola tanora. Resahina voalohany i Davida tamin’izy niandry ny ondrin-drainy tany an-tsaha tany akaikin’i Betlehema. Tany koa, 1 000 taona mahery tatỳ aoriana, no nisy mpiandry ondry gaga be rehefa nandre ny anjelin’i Jehovah nanambara fa teraka i Jesosy. (Lk 2:8-14) Nirahin’Andriamanitra tany amin’i Jese i Samoela mba hanosotra ny iray tamin’ireo zanany lahy ho mpanjaka. Natolotra izy fito lahy rahalahin’i Davida, nefa hoy i Samoela: “Tsy nifidy an’ireo i Jehovah.” Nalaina tany an-tsaha àry i Davida. Niandriandry ny rehetra, satria mbola tsy fantatra ny anton-dian’i Samoela hatreo. Tonga i Davida avy eo. Voalaza fa “somary mena ilay zazalahy, ary mahafinaritra be ny masony sady tsara tarehy izy.” Hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Mitsangàna, ka hosory izy, fa io no izy!” Izy tokoa ilay nolazain’i Jehovah hoe: “Nahita an’i Davida zanak’i Jese aho. Lehilahy sitraky ny foko izy, ary hanao izay iriko rehetra.”​—1Sa 16:1-13; 13:14; As 13:22.

Mbola ankizy i Davida dia efa mpiandry ondry, ary nisy vokany lehibe teo amin’ny fiainany izany. Tany an-tsaha foana izy ka toy ny nanomana azy ho amin’ny fiainany tatỳ aoriana izany, rehefa nandositra an’i Saoly izy. Lasa nahay nampiasa pilotra koa izy ary nahavita niaritra ny mafy sy nanjary be herim-po. Tsy niahotra nitady ondry very sy namonjy azy izy, ka tsy nisalasala namono orsa na liona, rehefa nilaina izany.​—1Sa 17:34-36.

Miaramila be herim-po no tena ahatsiarovana an’i Davida. Tena nahay nitendry harpa sy namoron-kira koa anefa izy, ary angamba tamin’izy niandry ondry nandritra ny fotoana lava no nianarany izany. Nalaza ho nahay nanamboatra zavamaneno vaovao koa izy. (2Ta 7:6; 29:26, 27; Am 6:5) Tsy hirahira fialam-boly fotsiny ny hirany, fa ahitana ny fitiavany an’i Jehovah ka lasa sangan’asa niavaka, ary natao hampiasaina amin’ny fivavahana sy hiderana an’i Jehovah. Voalazan’ny teny mampiditra an’ireo salamo 73 mahery fa izy no namorona azy ireo. Misy salamo hafa koa anefa heverina ho nosoratany (ampitahao Sl 2:1 sy As 4:25; ary Sl 95:7, 8 sy He 4:7), anisan’ireny ny Salamo 8, 19, 23, ary 29. Hita ao amin’izy ireo ny fiainany tamin’ny naha mpiandry ondry azy.

Lasa havanana tamin’ny fikarakarana ondry izy, ary nampiofana azy ho amin’ny asa lehibe kokoa izany, dia ny fiandrasana ny vahoakan’i Jehovah. Voalaza fa “nifidy an’i Davida mpanompony [i Jehovah], ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry. Teny am-piandrasana ondrivavy mampinono izy no nalainy mba hiandry an’i Jakoba olony sy Israely lovany.” (Sl 78:70, 71; 2Sa 7:8) Tsy hoe handray ny fitondrana anefa no nandaozany an’ireo ondrin-drainy, tamin’ny voalohany, fa hitendry zavamaneno tao an-dapan’i Saoly. Nisy mpanolo-tsain’i Saoly mantsy nilaza fa ‘nahay nitendry harpa’ i Davida ary ‘lehilahy natanjaka sy nahery fo sady lehilahy mpiady. Nahay nandaha-teny koa izy sady tsara bika, ary nomba azy i Jehovah.’ (1Sa 16:18) Lasa mpitendry harpa ho an’i Saoly àry izy rehefa nikorontan-tsaina i Saoly. Nanjary mpitondra ny fiadiany koa izy.​—1Sa 16:19-23.

