Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dekapolisy

Dekapolisy

(Dekapôlìsy) [Faritra Misy Tanàna Folo].

Fitambarana na fivondronan’ny tanàna folo (gr.: deka, midika hoe “folo”; sy pôlis, midika hoe “tanàna”). Dekapolisy koa no niantsoana ny faritra nisy ny ankamaroan’ireo tanàna ireo.​—Mt 4:25.

SARITANY: Dekapolisy

Nihamaro ny zanatany grika nanerana an’i Syria sy Palestina, taorian’ny fandresen’i Aleksandra Lehibe tamin’ny 332 T.K. tany ho any. Ireo bekotromaroholatra tao amin’ny tafik’i Aleksandra no nonina tany ary tonga tany koa ireo mpifindra monina niteny grika. Tanàna jiosy ny ankamaroan’ireny zanatany ireny, fa ny hafa kosa vaovao mihitsy, indrindra fa ireo tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Nandroso be ireny tanàna ireny tamin’ny andron’ny taranak’i Séleucus nitondra tany Syria sy ireo taranak’i Ptolémée nitondra tany Ejipta. Natahorana hahita loza anefa ireny tanàna somary nahaleo tena ireny tamin’ny fotoana nitondran’ireo Makabeo jiosy (nanomboka tamin’ny 168 T.K. tany ho any). Nanohintohina ny tanjon’ireo Makabeo mantsy ireny tanàna nanjakan’ny kolontsaina sy fomba fiaina grika ireny, na dia maro aza ny Jiosy nonina tany. Rehefa resin’i Pompée i Palestina ka nalaminy ny fitondrana tao tamin’ny 63 T.K., dia narovan’i Roma ireny tanàna nanjakan’ny kolontsaina grika ireny sady niangarany satria navela hanefy ny volany manokana sy ho lasa fanjakana mizaka tena. Tsy maintsy nanohana an’i Roma sy ny fitondrana isam-paritany tany Syria anefa izy ireny ka nandoa hetra sy nandefa lehilahy ho miaramila.

Nivondrona izy ireo. Toa teo anelanelan’ny fandresen’i Pompée sy ny nahafatesan’i Heroda Lehibe (t. 1 T.K.) no nitambatra ny folo tamin’ireny tanàna nanjakan’ny kolontsaina grika ireny, ka nantsoina hoe Dekapolisy. Samy nizaka tena anefa izy ireo. Niray hina izy ireo satria te hifandray ara-barotra sy te hanohitra an’ireo fahavalon’ny kolontsaina grika tany Palestina sy ny fanafihan’ireo mpifindrafindra monina tany an-tany efitra, tany atsinanana. Ahitana voalohany ny hoe “Dekapolisy” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina sy ao amin’ny asa soratr’i Josèphe sy Pline Zokiny (samy tamin’ny taonjato voalohany). Notanisain’i Pline toy izao ireo tanàna folo voalohany, na dia nisy tsy nitovy hevitra taminy aza: Damaskosy, Filadelfia, Rafana, Skytopolisy, Gadara, Hippo (Hippos), Diona, Pela, Galasa (Gerasa), ary Kanata. (Tantaran’ny Zavaboary, V, XVI, 74) I Skytopolisy (Beti-sana) irery no tany andrefan’i Jordana, tamin’ireo tanàna ireo. Tsara toerana izy io teo amin’ny Lohasahan’i Esdraelona satria teo no lalana mankany amin’ny morontsiraka sy ireo seranan’i Mediterane. Tany avaratra lavitra tany Syria i Damaskosy, ary azo inoana fa noho izy io foibe ara-barotra no nahatonga azy ho anisan’ireo tanàna folo. I Filadelfia (Raba taloha, Amman ankehitriny) no tany atsimo indrindra, tany amin’ny 40 km teo ho eo tany avaratratsinanan’ny tendrony avaratry ny Ranomasina Maty. Ireo tanàna hafa kosa dia teo amin’ny faritra lonaka tany Gileada na tany akaikin’i Basana. Voalaza fa nisy lalambe nandalo tamin’ny ankamaroan’ireny tanàna ireny, na tsy lavitra azy ireny. Toa ilay Kenata resahin’ny Nomery 32:42 ihany i Kanata.

