Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Demetrio

Demetrio

(Demetrìo) [An’i Demetera [andriamanibavin’ny fambolena teo amin’ny Grika]].

1. Mpanefy volafotsy tany Efesosy, tany Azia Minora. Notaominy hirotaka hanohitra an’i Paoly sy ireo niaraka taminy ny vahoaka. Nitranga izany tamin’ny faramparan’ireo roa na telo taona nijanonan’ilay apostoly tany Efesosy (t. 53-55), tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Tena nahomby ny fitoriany, satria maro no tsy nampiasa herin’ny maizina intsony ary nandoro ny bokiny. Maro no voataonany ho lasa mpianatr’i Kristy, ka natahotra fatiantoka i Demetrio sao tsy hiroborobo intsony ny fanamboarany tempoly kely volafotsin’i Artemisy andriamanibavy. Notaomin’i Demetrio hirotaka àry ireo mpanao taozavatra sy ny olon-kafa, ary ny iray tanàna mihitsy. Antony roa no nolazainy tamin’ireo: Atahorana tsy handeha intsony ny asan’izy ireo, ary hanjary ho ratsy laza ny tempolin’i Artemisy.

Vitan’ny ben’ny tanàna ihany ny nampangina an’ilay vahoaka, rehefa afaka adiny roa teo ho eo. Nilaza izy fa raha manana antony iampangana an’i Paoly sy ny namany i Demetrio sy ny mpanao taozavatra, dia efa misy fitsarana natao hikarakarana an’izany. Raha tsy izany dia mety hampangaina ho mampirisika olona hikomy amin’ny fanjakana romanina ilay tanàna. Rehefa nitsahatra ilay savorovoro, dia afaka niala teo amin’ilay kianja ireo niara-niasa tamin’i Paoly, fa izy kosa nankany Makedonia taoriana kelin’izay.​—As 19:18, 19, 23-41; 20:1.

2. Kristianina noderain’ny apostoly Jaona tao amin’ny taratasy nalefany ho an’i Gaio, tamin’ny taona 98. Mety ho i Demetrio no nampitondraina an’io taratasy io. Angamba ny teny fiderana nataon’i Jaona momba an’i Demetrio no nandrisika an’i Gaio handray tsara azy. Fanaon’ny fiangonana mantsy ny nanome sakafo sy trano ilasiana ho an’ireo rahalahy tsy nivadika, izay nanao dia lavitra noho ny vaovao tsara.​—3Jn 1, 12.