Nody tany amin-drainy i Davida tatỳ aoriana, ary tsy voalaza ny antony sady tsy fantatra hoe naharitra hafiriana. Nitondra sakafo ho an’ireo rahalahiny, izay miaramila tao amin’ny tafik’i Saoly, izy indray mandeha. Efa vonon-kiady tamin’ny Filistinina ilay tafika tamin’izay. Tezitra be i Davida rehefa nahita sy nandre an’i Goliata nanala baraka an’i Jehovah. Hoy izy: “Zinona moa io Filistinina tsy mifora io no dia mihantsy ady amin’ny tafik’ilay Andriamanitra velona?” (1Sa 17:26) Hoy ihany izy: “I Jehovah izay namonjy ahy teo an-tanan’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy eo an-tanan’io Filistinina io.” (1Sa 17:37) Navelan’i Saoly hanatona an’i Goliata àry ilay tovolahy efa nahafaty liona sy orsa. Hoy i Davida taminy: “Izaho ... manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely izay nohantsinao.” Notifirin’i Davida tampoka tamin’ny pilotra ilay fahavalo goavam-be ka lavo. Nalainy ny sabatr’i Goliata, ary notapahiny tamin’iny ny lohany. Niverina tany an-toby izy avy eo nitondra ny loha sy ny sabatr’ilay lehilahy goavam-be.​—1Sa 17:45-54; SARY, Boky 1, p. 745.

Tsara homarihina fa tsy hita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, Sora-tanana Vaticanus No. 1209, ny 1 Samoela 17:55 ka hatreo amin’ny 18:6a eo amin’ny hoe “tafaverina.” Nataon’ny Baibolin’i Moffatt ao anaty fonon-teny mahitsy daholo àry ireo andininy ireo manontolo, afa-tsy ny andininy farany. Nomarihiny hoe “teny nampiana na nasisika tatỳ aoriana” izy ireo. Izay hita ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta anefa no voaporofo fa marina.​—Jereo SAMOELA, BOKIN’I (Ampahany tsy ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo).

Nandositra an’i Saoly. (SARINTANY, Boky 1, p. 746) Tao anatin’ny fotoana fohy no nitrangan’izany rehetra izany, ka lasa nalaza tampoka teo amin’ny Israely manontolo i Davida, nefa tsy nisy nahamarika akory izy teo aloha tany an-tany efitra. Notendrena ho mpifehy an’ireo lehilahy mpiady izy. Nihira sy nandihy ny Israelita nitsena azy, rehefa nody avy nandresy an’ireo Filistinina izy. Nalaza tamin’izany ilay hira hoe: “I Saoly nahafaty arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty alinalina.” (1Sa 18:5-7) “Tia an’i Davida ny Israely rehetra sy ny Joda.” Nanao fifanekena taminy mihitsy i Jonatana, zanak’i Saoly, fa hifankatia sy ho mpinamana foana izy roa lahy. Nandray soa avy tamin’izany hatramin’ny zanak’i Jonatana (Mefiboseta) sy ny zafikeliny (Mika).​—1Sa 18:1-4, 16; 20:1-42; 23:18; 2Sa 9:1-13.

Lasa nalaza i Davida ka nialona azy i Saoly. “Niahiahy an’i Davida foana i Saoly nanomboka tamin’iny andro iny, ka hita tamin’ny fijeriny azy izany.” Indroa izy no nitoraka lefona an’i Davida, izay teo am-pitendrena zavamaneno toy ny fanaony taloha. Tian’i Saoly hifantsika tamin’ny rindrina izy. Indroa koa anefa i Jehovah no niaro an’i Davida. Nampanantena i Saoly fa homeny ho vadin’izay nahafaty an’i Goliata ny zanany vavy. Tsy nazoto indray anefa izy rehefa resin’i Davida i Goliata. Nanaiky hanome an’ilay zanany vavy faharoa ihany i Saoly, tatỳ aoriana, raha nanome ‘tsitsy nesorina tamin’ny lehilahy filistinina zato’ i Davida. Nataon’i Saoly be dia be ilay izy satria tiany ho fatin’ny Filistinina i Davida. Tsy natahoran’i Davida anefa izany, ary nataony avo roa heny ny vodiondry, ka tsitsy nesorina tamin’ny lehilahy 200 no natolony. Lasa vadiny àry i Mikala. Ny roa tamin’ireo zanak’i Saoly izao no lasa tia an’i Davida ka nanao fifanekena taminy. Vao mainka àry halan’i Saoly izy. (1Sa 18:9-29) Nitendry zavamaneno teo anatrehan’i Saoly indray izy, taorian’izay, ary saika nataony nifantsika tamin’ny rindrina fanintelony. Nitsoaka tamin’iny alina iny i Davida. Rehefa nihaona indray tamin’i Saoly izy, dia hafa mihitsy ny zava-nisy sady tsy toy ny nahazatra.​—1Sa 19:10.

