Devoly
Nomena an’io anarana io i Satana, noho izy lehiben’ny mpanendrikendrika sy mpiampanga an’i Jehovah sy ny teniny ary ny anarany masina. Midika hoe “mpanendrikendrika” ny teny grika hoe diabôlôs. (Ampitahao amin’ny Lk 16:1, izay ahitana an’ilay matoanteny hoe diaballô.)—Jereo SATANA.
Lehiben’ny mpanohitra an’Andriamanitra sy ny olona foana ny Devoly. Nifanditra tamin’i Mikaela ny amin’ny fatin’i Mosesy izy (Jd 9); nahay namandrika olona (1Ti 3:7; 2Ti 2:26); nampiasa olona toa an’i Jodasy Iskariota sy Barjesosy ary ireo mpitondra fivavahana izay lasa zanany daholo (Jn 8:44; 13:2; As 13:6, 10); nampahory olona tsy nety sitran’ny dokotera (As 10:38); nanao izay hampidirana olo-marina tany am-ponja (Ap 2:10); ary nanan-kery hahatonga fahafatesana mihitsy aza (He 2:14). Toroana hevitra àry ny Kristianina mba tsy ho tezitra foana sao hanome toerana ho an’io Mpanendrikendrika an’Andriamanitra io. (Ef 4:27) Hoy koa i Petera: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.”—1Pe 5:8.
Indraindray anefa tsy i Satana no tiana holazaina amin’ilay hoe diabôlôs ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ka nadika hoe “mpanendrikendrika” izy io. Izao, ohatra, no nolazain’i Jesosy tamin’izy 12 lahy momba an’i Jodasy: “Ny anankiray aminareo dia mpanendrikendrika.” (Jn 6:70) Nampitandremana ny vehivavy teo anivon’ny fiangonana mba tsy ho mpanendrikendrika. (1Ti 3:11; Tit 2:3) Voalaza koa fa “ho mpanendrikendrika” ny olona amin’ny “andro farany.”—2Ti 3:1-5.
Noraran’ny lalàn’i Jehovah ny fanendrikendrehana. (Le 19:16) Hita ao amin’ny Baiboly manontolo fa tena ratsy ny manendrikendrika.—2Sa 19:27; Sl 15:3; 101:5; Oh 11:13; 20:19; 30:10; Je 6:28; 9:4.