Debira
(Debìra) [Anatiny Indrindra; Farany Indrindra].
1. Mpanjakan’i Eglona. Anisan’ireo fanjakana kely efatra niaraka tamin’ny mpanjakan’i Jerosalema ny fanjakan’i Debira mba hanafika ny tanànan’i Gibeona, izay nihavana tamin’i Josoa. (Js 10:1-5) Rehefa nitolo-batana tamin’i Josoa ny Gibeonita, dia raiki-tahotra ny manodidina satria rava ilay firaisan-kina hanoherana ny Israely (Js 9:1, 2), sady ho azon’i Josoa tafihina mora foana ny avaratra sy ny atsimo amin’ny Tany Nampanantenaina, ary ho azony tsirairay ny tany manodidina. Namonjy an’i Gibeona ny tafik’i Josoa, ka nandresy tanteraka an’ireo Kananita nanao fahirano azy io. Voatery niafina tany anaty lava-bato àry i Debira sy ireo mpanjaka hafa, ka tratra tao ary novonoina.—Js 10:6-27.
2. Tanànan’ny mpanjaka kananita (Js 10:38, 39), ary antsoina koa hoe Kiriata-sefera sy Kiriata-sana. (Js 15:15, 49; Mpts 1:11) Anjara lovan’ny fokon’i Joda izy io, nefa lasa tanànan’ny Levita Kehatita.—Js 21:9, 15; 1Ta 6:54, 58.
Toa notantaraina indroa ny nanafihan’ny Israely voalohany an’i Debira, teo ambany fitarihan’i Josoa. Milaza fotsiny ilay voalohany fa naringana ny mponina tao Debira. (Js 10:38, 39) Mamerina an’io fitantarana io kosa ilay faharoa, ao amin’ny Josoa 11:21-23, satria lazain’ny andininy faha-18 fa “naharitra andro maro no niadian’i Josoa tamin’ireo mpanjaka rehetra ireo.” Milaza koa ilay faharoa hoe ‘nandringana ny Anakita tany Debira’ sy tany amin’ny tanàna hafa i Josoa. Natao angamba io fanampim-panazavana io mba hampisehoana fa mety resy na dia ireo Anakita goavam-be aza, izay naharaiki-tahotra an’ireo mpitsikilon’ny Israely, 40 taona mahery talohan’izay.—No 13:28, 31-33; De 9:2.
Toa niverina nonina tao Debira anefa ny Anakita, angamba avy tany amin’ny morontsirak’i Filistia (Js 11:22), raha mbola nijanona kelikely tao an-toby tao Gilgala ny Israely na nandeha niady tany avaratra. (Js 10:43–11:15) Mbola tsy afaka nametraka toby miaramila tao amin’ireo tanàna rehetra resiny mantsy i Josoa, fa nandresy an’ireo tafika fahavalo niray hina tao Kanana fotsiny izy aloha, ary nandrava haingana an’ireo tanàna voaro mafy lehibe rehetra. Nilaina àry ny fanafihana faharoa an’i Debira mba ‘hanadiovana azy io tanteraka.’ I Otniela no nanao izany, ary niavaka ny nandreseny an’ilay tanàna, ka nomena ho vadiny i Aksa, zanakavavin’i Kaleba miaramila mpiady kalazalahy.—Js 15:13-19; Mpts 1:11-15.
Tsy fantatra hoe oviana marina teo amin’ny tantaran’ny Israely no nitranga io fanafihana faharoa io. Milaza aloha ny bokin’ny Mpitsara hoe: “Taorian’ny nahafatesan’i Josoa”, avy eo izy io vao mitantara ny nakan’i Kaleba an’i Debira. (Mpts 1:11-15) Izany no ilazan’ny olona sasany hoe taorian’ny nahafatesan’i Josoa no nanafika an’i Debira ny fokon’i Joda, ka ilay tantara mitovy amin’io ao amin’ny Josoa 15:13-19 dia nampiana tatỳ aoriana tao amin’ny boky mitondra ny anaran’i Josoa. Misy kosa anefa mihevitra fa teny natao hampitohizana ny bokin’ny Mpitsara sy ny bokin’i Josoa fotsiny ny Mpitsara 1:1, fa tsy azo inoana mihitsy hoe hiandry ny hahafatesan’i Josoa taona maro atỳ aoriana i Kaleba, vao handroaka an’ireo Anakita hiala tao amin’ny anjara lovany. Mihevitra àry izy ireo fa mamerina fotsiny ny fitantarana ao amin’ny bokin’i Josoa ny bokin’ny Mpitsara.
Maromaro ny toerana heverin’ny manam-pahaizana fa nisy an’i Debira tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. Taloha izy io dia noheverina ho i Tell Beit Mirsim, tokotokony ho 20 km any andrefana atsimoandrefan’i Hebrona. Izao kosa dia maro no mihevitra azy io ho i Kirbet Raboda, tokotokony ho 13 km any atsimoandrefan’i Hebrona.
Anaran’i Debira taloha ny hoe Kiriata-sefera, izay midika hoe “Tanànan’ny Boky.” (Js 15:15; Mpts 1:11) Izany no ilazan’ny sasany an’i Debira hoe foiben’ny fivavahana kananita sy fianarana ny lalàny, ary toerana nitehirizana ny firaketana ny anaram-bahoaka.
3. Toerana teo amin’ny “lemaka ivan’i Akora”, anisan’ny sisin-tanin’i Joda. (Js 15:7) Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io. Misy manam-pahaizana milaza anefa fa mbola ahitana ny anaran’i Debira ao amin’ny hoe Togeret ed-Debr, any atsimoandrefan’i Jeriko, sy ao amin’ny hoe Lohasaha Falehan-driaka Debr, any akaikin’ilay toerana lazaina fa nisy ny Lohasahan’i Akora.
4. Toerana tany amin’ny sisin-tanin’i Gada tany Gileada. (Js 13:26) Maro no milaza fa i Debira ihany i Lo-debara, toerana nonenan’i Makira (ilay nampiantrano an’i Mefiboseta, ary koa i Davida tatỳ aoriana). (2Sa 9:4-6; 17:27-29) Misy mihevitra an’io Debira tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Gada io ho i Omm ed-Dabar, 16 km any atsimon’ny Ranomasin’i Galilia.