Nandositra an’i Saoly foana i Davida, nandritra ny taona maromaro tatỳ aoriana. Nifindrafindra monina izy, satria nanenjika azy tsy an-kijanona ilay mpanjaka mafy loha sy ratsy fanahy. Ny hamono an’i Davida ihany no tao an-tsainy. Nitsoaka tany amin’i Samoela mpaminany tany Rama aloha i Davida. (1Sa 19:18-24) Tsy voaro intsony anefa izy tao, tatỳ aoriana, ka nitodi-doha nankany Gata, tanànan’ny Filistinina. Nijanona kely tao amin’i Ahimeleka Mpisoronabe tao Noba anefa aloha izy, ary nomen’i Ahimeleka azy ny sabatr’i Goliata. (1Sa 21:1-9; 22:9-23; Mt 12:3, 4) Tsy maintsy niala tao Gata indray anefa izy. Saika tsy tafavoaka tao izy, raha tsy nody adala ka nanoratsoratra teo amin’ny vavahady sady namela ny iviny hiraraka tamin’ny volombavany. (1Sa 21:10-15) Izany zava-nitranga izany no nahatonga azy hanoratra ny Salamo 34 sy 56. Nandositra tao amin’ilay lava-bato tao Adolama izy, ary tonga tany koa ny havany sy ny lehilahy 400 teo ho eo izay niharan’ny tsy rariny sy azom-pahoriana. Mety ho fahatsiarovana an’izay no antony nanoratany ny Salamo 57 na 142, na izy roa mihitsy. Nifindrafindra i Davida taorian’izay: Nankany Mizpe any Moaba izy, ary avy eo niverina tany amin’ny alan’i Hareta tany Joda. (1Sa 22:1-5) Nipetraka tany Keila izy tatỳ aoriana, nefa reny fa ho avy hanafika tany i Saoly. Lasa tany an-tany efitr’i Zifa tany Horesa indray izy sy ny olony izay efa nisy 600 teo ho eo. Tonga tany koa i Saoly ary nanenjika azy hatrany an-tany efitr’i Maona. Kely sisa dia ho tratran’i Saoly i Davida. Tamin’izay anefa no nisy nilaza tamin’i Saoly fa nanafika ny taniny ny Filistinina. Niverina izy ary nohararaotin’i Davida izany mba handosirana tany En-jedy. (1Sa 23:1-29) Nanafaka azy tamin’ny fomba mahagaga imbetsaka i Jehovah, ka nanoratra salamo kanto (Sl 18, 59, 63, 70) izy mba hiderana Azy.

Nankao amin’ny lava-bato iray i Saoly tany an-tany efitr’i En-jedy, satria te hivoaka izy. Efa tany anatiny indrindra tao amin’ilay lava-bato anefa i Davida. Nitsaitsaika izy, ary notapahiny ny morontongotr’akanjon’i Saoly. Tsy namono an’i Saoly anefa izy. Hoy izy: “Sanatria ahy ny haninjitra ny tanako hamely ny tompoko izay voahosotr’i Jehovah.”​—1Sa 24:1-22.

Taorian’ny nahafatesan’i Samoela. Mbola tsy afaka nody i Davida taorian’ny nahafatesan’i Samoela. Nonina tany an-tany efitr’i Parana izy. (Jereo PARANA.) Nisy lehilahy mpanankarena natao hoe Nabala niasa tany Karmela, tany atsimon’i Hebrona. Nanana ondry aman’osy be dia be izy. Tsara fanahy taminy i Davida sy ny olony, saingy tsy nankasitraka izany i Nabala ka tsy nety nanampy azy. Niomana handripaka ny lahy rehetra tao amin’ny ankohonan’i Nabala àry i Davida. Nanao zavatra haingana i Abigaila vadin’i Nabala mba hisakanana an’i Davida. I Nabala kosa nasian’i Jehovah ka maty. Nalain’i Davida ho vady i Abigaila avy any Karmela, taorian’izay, ho fanampin’i Ahinoama avy any Jezirela. Efa nomen’i Saoly ho vadin’olon-kafa i Mikala, satria tsy teo ela be i Davida.​—1Sa 25:1-44; 27:3.

