Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Diamondra

Diamondra

Vatosoa mamirapiratra ny diamondra, ary izy io no mineraly mafy indrindra hita hatramin’izao sady anisan’ny lafo indrindra. Tsy misy lokony izy io amin’ny ankapobeny, saingy misy ihany ny miloko somary mavo, maitso, mena, volontsôkôlà, manga, ary mainty. Misy lafiny valo ny ankamaroan’ny diamondra mbola tsy voatefy. Mangarahara sy tantera-pahazavana tahaka ny kristaly izy ireny ary karbonina azo lazaina hoe tsy misy fangarony. Lasa diamondra ny karbonina ao anaty tany rehefa iharan’ny tsindry mafy be sy ny hafanam-be, ary azo inoana fa efa ela be tany aloha tany izy ireny no niforona. Tany amin’ny fanambanin’ny renirano no nahitana diamondra taloha. Matetika kosa izy ireny ankehitriny no trandrahina any anaty vato, any ambanin’ny tany lalina any.

Azo inoana fa misy ifandraisany amin’ilay teny akadianina hoe ashmor, izay karazana vato mafy marokoroko, ilay teny hebreo hoe shamir (nadika indroa hoe “diamondra” ary indray mandeha hoe ‘vato mafy’ ao amin’ny TV). Misy mihevitra fa ny hoe shamir dia ampiasaina mba hilazana mineraly mafy be (avy amin’ny gr.: adamas izay midika hoe “tsy mety resy”), ka mety hilazana diamondra na vato hafa tena mafy, toy ny kôrindona sy ny karazana vato mafy marokoroko.

Ampiasaina mba hanakiahana na hanaovana sokitra eo amin’ny zavatra mafy ny diamondra. Niresaka momba izany i Jehovah hoe: “Voasoratra amin’ny penina vy ny fahotan’ny Joda, sady vita sokitra amin’ny fantsika diamondra, eo amin’ny fon’izy ireo sy eo amin’ny tandroky ny alitarany.” (Je 17:1, 2) Lasa mafy loha sy mafy fo ny Israely, ka hoy i Jehovah tamin’i Ezekiela: “Ataoko mafy hoatran’ny tarehin’izy ireo ny tarehinao, ary ny handrinao ataoko mafy hoatran’ny handriny. Ataoko mafy hoatran’ny diamondra, eny, mafy noho ny vatoafo, ny handrinao.” (Ezk 3:7-9) Hoy koa i Jehovah momba ireo Jiosy tsy nety nankatò: “Nataony mafy toy ny vato [heb.: shamir] ny fony, mba tsy hankatoavany ny lalàna sy ny teny nalefan’i Jehovah Tompon’ny tafika tamin’ny alalan’ny fanahiny, ka nampitainy tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny.”​—Za 7:12; jereo FIRAVAKA SY VATOSOA.