Tanàna 18 no nolazain’i Ptolémée fa anisan’i “Dekapolisy” tamin’ny taonjato faharoa. Fampiasan’ny olona àry ilay anarana, ary niovaova ny isan’ny tanàna anisan’izy io. Misy manam-pahaizana milaza fa tsy i Rafana no anisan’ireo tanàna folo voalohany fa i Abila, ilay nolazain’i Ptolémée. Tsy voafaritra mazava tsara ny sisin-tanin’i Dekapolisy. Ny faritra nanjakan’ny tanàna tsirairay ihany no tafiditra tamin’ny hoe Dekapolisy, fa tsy anisan’izany ny faritra teny anelanelan’ireo tanàna.

Fanompoan’i Jesosy tany. Tsy voalaza hoe nanokana fotoana hanompoana tany amin’ireo tanàna nanjakan’ny kolontsaina grika ireo i Jesosy. Nisy mponina avy any anefa nihaino ny fampianarany tany Galilia. (Mt 4:25) Nandalo tao amin’ny faritr’i Dekapolisy i Jesosy tamin’izy nanompo tany Galilia. Niampita ny Ranomasin’i Galilia izy tamin’izay, ary niditra tao amin’ny faritry ny Gerasianina (na Gadareanina araka ny Mt 8:28). (Mr 5:1) Namoaka demonia izy tany, ary namela an’ireo demonia hiditra tao amin’ny andian-kisoa iray, ka maty ireo kisoa. Niangavian’ny mponina tao an-tanàna sy tany ambanivohitra ‘hiala tao amin’ilay faritra’ àry i Jesosy, ka niala tao. Nanaraka ny teniny anefa ilay lehilahy nivoahan’ny demonia ka nitory tamin’ny havany sy tamin’ny olona tany Dekapolisy momba ny fanasitranana nataon’i Jesosy. (Mr 5:2-20) Misy manam-pahaizana milaza fa nanjaka tany ny kolontsain’ny firenena tsy jiosy matoa nisy andian-kisoa tany.

Avy tany amin’ny faritr’i Tyro sy Sidona tany Fenisia i Jesosy, taorian’ny Paska 32, ary nankany “amin’ny ranomasin’i Galilia” ka ‘nandalo ny faritr’i Dekapolisy.’ (Mr 7:31) Nanasitrana lehilahy iray marenina sady niraiki-dela izy tany amin’iny faritra iny, ary nanao fahagagana ka namahana olona 4000.​—Mr 7:32–8:9.

Tantarany tatỳ aoriana. Nilaza i Eusèbe fa nandositra tany Pela, tanànan’i Dekapolisy, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada, ny Kristianina tany Jodia, talohan’ny haharavan’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Nankatò ny fampitandremana nolazain’i Jesosy mialoha izy ireo tamin’izay.​—Lk 21:20, 21; Ny Tantaran’ny Eglizy, III, V, 3.

Nisy heriny tany amin’ny tanàna hafa tany Palestina koa ny kolontsaina grika, fa ny tany amin’ireo tanànan’i Dekapolisy no tena niavaka. Nalaza be ireny tanàna ireny tamin’ny taonjato faharoa, fa nanomboka nizarazara kosa tamin’ny taonjato fahatelo. Ahitana sisa tavela tamin’ireo zavatra nijoalajoala fahiny, toy ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra, kianja be, tempoly, toerana fandroana, ary lakandrano, tany Gerasa (Jerash ankehitriny) sy tany amin’ny tanàna hafa. Asehon’izany fa nanan-karena ireo tanànan’i Dekapolisy ary nanjaka tany ny kolontsaina grika.