Nankany an-tany efitr’i Zifa fanindroany i Davida, ary nanomboka nanenjika azy indray i Saoly sy ny miaramilany 3000 lahy. Hoy i Davida tamin’i Saoly: “Efa nivoaka hitady parasy iray ny mpanjakan’ny Israely, toy ny olona manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.” Nitsofoka mangingina tao amin’ny tobin’i Saoly i Davida sy Abisay, indray alina, ary nalainy ny lefon’i Saoly sy ny tavoara fasiany rano, raha mbola natory ny rehetra. Saika hamono an’i Saoly i Abisay, fa nitsimbina azy fanindroany i Davida. Hoy izy: “Sanatria ahy ny haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’i Jehovah, satria tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’i Jehovah izany!” (1Sa 26:1-25) Izay no nahitan’i Davida farany an’i Saoly fahavalony.

Nijanona tany Ziklaga, tany amin’ny faritanin’ny Filistinina, i Davida, ary tsy azon’i Saoly izy nandritra ny 16 volana. Nisy lehilahy mahery maro niala tamin’ny tafik’i Saoly ka nankany amin’i Davida tany Ziklaga. Noho ireny no nahafahany nanafika ny tanànan’ireo fahavalon’ny Israely tany atsimo, ka nandroaka an’ireo firenena tao anatin’ny sisin-tanin’i Joda, ary nasehony tamin’izany fa mendrika ny ho mpanjaka izy. (1Sa 27:1-12; 1Ta 12:1-7, 19-22) Nasain’i Akisy mpanjakan’ny Filistinina hiaraka taminy i Davida, rehefa niomana hanafika an’i Saoly izy ireo. Nihevitra mantsy i Akisy fa “nanjary halan’ny Israely olony” i Davida. Tsy nety anefa ny andriana mpiray dinan’ny Filistinina, satria natahotra hoe hivadika tamin’izy ireo i Davida. (1Sa 29:1-11) Raikitra tokoa ny ady ary tonga hatrany amin’ny Tendrombohitra Gilboa. Maty tamin’ilay ady i Saoly sy ny zanany telo lahy, anisan’izany i Jonatana.​—1Sa 31:1-7.

Tamin’izay ny Amalekita no nandroba sy nandoro an’i Ziklaga, ary nentiny ho babo ny zaza amam-behivavy rehetra. Nenjehin’i Davida sy ny tafiny avy hatrany izy ireo ka tratrany, ary navotany ny vady aman-janany sy ny fananany rehetra. (1Sa 30:1-31) Tonga tany amin’i Davida ny Amalekita iray, telo andro taorian’izay, ary nitondra ny diadema sy ny braselen’i Saoly sady nirehareha hoe izy no namono an’ilay mpanjaka izay efa naratra. Nanantena hahazo valisoa mantsy izy. Nandainga anefa izy. Nasain’i Davida novonoina izy, na izany aza, satria izy mihitsy no nilaza fa “namono ho faty ny voahosotr’i Jehovah.”​—2Sa 1:1-16; 1Sa 31:4, 5.

Lasa mpanjaka. (SARINTANY, Boky 1, p. 746) Nalahelo mafy i Davida rehefa nandre fa maty i Saoly. Maty ilay fahavalo nifofo ny ainy, nefa tsy izany no nifantohany fa hoe lavo ilay voahosotr’i Jehovah. Nitomany i Davida ka namorona an’ilay hira fisaonana hoe “Ilay Tsipìka.” Nolazainy tao amin’ilay hira fa tena nalahelo izy hoe niara-maty an’ady ilay fahavalo tsy tia azy indrindra sy ilay namana tsy foiny indrindra. Hoy izy: “Nahatehotia sy nahafinaritra i Saoly sy Jonatana fony fahavelony, ary tsy nisaraka na teo amin’ny fahafatesany aza.”​—2Sa 1:17-27.

