Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dikan-teny

Dikan-teny

Baiboly hebreo sy aramianina ary grika nadika amin’ny fiteny hafa. Olona an’arivony tapitrisa tsy mahay ny fiteny nanoratana ny Baiboly àry no afaka mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Natao sora-tanana ny dikan-teny tany am-boalohany. Nihamaro anefa ireo dikan-teny rehefa nisy ny fanontam-pirinty ka maro be no indray novokarina. Nisy nadika avy tamin’ny Baiboly hebreo sy grika, fa ny hafa kosa avy tamin’ny Baiboly amin’ny fiteny hafa.​—Jereo NY TANTARAN’NY BAIBOLY, Boky 1, p. 321.

Misy amin’ny fiteny 2500 mahery ny Soratra Masina, na izy manontolo na ny ampahany aminy. Maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina eran-tany àry no afaka mamaky ampahany amin’ny Baiboly, fara fahakeliny. Niaro ny Teniny tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah Andriamanitra mba hahasoa olona maro be. Hanampy antsika hankasitraka azy ny fandinihana ny tantaran’ireo dikan-teny samy hafa.

Soratra Hebreo. Mety ho 6000 eo ho eo ny sora-tanana fahiny mirakitra ny Soratra Hebreo (manontolo na ampahany) ananantsika. Amin’ny teny hebreo izy ireo, afa-tsy ampahany vitsivitsy amin’ny teny aramianina. Mbola maro koa ireo sora-tanana fahiny ahitana ny Soratra Hebreo amin’ny fiteny samihafa. Baiboly efa nadika avy amin’ny teny hebreo no nadika ho amin’ny fiteny hafa indraindray. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika), ohatra, no nampiasain’ireo nandika ny Soratra Hebreo tamin’ny teny latinina tranainy. Nisy koa anefa nadika mivantana avy amin’ny teny hebreo, fa tsy avy amin’ny teny grika na hafa. Anisan’izany ireo dikan-teny fahiny misy ny Soratra Hebreo toy ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo, Targoma Aramianina, Peshitta syriàka, ary Vulgate latinina.

“Boky Dimy Voalohany” amin’ny teny samaritanina. Nataon’ny Asyrianina sesitany ny ankamaroan’ny mponin’i Samaria sy ny an’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely tamin’ny 740 T.K. Mpanompo sampy avy any amin’ireo faritanin’ny Fanjakana Asyrianina àry no namponeniny tao Samaria. (2Mp 17:22-33) Nantsoina hoe Samaritanina ny taranak’ireo olona ireo sy ny an’ireo Israelita sisa tavela tao. Nino an’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Soratra Hebreo izy ireo, ka namoaka ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina, teo anelanelan’ny taonjato fahefatra sy taonjato faharoa T.K. Tsy tena fandikan-teny anefa ilay izy, fa ny litera hebreo no nadika ho litera samaritanina sady nafangaro oha-pitenenana samaritanina. Vitsy amin’ireo sora-tanana ananantsika misy an’ireo Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina no natao talohan’ny taonjato faha-13 A.K. Misy fahasamihafana 6000 eo ho eo ilay sora-tanana samaritanina sy hebreo, nefa tsy dia lehibe ny ankamaroany. Ny Eksodosy 12:40 no anisan’ny misongadina, satria mitovy amin’izay voalazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny an’ny Samaritanina.

Targoma. Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny aramianina izy ireo saingy dikan-teny malalaka. Tamin’ny taonjato fahadimy tany ho any vao vita ny Targoma jiosy ananantsika ankehitriny, na dia nisy ampahana Targoma fahiny aza niaraka tamin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Anisan’ny be mpampiasa ny “Targoman’i Onkelos” misy ny Boky Dimy Voalohany, izay dikan-teny somary ara-bakiteny. Tsy dia ara-bakiteny kosa ny Targoman’i Jonatana misy an’ireo asa soratry ny mpaminany. Mbola ananantsika ireo Targoma misy ny Soratra Hebreo afa-tsy ny bokin’i Ezra sy Nehemia ary Daniela.

“Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.” Ny Jiosy sy Kristianina niteny grika tany Ejipta sy tany an-tany hafa no nampiasa azy io. Voalaza fa natomboka nadika tany Ejipta izy io tamin’ny andron’i Ptolémée Philadelphe (285-246 T.K.), ary manam-pahaizana jiosy 72, hono, no nandika ny Boky Dimy Voalohany tamin’ny teny grika. Noboriborina ho 70 ilay isa tatỳ aoriana, ka nantsoina hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (LXX) ny Boky Dimy Voalohany. Niampy tsikelikely an’ireo boky hafa ao amin’ny Soratra Hebreo izy io (nadikan’ny olona samy hafa, ary nisy nadika ara-bakiteny fa ny hafa kosa dikan-teny malalaka), ka voadika ny Soratra Hebreo manontolo tamin’ny taonjato faharoa T.K. (taona 150 T.K. tany ho any angamba). Ilay boky manontolo no lasa nantsoina hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Naka teny matetika tao ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Toa efa vita elaela ilay dikan-teny vao nanatsofohana boky apokrifa.​—Jereo APOKRIFA.

Anisan’ny tranainy indrindra amin’ireo Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sora-tanana ananantsika ny Papyrus 957 na Papyrus Rylands III. 458. Ao amin’ny Tranomboky John Rylands any Manchester, any Angletera, izy io. Natao tamin’ny taonjato faharoa T.K. izy io, ary misy ampahany amin’ny Deoteronomia (23:24–24:3; 25:1-3; 26:12, 17-19; 28:31-33). Eo koa ilay sora-tanana Papyrus Fouad 266 (an’ny Fikambanana Ejipsianina Momba ny Papyrus, Le Caire) natao tamin’ny taonjato voalohany T.K. Ny tapany faharoa amin’ny Deoteronomia avy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo no hita ao. Andininy maromaro no misy ny anaran’Andriamanitra na ireo Litera Hebreo Efatra (YHWH) ao amin’ilay sora-tanana grika.​—Jereo SARY, Boky 1, p. 326; JEHOVAH.

Maro ny sora-tanana ananantsika misy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (ampahany na saika izy manontolo). Anisan’izany ireto sora-tanana telo malaza miendrika sora-baventy boribory nosoratana teo amin’ny hodi-biby malefaka ireto: Ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209 sy ny Sora-tanana Sinaiticus (samy tamin’ny taonjato fahefatra), ary ny Sora-tanana Alexandrinus (taonjato fahadimy). Saika ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo manontolo no ao amin’ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209. Toy izany koa ny ao amin’ny Sora-tanana Alexandrinus, fa ny Genesisy sy ny Samoela Voalohany ary ny Salamo ihany no tsy ao. Tsy hita ao amin’ny Sora-tanana Sinaiticus intsony kosa ny ampahany amin’ny Soratra Hebreo fa very.

Dikan-teny grika tatỳ aoriana. Nandika ara-bakiteny be ny Soratra Hebreo tamin’ny teny grika i Aquila avy any Ponto, olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, tamin’ny taonjato faharoa. Sombiny amin’izy io sisa ananantsika, ankoatra an’ireo teny nalain’ny mpanoratra fahiny tao. Nandika ny Soratra Hebreo tamin’ny teny grika koa i Théodotion, tamin’io taonjato io ihany. Toa nanavao ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo na dikan-teny grika hafa izy, na dia nampiasa dikan-teny hebreo koa aza. Tsy ananantsika intsony ny dika mitovy amin’ny dikan-tenin’i Théodotion manontolo. Nandika ny Soratra Hebreo tamin’ny teny grika koa i Symmaque tamin’ny taona 200 tany ho any angamba, saingy ampahany amin’ny dika mitovy amin’izy io no ananantsika. Niezaka nampita ny tena hevitr’ireo teny izy fa tsy nandika ara-bakiteny.

Nahavita dikan-teny mirakitra Soratra Hebreo maromaro i Origène, manam-pahaizana malaza avy any Aleksandria any Ejipta, tamin’ny 245 tany ho any. Nantsoina hoe Hexaple (midika hoe “avo enina heny”) ilay dikan-teniny. Ampahany amin’ny dika mitovy amin’izy io sisa ananantsika. Misy tsanganana enina izy io: 1) Ny Soratra Hebreo tsy misy zanatsoratra, 2) nadika ho litera grika ny litera hebreo amin’ny Soratra Hebreo sy ireo dikan-teny grika nataon’i 3) Aquila, 4) Symmaque, 5) ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo nohavaozin’i Origène mba hifanaraka kokoa amin’ny Soratra Hebreo, ary 6) ny dikan-teny grikan’i Théodotion. Nampiasa dikan-tenin’olona tsy fantatra anarana nantsoiny hoe Quinta sy Sexta ary Septima i Origène rehefa nandika ny Salamo. Nampiasa ny Quinta sy Sexta koa izy rehefa nandika boky hafa.

