Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Denaria

Denaria

(denarìa).

Vola madinika volafotsy romanina nilanja 3,85 g teo ho eo, ary mitentina 0,74 dolara. Nisy sarin’ny lohan’i Kaisara tamin’izy io, ary io no “vola madinika andoavana ny hetra isan-dahy” notakin’ny Romanina tamin’ny Jiosy. (Mt 22:19-21) Nikarama denaria iray isan’andro ny mpiasa tany niasa adiny 12, tamin’ny andron’i Jesosy. (Mt 20:2) Midika ho mosary àry ilay hoe ho denaria iray (karama iray andro be izao) ny vidin’ny varimbazaha iray kilao na vary orza telo kilao.​—Ap 6:6.

Ho vola be no narotsaka tao amin’ny boatim-bola notanan’i Jodasy Iskariota, raha namidin’i Maria anabavin’i Lazarosy denaria 300 (efa ho karama herintaona) ilay narda lafo vidy nohosorany tamin’i Jesosy Kristy. Tsy mahagaga àry raha sosotra i Jodasy, satria tsy ho afaka hanodinkodina ny ampahany tamin’ilay vola be izy.​—Jn 12:3-6; 13:29; Mr 14:3-11.

Sary ambadika sy ambadika amin’ny denaria romanina. Ankavia: Lohan’i Tiberio Kaisara

Nandany denaria roa (karama roa andro) ilay Samaritanina tsara fanahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, mba hikarakarana lehilahy iray tsy fantany. Mbola vonona handoa an’izay ho lany ankoatra an’izay aza izy. (Lk 10:33-35) Ilay mpanompo tao amin’ilay fanoharana momba ny ilana hamelana heloka kosa tsy nety nahafoy an’ireo denaria 100 notrosain’ny mpanompo namany. Efa mba nafoy anefa ireo 60 000 000 denaria notrosainy.​—Mt 18:24-33.