Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Davida, Tanànan’i

Davida, Tanànan’i

Nantsoina hoe Tanànan’i Davida “i Ziona, ilay tanàna voaro mafy”, rehefa azo teo an-tanan’ny Jebosita. (2Sa 5:6-9) Io ilay havoana eo atsimon’ny Tendrombohitra Moria, izany hoe teo atsimon’ilay tempoly naorin’i Solomona tatỳ aoriana. Iva kokoa noho ny faritra nisy ny tempoly io havoana io na dia toa nitovy haavo tamin’ny Tendrombohitra Moria aza izy io taloha. Nisy famakiam-bato lehibe teo amin’io havoana io, indrindra fa nandritra ny fanjakan’i Hadrien sy tamin’ny nanorenan’ny Romanina ny tanànan’i Aelia Capitolina (t. 135 A.K.). Lasa iva kokoa noho ny Tendrombohitra Moria àry io havoana marin-tampona sy teritery io ankehitriny.​—SARY, Boky 1, p. 747, Boky Faha-2, p. 947.

Mety tsara ny niantsoana azy io hoe “tanàna voaro mafy” satria misy lohasaha lalina be eo amin’ny andaniny telo: Ny Lohasahan’i Tyropoeona eo andrefana, ny Lohasahan’i Kidrona eo atsinanana izay mifandray amin’ny Lohasahan’i Hinoma eo atsimon’ilay havoana. (1Ta 11:7) Teo avaratra ihany no tena nilana fiarovana, nefa tsy mora notafihina teo satria tery kokoa ilay havoana teo amin’io faritra io. Mbola tsy voafaritra tsara ny sisin-tany avaratra tamin’ny “Tanànan’i Davida”, na dia misy aza manam-pahaizana milaza fa mety ho io faritra tery kokoa io ilay izy. Nihatototra ireo lohasaha, rehefa nandeha ny fotoana, ka lasa sarotra narovana kokoa ilay tanàna. Tombanana ho 4 ha ka hatramin’ny 6 ha ny velaran-tany nisy ny Tanànan’i Davida fahiny.

Eo amin’ny Lohasahan’i Kidrona, eo am-pototr’ilay havoana, eo amin’ny ilany atsinanana, no misy ny loharanon’i Gihona. (1Mp 1:33) Hitan’ny mpikaroka fa nisy tionelina iray nifandray tamin’ny lavadrano, izay nahafahana nahazo ny ranon’i Gihona, nefa tsy voatery nankany ivelan’ny manda. Voalaza fa niakatra tao anatin’io lavadrano io ry Joaba sy ny miaramilany mba hidirana tao an-tanàna, ka azon’izy ireo ilay tanàna.​—2Sa 5:8; 1Ta 11:5, 6.

Nantsoina hoe “Tanànan’i Davida” ilay toerana satria nanorim-ponenana tao i Davida Mpanjaka rehefa avy nanjaka fito taona sy tapany tany Hebrona. Nanorina “trano sedera” tao izy, ary nanampy azy tamin’izany i Hirama avy any Tyro. (2Sa 5:5, 9, 11; 7:2) Nasain’i Davida nentina niakatra tao amin’ny Tanànan’i Davida ilay Vata misy ny fifanekena izay tany an-tranon’i Obeda-edoma. Tamin’izay no nitazana teo am-baravarankelin’ny tranon’i Davida i Mikala vadiny, ary nahita an’ilay filaharana. (2Sa 6:10-16; 1Ta 15:1, 29) Tao amin’io tanàna io i Davida no nalevina rehefa maty, ary maro ny mpanjaka hafa taranak’i Davida nalevina tao koa.​—1Mp 2:10.

Nanomboka tamin’ny fanjakan’i Solomona. Nafindran’i Solomona ny Vata masina, ka nataony tao amin’ilay tempoly vao naoriny teo amin’ny lembalemba malalaka kokoa, teo avaratry ny Tanànan’i Davida. Avo kokoa ny toerana nisy ny tempoly matoa voalaza fa ‘nampiakarina avy tany amin’ny Tanànan’i Davida ny Vata misy ny fifanekena.’ Avo kokoa noho ilay havoana eo atsimo àry ny Tendrombohitra Moria. (1Mp 8:1) Napetrak’i Solomona tao amin’ny Tanànan’i Davida ny zanakavavin’i Farao taorian’ny nampakarany azy. (1Mp 3:1) Rehefa vita ny trano vaovao teo akaikin’ny faritra nisy ny tempoly, dia nafindrany tany ravehivavy. Noheverina ho masina mantsy ny Tanànan’i Davida satria efa nipetraka tao taloha ny Vata masina. (1Mp 9:24; 2Ta 8:11) Nanao trano hafa tao amin’ny Tanànan’i Davida koa i Solomona. I Hezekia indray nanamboatra ny simba tao an-tanàna mba ho vonona amin’ny fanafihan’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria. (1Mp 11:27; 2Ta 32:5) Navilin’i Hezekia ny ranon’i Gihona ka nanao tionelina nolavahana tao anaty vatolampy izy mba hitarihana ny rano hankany amin’ny ilany andrefana amin’ny Tanànan’i Davida. Mampifandray an’ilay loharano sy ny dobon’i Siloama (eo amin’ny ilany atsimoandrefan’ilay havoana) io tionelina io. (2Ta 32:30) I Manase zanak’i Hezekia sady mpandimby azy kosa nanorina manda ivelany teo amin’ny ilany atsinanana amin’ilay havoana, izay mifanatrika amin’ny Lohasahan’i Kidrona.​—2Ta 33:14.

Ireo andinin-teny ireo no nahitana fa nitatra ny tanànan’i Jerosalema, nefa niavaka foana ny Tanànan’i Davida, na dia taorian’ny sesitany tany Babylona aza. Voaresaka mantsy ny lafiny sasany tamin’ilay tanàna rehefa namboarina ny simba tamin’ny manda. (Ne 3:15, 16) Ilay “Tohatoha-baton’ny Tanànan’i Davida”, ohatra, dia toa teo amin’ny farany atsimo amin’ny tanàna no nidina. (Ne 12:37) Nahita ampahany tamin’io tohatohatra io ny mpikaroka, ary mbola misy zanatohatra nolavahana teo amin’ny vatolampy midina an’ilay havoana.

I Betlehema kosa ilay ‘tanànan’i Davida’ resahin’ny Soratra Grika Kristianina. Tao i Davida sy Jesosy no teraka.​—Lk 2:4, 11; Jn 7:42; jereo JEROSALEMA.