Soratra Grika Kristianina. Natomboka nadika tamin’ny teny syriàka (tenim-paritra aramianina) ny Soratra Grika Kristianina tamin’ny taonjato faharoa. Anisan’ny miavaka ilay dikan-tenin’i Tatien hoe Diatessaron, tamin’ny taonjato faharoa. Natambany ho iray ny Filazantsara efatra. Mety ho tamin’ny teny grika aloha no nanoratany azy io tany Roma, vao nadikany tamin’ny teny syriàka tany Syria. Tsy azo antoka anefa izany. Amin’ny teny arabo ny Diatessaron ananantsika, ary misy ampahany amin’ny teny grika natao teo amin’ny hodi-biby malefaka tamin’ny taonjato fahatelo. Naka teny maro tao amin’ny Diatessaron i Éphrem ao amin’ireo boky roa nosoratany tamin’ny teny syriàka sy armenianina, tamin’ny taonjato fahefatra.

Ampahana sora-tanana mirakitra ny Filazantsara natao tamin’ny teny syriàka tranainy (ankoatra ny Diatessaron) ihany no ananantsika, dia ny Dikan-tenin’i Cureton sy ny Sinaitika Syriàka. Toa natao dika mitovy tamin’ny taonjato fahadimy ireo sora-tanana ireo, na dia soratra syriàka tranainy kokoa aza no hita eo amin’izy ireo. Mety ho nadika avy tamin’ny teny grika ilay dikan-teny syriàka voalohany, tamin’ny taona 200 tany ho any. Azo inoana fa nadika tamin’ny teny syriàka tranainy koa ny boky hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, saingy tsy ananantsika intsony izy ireny. Tao amin’ny Peshitta syriàka (taonjato fahadimy) ny boky rehetra anisan’ny Soratra Grika, afa-tsy ny Petera Faharoa, Jaona Faharoa sy Fahatelo, Joda, ary Apokalypsy. Nasain’i Philoxène, evekan’i Hierapolia, nohavaozin’i Polycarpe ny Peshitta Soratra Grika Kristianina tamin’ny 508 tany ho any. Tamin’izay vao nampidirina tao amin’ny dikan-teny syriàka ny Petera Faharoa, Jaona Faharoa sy Fahatelo, Joda, ary Apokalypsy.

Efa voadika tamin’ny teny latinina ny Soratra Grika Kristianina tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa. Nisy tamin’ny teny ejipsianina koa izy io teo antenatenan’ny taonjato fahatelo tany ho any.

Baiboly manontolo. Lasa fampiasan’ireo olona niteny syriàka nilaza azy ho Kristianina ny Peshitta, nanomboka tamin’ny taonjato fahadimy. “Tsotra” no dikan’ny hoe “Peshitta.” Nadika avy amin’ny teny hebreo ny Soratra Hebreo ao amin’ny Peshitta, tamin’ny taonjato faharoa na fahatelo angamba. Nohavaozina izy io tatỳ aoriana rehefa nampitahaina tamin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Maro ny sora-tanana Peshitta ananantsika, fa ilay kôdeksa tamin’ny taonjato fahenina na fahafito ao amin’ny Tranombokin’i Ambroise any Milan, any Italia, no sarobidy indrindra. Misy famantarana mifanitsy amin’ny taona 464 tany ho any ny sora-tanana iray Peshitta misy ny Boky Dimy Voalohany (afa-tsy ny Levitikosy). Ahitana famantarana mifanitsy amin’ny taona 459-460 koa ny soratra nofafana (na nokikisana) misy ny bokin’i Isaia. Ireo àry no Baiboly sora-tanana tranainy indrindra fantatra ny daty nanoratana azy.

Dikan-teny latinina tranainy. Nanomboka nisy izy ireny tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa. Toa nanomboka nampiasa ny Baiboly manontolo amin’ny teny latinina ny tany Carthage, any Afrika avaratra, tamin’ny 250 tany ho any. Avy amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (mbola tsy nohavaozin’i Origène) no nandikana ny Soratra Hebreo ao amin’izy io, fa ny Soratra Grika kosa nadika avy amin’ny teny grika. Mety ho nisy dikan-teny latinina tranainy samihafa na iray ihany, fa ny mpandika teny no maromaro. Ny soratra latinina tranainy fampiasa tany Afrika sy Eoropa no tena nampiasain’ny manam-pahaizana. Maherin’ny 50 ny sora-tanana (na sombiny) misy ny Testamenta Vaovao ananantsika amin’ny teny latinina tranainy.