Nifindra tany Hebrona i Davida taorian’izay. Tany izy no nohosoran’ireo anti-panahin’i Joda ho mpanjakan’ny fokon’i Joda, tamin’ny 1077 T.K., ary 30 taona izy tamin’izay. Lasa mpanjaka teo amin’ireo foko hafa kosa i Isboseta zanak’i Saoly. Nisy namono anefa izy, roa taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nentin’ireo namono azy tany amin’i Davida ny lohan’i Isboseta satria nanantena hahazo valisoa izy ireo. Nasain’i Davida novonoina, toa an’ilay nilaza ho namono an’i Saoly, koa anefa izy ireo. (2Sa 2:1-4, 8-10; 4:5-12) Lasa niaraka tamin’ny fokon’i Joda ireo foko mbola nanohana an’i Isboseta zanak’i Saoly. Tonga tany amin’i Davida tatỳ aoriana ny miaramila 340 822, ary nanao azy ho mpanjakan’ny Israely rehetra.​—2Sa 5:1-3; 1Ta 11:1-3; 12:23-40.

Nanjaka tany Jerosalema. Nanjaka fito taona sy tapany tany Hebrona i Davida, ary avy eo nasain’i Jehovah nifindra tany Jerosalema, izay lasa renivohitry ny fanjakany. Ny Jebosita no nonina tany taloha, nefa resin’i Davida io tanàna voaro mafy io. Tany izy no nanorina ny Tanànan’i Davida, tao Ziona, ary nanjaka 33 taona fanampiny tany. (2Sa 5:4-10; 1Ta 11:4-9; 2Ta 6:6) Tamin’i Davida Mpanjaka tany Hebrona no naka vady hafa koa, sy namerina an’i Mikala, ary niteraka zanaka maro hafa lahy sy vavy. (2Sa 3:2-5, 13-16; 1Ta 3:1-4) Mbola naka vady sy vadikely hafa izy rehefa nifindra tany Jerosalema, ary niterahany koa ireo.​—2Sa 5:13-16; 1Ta 3:5-9; 14:3-7.

Ren’ny Filistinina fa mpanjakan’ny Israely manontolo i Davida, ka tonga mba hanongana azy izy ireo. Nanontany an’i Jehovah, toy ny fanaony taloha (1Sa 23:2, 4, 10-12; 30:8), i Davida raha tokony hiakatra hamely azy ireo, na tsia. Hoy i Jehovah: “Miakara.” Namely tampoka an’ireo fahavalo i Jehovah ka be dia be no maty, ary nantsoin’i Davida hoe Bala-perazima ilay toerana nitrangan’izany. Midika hoe “Tompon’ny Famakiana Laharana” ny hoe Bala-perazima. Paikady hafa no nampiasain’i Jehovah rehefa nifanandrina tamin’ny Filistinina indray i Davida, tatỳ aoriana. Nasainy nihodidina izy ka namely azy ireo avy any aoriana.​—2Sa 5:17-25; 1Ta 14:8-17.

Tian’i Davida hampiakarina tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena, saingy tsy tanteraka izany satria nikasika an’ilay izy i Oza ka novonoina. (2Sa 6:2-10; 1Ta 13:1-14) Telo volana teo ho eo, tatỳ aoriana, vao tanteraka izany rehefa nomanina tsara, izany hoe nanamasina ny tenany aloha ireo mpisorona sy Levita ary nilanja an’ilay Vata teo an-tsorony fa tsy nitondra azy io tamin’ny sarety toy ny tamin’ny voalohany. Faly be sy nafana fo i Davida ka “nitsinjaka sy nandihy nihodinkodina teo anatrehan’i Jehovah.” Fitafiana tsotra no nanaovany tamin’izay. Naneso azy i Mikala vadiny, ary nilaza fa ‘sahala amin’ireny lehilahy tsisy saina ireny’ izy. Tsy nitombina mihitsy anefa izany. ‘Tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny’ àry i Mikala.​—2Sa 6:11-23; 1Ta 15:1-29.

