Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dibera

Dibera

Ronono na herotra ahontsankontsana ka lasa zavatra matavy mivaingana. Tsy mafimafy toy ny ankehitriny ny dibera fahiny, fa nandranodranoka. (Jb 20:17) Dibera mamy malemy vao avy natao ilay hoe hemʼah (heb.), hoy i Koehler sy Baumgartner. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 308) “Ronono mandry, habobo” kosa izy io, hoy i Franciscus Zorell. (Lexicon Hebraicum et Aramaicum Veteris Testamenti, Roma, 1968, p. 248) Nadika hoe “habobo” ny hoe hemʼah ao amin’ny Mpitsara 5:25.

“Manome dibera ny ronono rehefa ahontsankontsana [a.b.t.: terena].” (Oh 30:33) Natao tao anaty siny hoditra ilay ronono, nopolipolesina, nahetsiketsika teo ambony lohalika, na nahantona teo anelanelan’ny tsato-kazo ary nakipilipily mafy mandra-pivadik’ilay izy ho toy ny dibera.

Efa nisy tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny ny dibera, na dia tsy fihinana isan’andro aza. Nisy dibera ny sakafo nomen’i Abrahama an’ireo anjely nitsidika azy (Ge 18:8), ary nitondran’ny namany dibera sy sakafo i Davida.​—2Sa 17:29.

Toy ny “dibera” ny teny mahafinaritra sy malefaka ary mandambolambo ataon’ny mpamadika.​—Sl 55:21.