Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Demonia Miendrika Osy

Demonia Miendrika Osy

Ilazana osilahy na zanak’osy ny teny hebreo hoe saʽir (a.b.t.: voloina). (Le 16:18; No 7:16) Mihevitra anefa ny ankamaroan’ny mpandika teny fa tsy “osy” na “zanak’osy” fotsiny no hevitr’io teny io, ao amin’ireto andininy efatra ireto: Levitikosy 17:7; 2 Tantara 11:15; Isaia 13:21; 34:14.

Ilazana zavatra ivavahana sy anolorana sorona ilay teny hebreo (mr.: seʽirim) ao amin’ny Levitikosy 17:7 sy 2 Tantara 11:15, ary misy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso. Nadika hoe “zavatra tsy misy dikany” (LXX) sy “demonia” (Vg) àry izy io ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina. Mitovy hevitra amin’izany koa ny mpandika teny sy mpanao diksionera ankehitriny, ka manao hoe “devoly” (JM), “satira” (Kat.), “fanahy ratsy miendrika osilahy” (Le 17:7, DIEM), na “demonia miendrika osy.” (TV; jereo koa Lexicon in Veteris Testamenti Libros nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1958, p. 926; Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 972) Ny Fandikan-teny Katolika ihany no manao hoe “osilahy” ao amin’ny 2 Tantara 11:15.

Mety ho naka tahaka ny fivavahan’ny Ejipsianina tamin’ny osy ny Grika, hoy i Hérodote, ka nino an’i Pan, andriamanitra manana bikabikan’osy

Nilaza tsy mivantana i Josoa fa nisy narahin’ny Israelita ny fivavahan-diso tany Ejipta. (Js 24:14) Nilaza koa i Ezekiela fa mbola nanompo sampy izy ireo, ela be taorian’izay. (Ezk 23:8, 21) Nivavaka tamin’ny osy ny Israelita sasany toy ny nataon’ireo tany Ejipta, indrindra fa tany Ejipta Ambany, hoy ny manam-pahaizana sasany, matoa noraran’Andriamanitra tsy hanolotra ‘sorona ho an’ny demonia miendrika osy’ izy ireo tany an-tany efitra (Le 17:1-7), ary matoa i Jeroboama nanendry mpisorona ‘ho eny amin’ny toerana avo, mba hanompo an’ireo demonia miendrika osy sy ireo zanak’omby nataony.’ (2Ta 11:15) Nilaza i Hérodote (II, 46) fa naka tahaka an’izany fivavahan’ny Ejipsianina izany ny Grika ka nino an’i Pan sy ireo andriamanitry ny ala manana filan-dratsy, izay naseho tatỳ aoriana ho manana tandroka sy rambo ary tongotr’osy. Misy milaza fa ireny bibiolona nivavahana ireny no nahatonga an’ireo nihambo ho Kristianina fahiny (t. 476-1000) hanao ny sarin’i Satana ho manana rambo sy tandroka ary tongotra mivaky kitro.

Tsy voalaza anefa hoe inona marina ireny “voloina” (seʽirim) ireny. Misy mihevitra fa osy na sarin’osy nivavahana izy ireny. Tsy misy porofo manamarina izany anefa, ary tsy milaza izany koa ny Baiboly. Mety ho tao an-tsain’ireo nivavaka taminy fotsiny ireny andriamani-diso ireny no miendrika osy na voloina. Na koa mety ho fanamavoana an’ireo sampy fotsiny ny hoe “osy”, tsy misy hafa amin’ny teny hoe sampy izay avy amin’ny teny nidika hoe “vongan-diky” tamin’ny voalohany. Tsy vita tamin’ny diky anefa ny sampy.​—Le 26:30; De 29:17.

Maro no mihevitra fa tsy misy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso kosa ny hoe saʽir sy seʽirim ao amin’ny Isaia 13:21 sy 34:14. Voalaza ao fa ho lao i Babylona sy Edoma ary honenan’ny bibidia, anisan’izany ny seʽirim. Misy Baiboly mandika azy io hoe “osilahy” (Prot.; JM) na “osidia” (DIEM) ao amin’ny Isaia, fa “devoly” (JM) kosa ao amin’ny Levitikosy sy Tantara Faharoa. Milaza mantsy ireo mpandika teny fa miaraka amin’ny biby na vorona ara-bakiteny ilay hoe seʽirim ao amin’ny Isaia. Nilaza koa i G. Driver fa tsy tokony hadika hoe “satira” ny hoe saʽir ao amin’ny Isaia 34:14. (Gazety Momba An’i Palestina, Londres, 1959, p. 57) Tsy misy ifandraisany amin’ny toerana aolo, hoy izy, ny hoe “satira” ao amin’ny angano, fa amin’ny lanonana feno filibana sy ny filan-dratsy. Tokony hadika hoe osy àry ny hoe saʽir, hoy izy, satria tia mandehandeha eny amin’ny toerana ngazana ny osy, ary misy milaza fa be osidia teny amin’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty nanandrify an’i Edoma efa lao (fanamelohana an’i Edoma ilay faminaniana ao amin’ny Is 34:14).

Misy kosa mihevitra fa mitovy amin’izay voalazan’ny Levitikosy sy Tantara Faharoa ihany ny hevitry ny hoe seʽirim ao amin’ny Isaia. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo mantsy, hono, manao hoe “demonia” (Is 13:21), ary naverin’i Jaona ny voalazan’io fandikan-teny io tamin’izy nilaza fa ho fonenan’ny vorona maloto sy ny “demonia” (Ap 18:2) i Babylona Lehibe rehefa rava. Tsy fantatra raha naka teny tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo tokoa i Jaona. Tsara homarihina anefa fa “eken’ny LXX ... hoe teny fanamavoana an’ireo andriamanitry ny mpanompo sampy ny hoe [daimôniôn nadika hoe “demonia”].”​—Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao, nataon’i Gerhard Kittel, 1971, Boky II, p. 12.

Tsy tena fantatra àry ny tian’i Isaia holazaina. Angamba notononiny miaraka amin’ireo biby sy vorona ny demonia, satria noheverin’ny mpanompo sampy teny amin’ny manodidina fa fonenan’ny demonia ireny toerana aolo ireny. Tsy te hilaza akory izy hoe maka endrika osy ny demonia rehefa mitafy nofo. Asehon’ny tantara koa fa nihevitra foana ny olona tany Syria sy Arabia hoe nisy zavaboary mampahatahotra tany amin’ireny toerana aolo ireny, ary nino ny Arabo fa voloina sady mampahatahotra ny jinn (fanahy ratsy). Mety ho tena biby voloina koa anefa ireo seʽirim tany Edoma sy Babylona efa lao, ary mety ho nieritreritra demonia ny olona rehefa nahita an’ireny.