Vulgate” latinina. Baiboly nadikan’i Eusebius Hieronymus (na Jérôme), manam-pahaizana malaza momba ny Baiboly, ny Vulgate latinina (Vulgata Latina). Nohavaoziny ny Soratra Grika Kristianina tamin’ny teny latinina tranainy rehefa nampitahainy tamin’ny teny grika. Ny Filazantsara aloha no navoakany tamin’ny taona 383. Nohavaoziny indroa koa ny Bokin’ny Salamo tamin’ny teny latinina tranainy rehefa nampitahainy tamin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, teo anelanelan’ny 384 tany ho any sy 390. Nantsoina hoe Salamo romanina ilay voalohany noho izy io be mpampiasa tany Roma, fa ilay faharoa kosa hoe Salamo gôloa satria be mpampiasa tany Gaule. Nandika ny Salamo avy amin’ny teny hebreo koa i Jérôme, ary io ilay antsoina hoe Salamo hebreo. Tsy fantatra marina hoe oviana no vitany ilay fanavaozana ny Soratra Grika. Nohavaoziny koa ny Soratra Hebreo saingy toa tsy vitany hatramin’ny farany, satria naleony tonga dia nandika azy io avy amin’ny teny hebreo (nampiasa dikan-teny grika koa anefa izy). Tamin’ny 390 tany ho any ka hatramin’ny 405 izy no nanao izany.

Tsy tian’olona ny dikan-tenin’i Jérôme tamin’ny voalohany. Neken’ny olona tany Eoropa andrefana ihany anefa izy io tatỳ aoriana ka nantsoina hoe Vulgate (lat.: vulgatus, midika hoe “mahazatra, ho an’ny besinimaro”), izany hoe dikan-teny eken’ny rehetra. Nohavaozina ny dikan-tenin’i Jérôme, ka ilay nivoaka tamin’ny 1592 no fampiasan’ny Eglizy Katolika. An’arivony ny Vulgate sora-tanana ananantsika.

Dikan-teny tranainy hafa. Nilaina ny dikan-teny hafa rehefa niely ny Fivavahana Kristianina. Tamin’ny taonjato fahatelo tany ho any, fara fahatarany, no voadika voalohany ny Soratra Grika Kristianina ho an’ny teratany kôpta tany Ejipta. Maromaro ny fitenim-paritra kôpta tany, ka maromaro koa ny dikan-teny kôpta novokarina. Ny Dikan-teny Sahidìka (avy any Thèbes) fampiasa any Ejipta Ambony (atsimo) sy ny Dikan-teny Bôhairika fampiasa any Ejipta Ambany (avaratra) no tena miavaka. Misy ny Soratra Hebreo sy Grika ireo dikan-teny ireo, izay mety ho natao tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra.

Natao tamin’ny taonjato fahefatra kosa ny dikan-teny gôtika nampiasain’ireo Goths tany Mésie (Serbia sy Boligaria). Ny Eveka Ulfilas no nandika azy io. Nesoriny tao anefa, hono, ny bokin’i Samoela sy ny bokin’ny Mpanjaka sao hampidi-doza ny fampiasan’ny Goths an’ireo boky ireo, izay miresaka momba ny ady sy mandrara ny fanompoan-tsampy.

Natao tamin’ny taonjato fahadimy ny Baiboly armenianina izay mety ho nadika avy amin’ny teny grika sy syriàka. Vita tamin’ny faramparan’ny taonjato fahenina kosa ny dikan-teny géorgien natao ho an’ireo Géorgiens tany Caucase. Nadika avy amin’ny teny armenianina sy syriàka izy io, na dia hita taratra eny ihany aza hoe ny teny grika no niaingana. Ny dikan-teny etiopianina nampiasain’ny mponin’i Abysinia kosa mety ho natao tamin’ny taonjato fahefatra na fahadimy tany ho any. Misy dikan-teny arabo tranainy maromaro koa. Mety ho efa tamin’ny taonjato fahafito tany ho any no nisy ampahana Baiboly nadika tamin’ny teny arabo, fa ilay dikan-teny natao tany Espaina tamin’ny 724 no tranainy indrindra ananantsika. Ny dikan-teny slavônika kosa nadikan’i Cyrille sy Méthode rahalahiny tamin’ny taonjato fahasivy.