Debora
(Debôra) [Tantely].
1. Mpampinono an’i Rebeka. Rehefa niala tao an-tranon’i Betoela rainy i Rebeka mba hanambady an’i Isaka tany Palestina, dia nanaraka azy i Debora. (Ge 24:59) Lasa anisan’ny ankohonan’i Jakoba izy, rehefa avy nanompo an-taonany maro tao amin’ny ankohonan’i Isaka, angamba rehefa maty i Rebeka. Tokotokony ho 125 taona taorian’ny nanambadian’i Rebeka an’i Isaka, dia maty i Debora ary nalevina tao Betela, teo am-pototry ny hazobe iray nantsoina hoe Alona-bakota (“Hazo Goavam-be Fitomaniana”). Tena tsy nahafoy an’i Debora tokoa ny fianakavian’i Jakoba matoa izany no niantsoan’izy ireo an’ilay hazo.—Ge 35:8.
2. Mpaminanivavy teo amin’ny Israely, ary vadin’i Lapidota. (Mpts 4:4) Misy milaza fa i Lapidota ihany no Baraka. Tsy misy porofo anefa manamarina izany. Niara-niasa i Debora sy Baraka satria samy te hamonjy ny Israely teo an-tanan’ny Kananita. Nipetraka teo ambany hazo palmie i Debora, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, teo anelanelan’i Rama sy Betela, ary “niakatra hotsaraina tany aminy ny zanak’Israely.”—Mpts 4:5.
Nasain’i Jehovah niantso an’i Baraka tany Kedesi-naftaly i Debora, ary hilaza taminy fa lehilahy 10 000 no hoentin’i Jehovah handresy ny Kananita, na dia lehibe aza ny tafik’izy ireo. I Sisera tamin’izay no lehiben’ny tafik’i Jabina mpanjaka kananita. Nampanantena i Jehovah fa hatolony ho eo an-tanan’i Baraka ny fahavalo. Rehefa nanangona ny tafiny sy nitarika azy ireo ho eo amin’ny Tendrombohitra Tabara anefa i Baraka, dia tsy nety izy raha tsy niaraka tamin’izy ireo i Debora, izay solontenan’Andriamanitra, na dia vehivavy aza. Nanaiky handao an’ilay toerana nandry feizay nisy azy i Debora ka niaraka tamin’i Baraka. Naminany anefa izy fa vehivavy no hahazo “voninahitra” amin’ilay fandresena. Tanteraka izany rehefa novonoin’i Jaela i Sisera.—Mpts 4:6-10, 17-22.
Niara-niredona hira i Debora sy Baraka, tamin’ilay andro nahazoana fandresena. Toa i Debora no namorona ny ampahany tamin’ilay hira, na izy manontolo mihitsy aza, satria “izaho” no mpisolo anarana nampiasainy ao. (Mpts 5:7) Efa fanaon’ny vehivavy ny nihira sy nandihy rehefa nisy fandresena. (Ek 15:20, 21; Mpts 11:34; 1Sa 18:6, 7; Sl 68:11) I Jehovah no lazain’ilay hira fa nanome fandresena ho an’ny vahoakany, ka noderaina Izy noho izany. Manampy ahalalana tsipiriany sasany ilay hira, ka rehefa ampiarahina izy io sy ilay fitantarana eo aloha, dia lasa azo tsara izay nitranga. Miresaka momba ny herin’i Jehovah sy ny fahamboniany ary ny zavatra niainan’ny Israely talohan’ny adin’i Baraka ilay hira, ary avy eo midera an’ireo foko namaly ny antso sy manontany an’ireo foko tsy nety nandeha. Manome tsipiriany fanampiny koa ilay hira, ka lasa fantatra kokoa ny momba ilay ady, ny nandresena tanteraka an’ireo Kananita, ny fahasahian’i Jaela namono an’i Sisera, ary ny fahadisoam-panantenan’ny renin’i Sisera, izay sasa-niandry an’ireo zavatra azo babo sy andevo israelita nantenainy hoentin-janany.—Mpts 5.