Nisy zava-baovao nampanaovin’i Davida, nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah, tao amin’ny toerana vaovao nisy ilay Vata. Nanendry mpiandry vavahady sy mpitendry zavamaneno izy ary nataony azo antoka fa hisy ‘fanatitra dorana hatolotra tsy tapaka marain-tsy hariva.’ (1Ta 16:1-6, 37-43) Te hanorina tempoly tamin’ny hazo sedera koa izy mba hasiana an’ilay Vata, ka hatao solon’ilay tranolay nisy azy io. Tsy navela hanorina an’ilay tempoly anefa izy, satria hoy Andriamanitra: “Be dia be ny ra nalatsakao, ary efa nanao ady lehibe maro ianao, ka tsy mahazo manao trano ho an’ny anarako, satria be tokoa ny ra nalatsakao tamin’ny tany teo anatrehako.” (1Ta 22:8; 28:3) Nanao fifanekena taminy i Jehovah, na izany aza, ka nampanantena fa ny taranany foana no ho eo amin’ny fanjakana. Nomeny toky koa izy fa i Solomona zanany no hanorina an’ilay tempoly. Avy amin’ny fototeny midika hoe “fiadanana” ilay anarana hoe Solomona.​—2Sa 7:1-16, 25-29; 1Ta 17:1-27; 2Ta 6:7-9; Sl 89:3, 4, 35, 36.

Noho i Jehovah efa nanao fifanekena tamin’i Davida momba ilay fanjakana, dia navelany hanitatra ny fanjakany nanomboka tany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany Eofrata izy. Nitariny hatrany amin’izay efa nofaritan’Andriamanitra àry ny sisin-taniny, nihavana foana tamin’ny mpanjakan’i Tyro koa izy, ary niady sy nandresy an’ireo fahavalo nanodidina, izany hoe ny Filistinina, Syrianina, Moabita, Edomita, Amalekita ary Amonita. (2Sa 8:1-14; 10:6-19; 1Mp 5:3; 1Ta 13:5; 14:1, 2; 18:1–20:8) Lasa mpitondra faran’izay nahery àry i Davida ary Andriamanitra no nahatonga izany. (1Ta 14:17) Tadidiny foana anefa fa tsy ny ady nataony no nahazoany ny toerany, sady tsy nandova izany koa izy. I Jehovah kosa no nametraka azy teo amin’ny seza fiandrianan’io fanjakana io, ary ny Fanjakan’Andriamanitra no mifanitsy amin’izy io.​—1Ta 10:14; 29:10-13.

Nanota ary nizaka ny vokany. Nandritra ireo ady nisesisesy tamin’ny Amonita no nitrangan’ny zavatra nampalahelo indrindra teo amin’ny fiainan’i Davida. Fanirian-dratsy navela hitombo no nanombohan’ilay izy. Nijery vehivavy nandro izy, avy teny an-tampon-tranony. I Batseba vadin’i Oria io vehivavy tsara tarehy io. (Jk 1:14, 15) Nanjary fantatr’i Davida fa lasa tany an’ady i Oria. Nampanalainy nankao an-dapa ilay vehivavy ary nanao firaisana taminy izy. Nilazana izy, tatỳ aoriana, fa bevohoka ilay vehivavy. Azo inoana fa natahotra i Davida hoe hotsaraina sy hovonoina ho faty i Batseba satria nijangajanga. Nandefa iraka haingana tany an’ady àry izy mba hampiantso an’i Oria tany Jerosalema. Nanantena izy fa hatory hiaraka tamin’ny vadiny i Oria. Tsy nody tany an-tranony anefa i Oria, ary tsy nety niara-natory tamin’ny vadiny na dia nomamoin’i Davida aza. Tsy hitan’i Davida izay natao, ka naveriny tany an’ady i Oria ary nampitondrainy taratasy natao hovakin’i Joaba irery. Nosoratany tao hoe tokony hataon’i Joaba teny aloha i Oria mba ho faty. Nandaitra ny tetika, ary maty an’ady i Oria. Nalain’i Davida ho vady i Batseba rehefa afa-tsaona. Mbola tsy nisy nahalala tamin’izay hoe bevohoka izy.​—2Sa 11:1-27.

I Jehovah kosa nijery tsara an’izany ratsy rehetra izany, ary nabaribariny ilay izy. Raha mpitsara olombelona no navelany hitsara an’i Davida sy Batseba araka ny Lalàn’i Mosesy, dia ho efa novonoina ho faty izy ireo, ary ho niara-maty tamin-dreniny ilay zaza azo tamin’ny fijangajangana. (De 5:18; 22:22) I Jehovah mihitsy anefa no nitsara an’ilay raharaha, ka namindra fo tamin’i Davida izy, satria: 1) Efa nanao fifanekena momba ilay Fanjakana taminy izy (2Sa 7:11-16); 2) azo inoana fa noho izy efa mba namindra fo tamin’ny hafa (1Sa 24:4-7; ampit. Jk 2:13); ary 3) hitan’Andriamanitra fa nibebaka izy sy Batseba. (Sl 51:1-4) Nosazina ihany izy ireo, na izany aza. Nasain’i Jehovah nilaza toy izao tamin’i Davida i Natana mpaminany: “Hampipoitra loza avy ao amin’ny ankohonanao aho, mba hamelezana anao.”​—2Sa 12:1-12.

