Dibona
(Dibôna).
1. Tanàna tany atsinanan’ny Ranomasina Maty. Naka an-keriny azy io teo am-pelatanan’ny Moabita i Sihona, mpanjakan’ny Amorita. Nalain’ny Israely anefa izy io tamin’izy ireo notarihin’i Mosesy hiditra tao amin’ilay tany.—No 21:25-30.
Maro no mihevitra an’ilay Dibona fahiny ho i Dhiban, izay 5 km any avaratr’i Arnona, ary 21 km atsinanan’ny Ranomasina Maty. Nisy fikarohana natao tany, ka lasa nalaza ilay toerana noho ilay Vato Moabita nofongarina tao, tamin’ny 1868. Nisy manam-pahaizana niezaka namantatra ny soratra nataon’i Mesa mpanjakan’i Moaba teo amin’io vato io. Nilaza izy ireo fa i Dibona no renivohitry ny fanjakan’i Mesa (anisany koa i Karhah), sady “tanànan’i Moaba lehibe indrindra.”
Taoriana kelin’ny nahazoan’ny Israelita an’ilay faritra, dia ny fokon’i Gada no nonina teo ary “nanorina [na nanorina indray] an’i Dibona.” Toa izay no nahatonga an’ilay anarany hoe Dibona-gada, izay anisan’ny toerana nitobian’ny firenen’Israely. (No 32:34; 33:45, 46) Anjara lovan’ny fokon’i Robena anefa i Dibona. (No 32:2, 3; Js 13:8, 9, 15-17) Azo inoana fa nijaly ny tao Dibona rehefa nihanahery ny Moabita, tamin’ny andron’i Eglona Mpanjaka, ka tsy nitsahatra izany raha tsy nandresy an’i Moaba i Ehoda Mpitsara. (Mpts 3:12-30) Milaza ny 2 Mpanjaka 3:4, 5 fa nikomy tamin’ny Israelita i Mesa mpanjakan’i Moaba, taonjato maro tatỳ aoriana, ‘raha vao maty i Ahaba.’ Tsy lazain’ny Baiboly hoe naharitra firy taona io fikomiana io. Azo inoana fa lasan’i Mesa tokoa ny tanàna israelita maromaro ka nataony anisan’i “Karhah”, araka ny fireharehany teo amin’ilay Vato Moabita. Milaza anefa ny Soratra Masina fa resy tanteraka i Moaba, rehefa nifanandrina tamin’ny tafiky ny Israely sy Joda ary Edoma nitambatra.—2Mp 3:4-27.
Roanjato taona latsaka tatỳ aoriana, dia lasa tanàna moabita indray i Dibona, ary nilaza ny loza hanjo azy i Isaia (15:2). Hitomany noho izay hanjo an’i Moaba àry ny mponina ao, hoy ilay faminaniana, ka ‘hiakatra hitomany any amin’ny tempoly sy any Dibona izy, eny, hankany amin’ny toerana avo.’
Misy manam-pahaizana milaza fa ny fandrahonan’ny Asyrianina io nolazain’i Isaia fa ‘hampitomany’ ny olona any amin’ny “toerana avo” any akaikin’i Dibona io. Tsy misy fitantarana mihitsy anefa miresaka hoe nanafika an’iny faritra iny ny Asyrianina. Mbola tsy tanteraka io faminanian’i Isaia io 100 taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’i Jeremia naminany toy izao: “Midìna avy eny amin’ny toeram-boninahitrao ary mipetraha na dia mangetaheta aza ianao, ry Dibona.” (Je 48:18) Azo inoana fa namerina indray ny tenin’i Isaia i Jeremia eo, ka nanamafy fa tsy maintsy hahita loza i Moaba. Taoriana kelin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., rehefa noravan’i Nebokadnezara tanteraka i Moaba, dia navelany ny mponin’i Dibona ‘hangetaheta’ ny voninahitr’izy ireo taloha ary ho lasa babo, ka sady nangetaheta rano ara-bakiteny no naniry mafy hahazo izay nilainy.—Je 25:9, 17-21.
Nahitana sompitra lehibe tany Dibona, ary mahavariana fa tena voatahiry tsara ny varimbazaha tao anatiny, satria efa 500 taona T.K. no nisiany. Toa porofo izany fa sompitr’i Palestina ny faritr’i Dibona taloha, ary mbola mahavokatra be izy io ankehitriny.
Misy mpivaofy teny milaza fa i Dibona ihany ilay Dimona resahin’ny Isaia 15:9—Jereo DIMONA No. 2.
2. Toerana iray tany Joda. (Ne 11:25) Misy mihevitra azy io ho i Dimona.—Js 15:22; jereo DIMONA No. 1.