Izany tokoa no nitranga. Narary ary tsy ela dia maty ilay zanak’i Batseba, na dia nifady hanina sy nitomany fito andro aza i Davida. (2Sa 12:15-23) Mbola nisy loza hafa koa anefa: Novetavetain’i Amnona lahimatoan’i Davida i Tamara anabaviny hafa reny, ary novonoin’ny anadahiny i Amnona vokatr’izany. Nalahelo mafy ny rainy. (2Sa 13:1-33) Tatỳ aoriana, dia nanandrana naka an-keriny ny fanjakana i Absaloma, zanakalahy fahatelo sady tena tian’i Davida. Nanao firaisana tamin’ireo vadikelin’i Davida izy mba ho hitan’ny rehetra fa halany sady nalany baraka ny rainy. (2Sa 15:1–16:22) Afa-baraka tanteraka i Davida, tamin’ny farany, rehefa nipoaka ny ady an-trano teo amin’ny fireneny, ka ny zanany lahy ihany no niady taminy. Maty tamin’io ady io i Absaloma, na dia tsy izany aza no nirin’i Davida. Nangidy taminy ilay izy. (2Sa 17:1–18:33) Nanoratra ny Salamo 3 i Davida tamin’izy nandositra an’i Absaloma. Milaza izy ao fa “avy amin’i Jehovah ny famonjena.”​—Sl 3:8.

Marina fa nanao fahadisoana sy fahotana lehibe maro i Davida, nefa nibebaka sy nitalaho famelana tamin’i Jehovah foana izy tamin’izany rehetra izany. Hita mihitsy fa tsara ny toe-pony. Izao, ohatra, no nosoratany ao amin’ny Salamo 51, taorian’ny nijangajangany tamin’i Batseba: “Efa nanam-pahadisoana aho rehefa nateraky ny reniko ... Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.” (Sl 51:5) Nanetry tena sy niaiky ny fahotany koa izy, indray mandeha, rehefa nampirisihin’i Satana hanisa an’ireo lehilahy azo atao miaramila.​—2Sa 24:1-17; 1Ta 21:1-17; 27:24; jereo FANISAM-BAHOAKA.

Nividy tany hanorenana ny tempoly. Nandefa areti-mandringana teo amin’ny vahoaka i Jehovah noho io fahadisoan’i Davida io. Rehefa nitsahatra ilay areti-mandringana, dia nividy an’ilay famoloan’i Ornana i Davida. Nanao sorona ho an’i Jehovah koa izy, ka omby no natolony ho fanatitra ary ny fitaovana fanosihosena varimbazaha no nataony kitay. Teo amin’io toerana io no nanorenan’i Solomona an’ilay tempoly kanto, tatỳ aoriana. (2Sa 24:18-25; 1Ta 21:18-30; 2Ta 3:1) Mba nirin’ny fon’i Davida foana ny hanorina an’io tempoly io, nefa tsy navela hanao izany izy. Nomena alalana kosa izy hampiasa olona maro be hipai-bato sy hanangona an’izay nilaina, anisan’izany ny talenta volamena 100 000 (385 350 00 000 dolara), talenta volafotsy 1 000 000 (660 600 0000 dolara), ary varahina sy vy tena be dia be. (1Ta 22:2-16) Naka avy tamin’ny fananany koa izy, ka nanome volamena avy any Ofira sy volafotsy voadio mitentina 120 200 0000 dolara mahery. Nomeny an’i Solomona koa ny planin’ny zava-drehetra izay azony teo ambany herin’ny fanahy masina. Nozarazarainy araka ny fanompoany avy ireo Levita an’aliny maro, ary nasiany fizarana lehibe nisy mpihira sy mpitendry zavamaneno.​—1Ta 23:1–29:19; 2Ta 8:14; 23:18; 29:25; Ezr 3:10.

Nifarana ny fanjakany. Efa hazo amoron-tevana i Davida, rehefa 70 taona, sady tsy afa-nihetsika teo am-pandriana intsony. Mbola nitohy ihany anefa ny olana teo anivon’ny ankohonany. Nanandrana naka ny fanjakana mantsy i Adonia, zanany lahy fahefatra, nefa tsy niteniteny na niera taminy sady tsy nankasitrahan’i Jehovah izany. Raha vao ren’i Davida izany, dia nasainy napetraka tamin’ny fomba ofisialy teo amin’ny seza fiandrianana i Solomona zanany, izay nofidin’i Jehovah ho mpanjaka. (1Mp 1:5-48; 1Ta 28:5; 29:20-25; 2Ta 1:8) Nanafatrafatra an’i Solomona izy taorian’izay mba handeha amin’ny lalana atoron’i Jehovah, sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny, ary ho malina amin’izay rehetra ataony. Hahomby izy raha manao izany.​—1Mp 2:1-9.

Maty i Davida rehefa avy nanjaka 40 taona, ary nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ara-dalàna raha nosoratan’i Paoly tao amin’ny lisitr’ireo olona nanana finoana niavaka izy. (1Mp 2:10, 11; 1Ta 29:26-30; As 13:36; He 11:32) Nanonona ny Salamo 110 i Jesosy, ary niaiky fa i Davida no nanoratra azy io satria notarihin’ny “fanahy masina.” (Mt 22:43, 44; Mr 12:36) Misy apostoly sy mpanoratra Baiboly maro koa miaiky hoe mpaminanin’Andriamanitra nahazo ny fanahiny masina i Davida.​—Ampitahao Sl 16:8 sy As 2:25; Sl 32:1, 2 sy Ro 4:6-8; Sl 41:9 sy Jn 13:18; Sl 69:22, 23 sy Ro 11:9, 10; Sl 69:25; 109:8 sy As 1:16, 20.

Ilay mifanitsy amin’i Davida. Matetika ny mpaminany no manonona an’i Davida sy ny tarana-mpanjaka avy aminy. Manao izany izy ireo indraindray rehefa miresaka momba an’ireo mpanjaka faramparany teo amin’ny Israely, izay lazaina hoe nipetraka teo “amin’ny seza fiandrianan’i Davida” (Je 13:13; 22:2, 30; 29:16; 36:30), ary indraindray rehefa milaza faminaniana. (Je 17:25; 22:4; Am 9:11; Za 12:7-12) Misy faminaniana sasany momba ny Mesia mifantoka amin’ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida momba ilay fanjakana. Naminany, ohatra, i Isaia fa tsy hiala “eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida” mandritra ny fotoana tsy voafetra ilay antsoina hoe “Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andrianan’ny Fiadanana.” (Is 9:6, 7; ampit. koa 16:5.) Naminany koa i Jeremia fa ho toy ny “tsimoka marina” ny Mesia, ary i Jehovah no ‘hampipoitra azy io ho an’i Davida.’ (Je 23:5, 6; 33:15-17) “I Davida mpanompoko” no niantsoan’i Jehovah an’ilay Mesia sady Mpiandry, ao amin’ny faminanian’i Ezekiela.​—Ezk 34:23, 24; 37:24, 25.

Nilaza tamin’i Maria ny anjely iray fa hiteraka zazalahy antsoina hoe Jesosy izy. Hoy koa ilay anjely: “I Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy.” (Lk 1:32) Mpandova ny seza fiandrianan’i Davida i Jesosy Kristy, satria “zanak’i Davida.” Mpandova izany koa anefa izy, na eo anatrehan’ny lalàna aza. (Mt 1:1, 17; Lk 3:23-31) Nilaza i Paoly fa taranak’i Davida i Jesosy raha araka ny nofo. (Ro 1:3; 2Ti 2:8) Nantsoin’ny olon-tsotra hoe “Zanak’i Davida” koa i Jesosy (Mt 9:27; 12:23; 15:22; 21:9, 15; Mr 10:47, 48; Lk 18:38, 39), ary tena zava-dehibe izany, satria nilaza ny Fariseo fa tokony ho “zanak’i Davida” ny Mesia. (Mt 22:42) I Jesosy mihitsy no nanamafy an’izany, rehefa tafatsangana tamin’ny maty, ka nilaza hoe: “Izaho Jesosy dia ... faka sy taranak’i Davida.”​—Ap 22:16; jereo koa Ap 3:7; 5:5.